Fijery Avy Any Amin'ny Tandrok'i Afrika Sy Sodàna

Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny volana Aprily 2006

I Etiopia no iray tamin'ireo firenena Afrikana efatra monja tsy voazanaky ny fitondrana Eoropeana mihitsy. Na dia mahaleotena aza, niharan'ny fibodoana nataon'ny Italiana i Etiopia tamin'ny taona 1936 hatramin'ny taona 1941. mamerina amintsika indray ny tantara ny ethiopundit – 110 taona lasa izay – tamin'ny Adin'i Adwa, izay nandresen'ny hery Etiopiana an'ireo Italiana mpanjanaka nanana teknolojia avolenta.

” Misongadina ambonin'ny fifanandrinan'izy ireo ao amin'ny faritra sy ny ahiahin'izy ireo ao an-toerana, nivondrona mba handresy an'ireo italiana mpanafika nirongo teknolojia tena raitra sy tohanan'i Eoropa manontolo, ny tsirairay avy amin'io lafim-piarahamonina ahitana foko maromaro [ao Etiopia] io … Ny fandresena etiopiana tamin'ny Adin'i Adwa dia mijanona ho tranga iray tena manan-danja ao anatina fahatsiarovana iraisan'ny vahoaka afrikanina iray manontolo. Io no vanim-potoana tokana tsy ara-pinoana tamin'ny tantara manontolon'i Afrika izay nankalazaina hatramin'ny taonjato iray mahery niaraka tamin'ny hafanampom-bahoaka tsy voahozongozona.”

Mitaraina mikasika ny toe-draharaha politika mampalahelo ao Etiopia i Paulos Dandego ao amin'ny Ethiopian Politics amin'ny alalan'ny fanoritsoritana ilay firenena ho toy ny “anaty zotra mampiahiahy mirona ho any amin'ny tsy refesi-mandidy tanteraka”. Somary zendana kely ihany koa izy tamin'ny lahateny nataon'ny sekretera lefitry ny raharaha Afrikana, Andriamatoa Donald Y. Yamamoto, nanoloana ny Kaongresy Amerikàna mikasika ny toe-draharaha any Etiopia:

“Nanao ny lahateny mahazatra azy manafosafo,  matsatso fanomeny nandritra ny enim-bolana lasa i Andriamatoa Yamamoto. Tena nahasarotra ny faminaniana izay mety ho ataon'ny governemanta amerikana ny fijoroana vavolombelona nataony, ankoatra ny fipetrahana teo ankilany amin'ny fanantenana vokatra iray ahazoana tombony.”

Mahita ny fientanampony ho somary mafaitra i Andrew Heavens avy ao amin'ny Meskel Square, mba ho afaka hahazo, sambany, ny “fiheveran'ny ankamaroan'ireo [gazety] eoropeana sy amerikana” ao Addis-Abeba. Araka ny heviny, ireo gazety an-tsoratra etiopiana dia “tsara kokoa amin'ny endriny maro noho ireo tena izy” satria “taratasy fotsy kokoa sy madio [ary manana] habe somary lehibe kokoa” no nampiasain'izy ireo. Na izany aza, ny tsy fisian'ilay gazety Sudoku mpiseho isanandro famakiny sy ny fidangan'ny vidiny somary lafo no mahatonga ny hafaliany ho mafaitra – nambarany fa 2,64 £ ny vidin'ny Times raha oharina amin'ny vidin'ny amin'ny fonony ao Londona izay 60 pence).

Ny fihanak'ireo andian-tafika vahiny (tsy sodaney) ao amin'ny faritra Darfour ao Sodana dia toa olana mampiady hevitra ao Sodana. Mitanisa tatitra iray an'i Xinhua (ao Shina) ny Sudan Watch, izay manambara fa nantsoin'ny filoham-pirenena Sodaney, Omar al-Bashir, ny Sodaney rehetra mba hilaza fa tsy mila ny fisian'ny andian-tafika vahiny ao Sodana. Ao anatin'ireo tenin'ny Filoha al-Bashir, “ny fidiran'ny vahiny an-tsehatra dia tsy inona akory fa ny fanjanahana fahiny saronana ao anatin'ny fitafy vaovaon'ireo fikambanana mampiahiahy sy ireo mpivarotra fitaovam-piadiana”. Ny Filoha al-Bashir ihany koa

“…nitehaka ny andraikitra noraisin'ireo firenena arabo tamin'ny lafiny fanohanana ny fandriampahalemana sy tamin'ny fanarenana tao Sodana.”

Miala any ny fitsikeràna ny Ligy Arabo avy amin'ny blaogy Inside Somaliland, izay mitanisa tatitra iray an'ny Sudan Tribune izay manontany hoe: “ Sahy hihaino an'i  Somaliland ve ireo Arabo?“.

“Manam-pahazarana mamela ny raharaha ho sarotra ny Ligue Arabo hatramin'ny fotoana izay tsy maintsy ilàna ny fanaovana fandidiana maika avy amin'ireo hery vahiny izay tsy voatery hifanaraka tsara akory amin'ny filàna eo amin'ny tontolo Arabo ny tombontsoan-dry zareo amin'izany.”

Miresaka ny tsy fiovan-javatra io, izayo toa tian'ireo firenena Arabo, amin'ny fampiasana “ny angovo sy ireo loharanon-karena mba hiantohana fa hijanona amin'izay efa misy azy ny zava-drehetra”, tsy matahotra izay zavatra mety ho entin'ny fiovàna.

Milaza ny Feon'i Somaliland ao anatin'ny Zanany am-pielezana ao Ottawa fa i Ali Mazrui,ilay Afrikana manam-pahaizana, mpahay tantara sy mpandinika politika, mpampianatra no nitondra ny fanohanany tamin'ny hetsika fitakiana fahaleovantena tao Somaliland. Faritra iray nilaza samirery ny fahaleovantenany ao Somalia i Somaliland. Tsy neken'izao tontolo izao, nahavita nijanona ho mandry fahalemana izy niaraka tamin'ny governemanta iray amperinasa, tsy toy ny ao Somalia tsy nisy governemanta foibe hatramin'ny taona 1991. Namporisihan'ny Profesora  Mazrui i Somaliland mba hanomboka hanao tsindry amin'ireo firenena ao anatin'ny Commonwealth (tfikambanan'ny tany miteny sy/na mampiasa ny teny anglisy, raha mbola miady izy mba ho ekena ny maha-repoblika azy mahaleotena tsy mikambana amin'i Somalia. Nanana io hafatra io ihany koa izy ho an'ny vahoakan'i Somaliland.

“Mety hieritreritra ny hanavao ny anaranao ho Somalistàna ianao, izay manana fiafaràna sahala amin'ny an'ireo firenena silamo hafa toa an'i Pakistana, Afganistana, sy ny sisa…”

Nanomboka tamin'ny 21 martsa 2006, nanao fitsidihana ofisialy tao Somaliland ny Profesora Mazrui.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.