Tantara tamin'ny 21 Aogositra 2018
Japana : Topimaso Kely Amin'ny Teknolojia Ekolojika Japoney
Nanangana drafitra fanentanana ho fampiroboroboana ny fangatahana kojakojan-tokantrano mandeha amin'ny herinaratra mitsitsy angovo ny governemanta japoney noho ilay rafitra 'éco-point'. Ny tanjona dia ny hamerenana indray ny sarin'i Japana, foiben'ny protocole de Kyoto, ho tahaka ny firenena mampiasa teknolojia manaja ny tontolo iainana.
Niteraka firohotan'ny fanaovana sary-sy-soratra tao Brezila ny fampahafantarana ny Ursal — Firaisamben'ny Repoblika Sosialista Amerikana Latina
Nanodikodina tao an-dohany ny teorian'ny tetidratsy avy amin'ny elatra farany havanana ny aterineton'i Brezila.
Nanomana diabe hamerenan'ny fitondrana ny harem-pirenena ny Yemenita
Nandritra ny roa volana, nikarakara diabe mitaky ny hamaranana ny fifanarahana tsy ara-drariny rehetra nandritra ny fitondran'i Saleh ireo tanora revolisionera sy mpikatroka. (2012)
Masoarabo: Manohitra ny fomba Saodiana
Tamin'ny fankalazana iraisampirenena ny Andron'ny Vehivavy, naka lahatsary fitondrana fiara tao amin'ny faritra ambanivohitr'i Arabia Saodita ilay mpikatroka Saodiana Wajiha Huwaidar, mba hisarihana ny saina manoloana ny manjo ireo vehivavy Saodiana, izay voaràra tsy hitondra fiara, ary nandefa izany tao amin'ny YouTube.
Afrika : Tsy Fandoavana Hetra, Tombony Ho an'ny Fampandrosoana Sa Ho an'ny Françafrique ?
[...] "varavarana iray misokatra" amin'ireo orinasa frantsay sy ireo governemanta afrikàna mba hisolokiana ny vahoaka [...] Ry namana malala, raha toa ireo tandrefana ka maniry ny hampiasa vola marina aty Afrika, dia aoka izy ireo handeha ho any ary tena hanao marina toy izay nataony tao Shina...Afrikàna isika, ekena, ary mahantra, saingy tsy adala!
Emirà Arabo Mitambatra: Fahafatesana sy faharavàna tamin'ny lozam-pifamoivoizana tamin'ny fiara miisa 200
Teo ambanin'ny fanadihadian'ny bilaogera ny fenitra fitondrana fiara any Afovoany-Atsinanana taorian'ny nahafatesana olona marobe sy naharatràna olona 350 tamin'ny fiara miisa 200 tao Abu Dhabi, Emirà Arabo Mitambatra.
Kambodza : Ny Politikan'ny Vary
[...] vokatry ny fampanofàna tany kambodziana amin'i Vietnam mpifanila vodirindrina aminy mba hahafahany mampitombo ny velarantany fambolena ho an'ny sehatry ny indostriam-pambolena[...] Mampanahy an'i Yeap ny zavamisy sao hivadika ho titra filazana ny maha-tompon'ny tany ireo fifanarahana [...] endrika mampiavaka ny kolontsaina kambodziana ny vary
Mankalaza ny Eid ul-Fitr araka ny fomban'ny bilaogera
(Marihina fa tamin'ny 3 Novambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Mbola niresaka momba ny Eid ul-Fitr ireo bilaogera Indoneziana sasany, na ny zavatra nifandraika tamin'izany, andro maro taty taoriana...
EWAMT: Manao fihetsiketsehana ny vehivavy

Tonga hatrany Yemen ihany koa ny onjan'ny fitroarana tany Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra . Tamin'ny volana Janoary 2011, Yemenita an'arivony no nanomboka nanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitra Sanaa sy tany an-kafa nitaky ny fialàn'ny filoha Ali Abdulla Saleh, izay teo amin'ny fitondrana nandritra ny 30 taona mahery.
Maraoka: Voaroba ny fiainan'i Fouad Mourtada
Azo antoka fa mety tsy tsikaritr'i Fouad Mourtada fa ho lasa anarana malaza izy. Nosamborina tamin'ny 5 Febroary izy ary voaheloka ny 22 febroary 2008 higadra telo taona an-tranomaizina (sady mandoa onitra 1000 dolara) noho ny famoronana profil Facebook maka tahaka ny Printsy Moulay Rachid.