Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

24 Mey 2018

Tantara tamin'ny 24 Mey 2018

Lahatsary: Ny Andro Fanoherana Ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy

Zon'olombelona an-tsary

Daty iray manandanja mandritra ny vanim-potoana fankalazana ny andro fanoherana ny herisetra atao amin'ireo vehivavy ihany koa ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA.

Ny Fahamarinana Sy Ireo Vokany

Ny zavatra voalohany nanaitra ahy rehefa nandalo teo anoloan'ny Sendikàn'ny Gazety aho, vao tsy ela akory izay tamin'ity herinandro ity, mba hanongilan-tsofina hihaino ny fihaonan'ireo blaogera ejiptiana, dia ny fisian'ireo fiaraben'ny Fiarovana Foibe nihantsona manodidina ny zoron-dalana rehetra

Fifidianana Any Iràka : Ny Sasany Manao Ankivy Ny Fifidianana ‘Tsy Misy Dikany’, Ny Hafa Mifidy Hanozongozonana Ny Parlemanta

Tsy misy akory ny tena fiovàna marina ary dia voafandrika ao anaty lavaka mangitsokitsoka izay nohadian'ny mpanao politika sangany izahay ; nampiasainy ny fahefany mba handaniana ny lalàna hiantohana ny fijanonan'ny antoko lehibe ao amin'ny governemanta ary hahafahany hanohy hatrany ny fomba ratsiny : ny kolikoly. Tsy omeny , na...

Bahrain: Tsinio i Ahmed Zainal!

Misy zavatra hitarainana momba an'i Bahrain? Tsy faly tamin'ny zavatra eo amin'ny fiainanao? Aza mitady lavitra. Omeo tsiny fotsiny Ahmed Zainal! Misy mihitsy bilaogy, vondrona Facebook natokana hanomezana tsiny ny tanora Bahrainita noho ny fahoriana sy ny fahantrana ao amin'ny firenena sy ny lavidavitra kokoa ary ny tenirohy Twitter!

Shily-Etazonia: Ilay Fihaonan'i McCain sy Pinochet Tamin'ny 1985

“[ilay] nandà mafy indrindra ny tsy hipetraka eo anilan'ny mpanao jadona raha tsy efa misy fifanarahana mialoha, no nanao izany tamin'ny iray amin'ireo fahavalo tena henjana ho an'ny zon'olombelona, tomponandraikitra tamin'ny fahafatesan'ireo olontsotra maherin'ny 3.000 ary famonjàna an'aliny marobe.”

Fiovàn'ny mpitantana ny Lingua Rosiana

Blaogim-Piarahamonina GV

Filazana momba ny fialan'i Ekaterina Golubina, mpitantana ny Fandikan-teny Rosiana.

Kostà Rikà: Fifanolanana mikasika ny fahaleovantenan'ny oniversite UCR

Tamin'ny 12 Aprily 2010, fara fahakeliny polisy manamboninahitra 60 avy amin'ny Sampana mpanao Fanadihadiana ara-pitsarana Kosta Rikana (OIJ raha hafohezina amin'ny teny Espaniôla) sy mpikambana ao amin'ny polisy no tonga tao amin'ny Oniversiten'i Kosta Rika (UCR) mba hisambotra manamboninahitra misahana ny fifamoivoizana ao amin'ny toby, izay voampanga ho nanao kolikoly.

Inona indray ny lahatsoratra nahasarika ireo mpamaky Global Voices tamin'ny herinandron'ny 14-20 mey 2018?

Nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 211 ny tantaranay sy ny fandikanteninay nandritra ny herinandron'ny 14 ka hatramin'ny 20 May 2018. Ny laharana faha 109 ao amin'ny lisitra ve ? Gabon. Ary ny faha 13 ? Alemaina.

Kostà Rikà: Ankihibe midina sy miakatra (tia sy tsy tia) hanaovana fanentanana dokambarotra

Nandritra ny herinandro vitsy, nosesefana dokambarotra ara-politika i Kosta Rika noho ny fahakaikezan'ny fifidianana filoham-pirenena, izay hatao ny alahady 7 febroary 2010. Noho izany dia nanao izay vitany ny kandidà ho filoham-pirenena mba hisarihana mpanohana bebe kokoa amin'ny tanjona lehibe handresy amin'ny fifidianana.

Ekoatora: Tsy Handoa Ny trosa Ivelany Intsony

[...] nambaran'ny filoha ekoatoriàna Rafael Correa fa tsy handoa ny ambin-trosany ivelany intsony ny fireneny. [...] Ny fandàvana tsy handoa ilay trosa dia hahafahan'ny fanjakàna mandany misimisy kokoa ho an'ny fandaharanasa sôsialy.