Kostà Rikà: Ankihibe midina sy miakatra (tia sy tsy tia) hanaovana fanentanana dokambarotra

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandritra ny herinandro vitsy, nosesefana dokambarotra ara-politika i Kosta Rika noho ny fahakaikezan'ny fifidianana filoham-pirenena, izay hatao ny alahady 7 febroary 2010. Noho izany dia nanao izay vitany ny kandidà ho filoham-pirenena mba hisarihana mpanohana bebe kokoa amin'ny tanjona lehibe handresy amin'ny fifidianana. Ho setrin'ny fibahanana be loatra amin'ny haino aman-jery izany, nanome ny heviny momba ny dokambarotra avy amin'ireo antoko politika ny bilaogera Kosta Rikana, nasongadina ato [mg] ny sasany amin'izy ireo.

Nanomboka ny fisehoan-javatra raha nanomboka namoaka dokambarotra manohana vehivavy bevohoka sy ny zanany ny kandidà Luis Fishman ao amin'ny Antokom-piraisana Kristianina ara-tSosialy (PUSC), fantatra ihany koa hoe “ny tsy ratsy indrindra”. Manevateva ny vadiny izay nandao azy ireo niaraka tamin'ny zanany ireo vehivavy ao anatin'ny dokambarotra, ary namaly ilay kandidà fa hanampy azy ireo amin'ny fanampiana ara-bola tahaka ny homen'ny ray aman-dreny ny zanany izy. Nofaritan'ny sasany fa mampihomehy ilay fanambarana, tahaka izany koa ilay bilaogera ao amin'ny Hell in Costa Rica [es], izay namoaka ny lahatsarin'ny dokambarotra ary  nanoratra toy izao:

Saludos queridas almas: Les dejamos esta parodia del comercial de las embarazadas cantándole al menos malo. Disfrútenlo.

Ry havana malalako: Avelanay ho anao ity hala-tahaka esoeso ara-barotra momba ny vehivavy bevohoka mihira amin'ny tsy ratsy indrindra ity. Ankafizo.

Namoaka dokambarotra vaovao momba ny làlam-piainany hatramin'ny fahazazany ka hatramin'ny androany ny kandidà vavy tokana, Laura Chinchilla avy ao amin'ny Antokom-Panafahana Nasionaly (PLN), izay mikasa ny hampiseho ny fahamalinany sy ny fahamarinany amin'ny Kosta Rikana. Nampiseho ny dokambarotra ihany koa  i Cristian Cambronero avy ao amin'ny bilaogy Fusil de Chispas [es] ary nanontany ny hevitry ny mpamaky azy, izay maro no milaza fa mankaleo be ilay dokambarotra. Nanome ny heviny i Cambronero :

Ahora sí, mi opinión: un spot sencillo, más racional que emotivo, formalmente conservador (ha sido el tono a lo largo de toda la campaña). Al igual que en el caso de los del PAC, yo habría esperado algo más “festivo”, pero no le veo nada malo como para destruirlo solo porque sí.

Raha ny hevitro, dia dokambarotra tsotra, nosainina kokoa, fa tsy dia mampihetseham-po, liam-pombandrazana (feo fandre nandritra ny fampielezan-kevitra). Tahaka izany koa ny tamin'ny PAC, nanantena zavatra “mifety” bebe kokoa aho, saingy tsy hitako izay fahadisoana handravana izany fotsiny.

Farany, nampiseho dokambarotra  vaovao ihany koa tato ho ato ny kandidà Ottón Solis avy ao amin'ny Antokon'ny Hetsiky ny Olom-pirenena (PAC), nanasa ny tanora hampiasa ny kara-panondroana azy ireo voalohany indrindra amin'ny fifidianana azy. Niezaka ny hanintona tanora sambany vao hifidy sy ireo nifidy azy tamin'ny fifidianana teo aloha izy mba tsy hijanona ho “así” (“toy izany” – amin'ny teny hafa, tsy mpandresy). Namoaka ny dokambarotra indray i Cambronero avy ao amin'ny bilaogy Fusil de Chispas [es] ary nanontany ny hevitr'ireo mpamaky azy. Rodrigo Garnier nanoratra hoe:

Está bien trabajado. Ottón se ve y se siente algo diferente. Sin embargo el peso de lo hecho durante años anteriores y durante la campaña creo que no le alcanzarán, se quedará en “así”.

Vita tsara izany. Tahaka sy mahatsapa zavatra hafa i Otton. Na dia izany aza, ny lanjan'ny zavatra nataony tamin'ny taona teo aloha sy nandritra ny fampielezan-kevitra, tsy heveriko fa hahatratra, hitoetra “tahaka izany” izy.

Na dia nampiseho dokambarotra vaovao aza ny Kandidan'ny Hetsika Libertariana (ML) an'i Otto Guevara, ary nampiseho fandrosoana bebe kokoa, araka ny filazan'ny fiarahamonina, dia toa somary mangingina tsy tahaka ny fifidianana teo aloha izy. Miezaka mandresy lahatra ireo fianakaviana Kosta Rikana ity dokambarotra ity fa ny fiovana tsara ao amin'ny firenena dia midika ho fanatsarana ny fitsaboana sy ny fanabeazana, saingy manohitra ny Antokom-Panafahana Nasionaly hatrany.

Ny alarobia 3 febroary no andro farany fandefasana dokambarotra ara-politika ary ankehitriny ny miandry sisa no azon'ny kandidà rehetra atao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.