Miarahaba anareo Global Voices. Nanapa-kevitra ny hiato amin'ny fitantanana ny Fandikan-teny Rosiana i Ekaterina Golubina. Maniry ny hifantoka amin'ny fanomanana ny diplaomany “master” sy ny asany i Katya sady mijanona ho mpandray anjara ihany .

Katya sy Filip, ireo Toniandahatsoratra CCE, tany amin'ny vovonana Nairobi. Sary avy amin'i Rezwan, Toniandahatsoratra avy any Azia Atsimo.
Tamin'ny volana Septambra 2009 i Katya no nanatevin-daharana ny GV, ary mpikambana navitrika tato amin'ny vondrom-piarahamonintsika izy hatrizay! I Anna Shetnikova ankehitriny no mitantana ny Lingua Rosiana.

Rawan Gharib (Lingua Arabo) sy Anna Shetnikova, tany amin'ny vovonana Colombo. Sary avy amin'i Jer Clarke, tompon'andraikitra ara-teknika.
Misaotra an'i Katya be dia be noho ny ezaka nataony sy ny fotoana nomeny nandritra ny taona maro!