15 Avrily 2018

Tantara tamin'ny 15 Avrily 2018

Lingua: Tetikasa Fandikan-teny Antserasera Manerantany

  15 Avrily 2018

Tao anatin'ny roa taona, nitombo ny vondrom-piarahamonin'ny fandikan-teny ato amin'ny Global Voices satria nampiditra fiteny samihafa 15 (7 fanampiny ho avy!) ary mpandika teny an-tsitrapo maherin'ny 75. Raha ny marina, talanjona amin'ny fitomboanay izahay.

Shina: Randram-panentanana Ho An'ny Fianakavian'ireo Nandevozina

  15 Avrily 2018

Fanentanana amin'ny aterineto no natao ho fanampiana ireo niharam-boina tavela tamin'ny raharaha andevo shinoa 2007 ---ireo fianakavian'ireo mpiasa tamin'ny lafaoro. Mizara ny alahelony ny zanany izy ireo, lasa holatra mandritra ny androm-piainana ny fahatsiarovana ireo zavatra nampahory. Mbola misy tsy hita ireo ankizy sasany nefa ny governemanta tsy miraharaha intsony io resaka io, ary navelany hiady irery ireo fianakaviana. Manentana amin'ny fanomezana tolo-tànana mba hanohanana azy ireo amin'ny fanaovana ny taombaovao Shinoa amin-kafanàna ny aterineto.