Miady Hevitra momba An'i Darfur: Mametraka Fanontaniana Amin'ny Ambasadera Sodaney ao Amin'ny Firenena Mikambana Ny Bilaogera

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

“Inona no tadiavin'i Sodàna?” “Iza no heverinao fa manome fitaovam-piadiana ho an'ny mpikomy?” Ireo fanontaniana tsotra mamitaka ireo no napetraky ny dinidinika tamin'ny lanonana Reuters Newsmaker tamin'ny ambasadera Sodaney ho an'ny Firenena Mikambana tao New York ny 24 May, 2007. Tsy dia mazava ny valinteniny, ary feno fotoana mahasosotra ny fotoana. Nanome tsiny ny ady feno herisetra ao Darfur noho ny fiovaovan'ny toetr'andro mihitsy aza ilay ambasadera. Tsy nanaiky ireo mpidinika hafa.

Ndesanjo Macha, tonian-dahatsoratry ny Global Voices Afrika Atsimon'i Sahara, nibilaogy mivantana ny hetsika ary nasaina hametraka fanontaniana mivantana avy amin'ireo bilaogera Sodaney tamin'ny fotoana Fanontaniana sy Valiny.

Reuters Newsmaker event New York Ndesanjo and Rebecca blogging

Nisy ny fiatoana mangina teo amin'ireo mpihaino ny mpanao gazety sy ireo mpaneho hevitra rehefa nandre ny fiavian'ny fanontaniana izy ireo. Tena lavitra, lavitra be an'i Darfur i New York. Na izany aza, nitondra ny efitrano ho akaiky kokoa ny voina izy mba ahafantarana fa misy olona mihaino ao amin'ny faritra.

powered by ODEO Ndesanjo asks question

Ity no fanontaniana faharoa napetrak'i Ndesanjo, mialoha ny farany:


powered by ODEO

Tamin'ny hetsika farany tao amin'ny Reuters Newsmaker, nisy ny fandefasana mivantana amin'ny alalan'ny tranonkala izay nahafahan'ireo bilaogera nihaino sy nanontany nandritra ny zava-niseho. Tamin'ity indray mitoraka ity, nampidirina tao amin'ny tranonkalan'ny Reuters taorian'izay (ato) sy horonantsary (ato) ny fandraisam-peo feno tamin'ny fotoana. Tsindrio fotsiny raha hijery fa mbola ho ela vao ho voavaha ny fifandonana.

Nisy tamin'ireo mpandray fitenenana nisolo tena ny Departemantam-panjakana Amerikana (Lauren Landis), ny Firenena Mikambana (Mia Farrow), ny International Crisis Group (John Prendergast) ary ny NBC News (Ann Curry).

“Hanao eny ve ianao ho an'ny mpitandro ny fandriampahalemana (mpampandry tany)?”, hoy ny mpandrindra. Nisalasala ny ambasadaoro. “Eny, raa mpampandry tanin'ny Vondrona Afrikana tohanan'ny Firenena Mikambana,” saingy valinteny misy fepetra izany. Nilaza izy fa mila mpiambina fandriampahalemana rehefa tafapetraka ny fandriampahalemana maharitra (mahavità soa).

“Politikan'izy ireo ny hamotika izany fikomiana izany amin'ny alalan'ny famonoana ireo mpanohana. Tsy mila vavolombelona izy ireo. Tsy mila hery mpampandry tany mahomby izy ireo,” hoy i Prendergast. Nitaky sazy ho an'ireo mpitarika efa zokinjokiny izy.” Satria nantsoiny hoe jiolahy an'ady izy ireo. “Mandram-pisy ny vokatra noho ny fanohizana ny fanomezana fitaovam-piadiana ny milisy, dia hanohy ny famonoana ao an-tanàna izy ireo. Hanohy ny fidarohana baomba amin'ny sivily izy ireo, “hoy izy.

Nibilaogy ny hetsika tao amin'ny bilaogin'ny openDemocracy aho. Ary ity ny kaonty Reuters.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.