Sarin'ny Tafika Japoney Tanatin'ireo Hady Fiafenana Nandritra ny Ady Rosiana-Japoney tamin'ny 1904-1905

“Japoney Mpiambin-drano miaro ny famatsian-dranon'ny toby amin'ny loto.” (loharano)
Vao haingana izay, nizara andianà sary miloko vitsivitsy mampiseho ireo miaramila Japoney sy ny fiainana tany amin’ny toby nandritra ny ady Rosiana-Japoney tamin'ny taona 1904-1905 ny Public Domain Review, bilaogy iray tena tsara. Manome topimaso mahavariana ny ady ireo stereôgrama miloko, ady izay niteraka ireo hetsika tamin'ny taonjato faha-20 tamin'ny fomba maro, isan'izany ny hady fiafenana izay niafara tamin'ny fahasimbana marobe noho ny fampidirana ireo teknolojia avo lenta teny amin'ny toeram-piadiana.
Ilay Amerikana mpakasary T.W. Ingersoll no naka ireo stereôgrama ireo, izay tamin'ny 1904 dia nandeha tany Port Arthur (Lyusunkou ankehitriny, distrikan'i Dalian any avaratra atsinanan'i Shina), sehatry ny ady lava sy nahatsiravina nandritra ny ady Rosiana-Japoney. Nahavita nirakitra ny fiainana andavanandron'ny tafika Japoney tanatinà andian-tsary an-jatony teo i Ingersoll, izay tsaroan'ny ankamaroan'ny olona ankehitriny amin’ny sary stereôgrafikan'i Etazonia nalainy tamin'ny faraparan'ny taonjato farany teo.
Mirakitra ireo sedra mafy natrehan'ny miaramila voatery niatrika ny hady fiafenana ireo stereôgrama ireo, na dia toa namboarina aza ny fijery azy amin'ny ankapobeny, toy ny fikarohana sy fiarovana ny loharano madio, ny fitadiavana izay ampy atao sakafo na ny fikarakarana rehefa misy maratra.
Niditra ao amin'ny sehatra ho an'ny daholobe ny sarin'i Ingersoll ankehitriny, tsy misy fizakàmanana fantatra mihatra aminy, ary mipetraka an-tserasera amin'ny sehatra samihafa, anisan'izany ny Tranombokim-panjakan'i Boston, ny Anjerimanontolo Monash ary ny Tranomboky Skillman ao amin’ny Anjerimanontolo Lafayette. Mahaliana manokana ny rakitry ny Lafayette satria arahinà teny fanazavana izay toa nosoratan'i Ingersoll tenany mihitsy ireo sary.

“Ireo Miaramila Japoney Vaovao Vao Midina ny Fitaterana.” (loharano)
[…] Nila vatan-dehilahy 25.000 ny fanafihana tsy misy dikany ny lapa natao ny 9 Aogositra ka hatramin'ny 26 Aogositra. Niasa mafy ireo fitaterana nitondra miaramila vaovao nankany Dalny. (loharano)

“Japoney mpiambina ny hady fiafenana anaty korontana”. (loharano)
[…] Tsy navela niala ny hady ireo lehilahy na inona na inona antony. Tsy maintsy nijery sy niandry, nisakafo, nisotro ary natory izy ireo teto. Nankarary ny loto, ny hatsiaka nivaivay, ary ny fipoahan’ny baomba Rosiana mety handratra na hamono azy ireo amin’ny fotoana rehetra, raha toa ka fahafatesana kosa no niandry ireo izay nampiseho ny lohany mihoatra ilay rindrina miaro an'ilay hady, tokony teo amin’ny dimy amby efapolo na sivifolo metatra miala ny basin'ny mpitily kinga Rosiana. (loharano)

“Mpivarotra avy any Manchuria tamin'ny Andron'ny Tsena tao Dalny.” (loharano)
[…] Nobodoina i Dalny ny 25 May ary lasa tobin'ny tafika mpanao fahirano. Nirohatra nakany ireo mpivarotra marobe avy any Manchuria ary nandeha ny tsenan’izy ireo. (loharano)

“Miaramila Japoney manasa ny lovian’ny tobiny.” (loharano)
[…] Samy nitondra ny antsoiny hoe “panican”-ny daholo ny miaramila Japoney rehetra, izay toa nitovy tamin'ny gamela fitondran’ny mpiasa Amerikana sakafo. Nisy efitra maromaro izy io, ary tanatin'io no nitondran’ny miaramila ny anjara vary an'adiny, ny trondro maina, ny tavin-kena maina, ny sira, ary indraindray kitsaotsao (concombre) notehirizina tamin’ny ranon-tsira sy vinaingitra, na koa vatomamy. Finoan’ireo dokotera Eoropeana sy Amerikana ny hoe ny sakafo tsotra nohaniny no nahatonga ny hery mahagagan'ny fanasitranana nasehon'ireo miaramila Japoney naratra. (loharano)

“Sary tao amin'ny hady fiafenan'ny Japoney.” (loharano)
[…] Nandavaka [hady fiafenana] mirefy sivy amby roapolo kilaometatra ny Japoney nandritra ny fahirano, tsy isaina anatin'izany ireo miolakolaka avy amin'ny iray mifanila amin’ny iray hafa manaraka azy. Io hady aseho eo amin'ny sary io dia hady iray teo alohan'ny manda “P” izay nalain'ireo Japoney nandritra ny antsoina hoe fanafihana lehibe fahatelo tamin'ny 29 Oktobra hatramin'ny 01 Novambra, naverin'ny Rosiana nalaina ny alin'io ary azon'ny Japoney indray avy eo. Teo ilay rezimanta iray nodidiana hamotika ny manda no tsy nety nanaraka ny baiko, ary nalefa haingana tao ambadiky ny toerana fitifirana, raha notarihina ho any aloha kosa ny rezimanta fahasivy izay nitafy ny voninahitra tsy mety maty azony tamin'ny fakàna ilay manda […] (loharano)

“Japoney Maratra Ampidirina ao amin'ny Hôpitalin'i Dalny.”(loharano)
[…] Maro tamin'ireo tranoben'ny governemanta Rosiana sy ireo trano fametrahana entana no nampiasaina ho toeram-pitsaboana, mba hametrahana ny maratra an’ady aman'arivorivony izay tsy nitsahatra nitombo. Nisy fotoana feno tanteraka ny hôpitaly ka tsy maintsy napetraka teny an-dalambe ny marary vao, izay navela teny mandra-pisianà toerana malalaka azo nametrahana azy ireo.

Famohàna ny Kiolasinà “Osaka Baby” (anarana nomena ireto tafondro Japoney ireto).” (loharano)
Nomen'ireo mpifandray an'ady ny anarana hoe “Osaka Babies” ireo tafondro mahery vaika fiarovana ny morontsiraka nentin’ireo Japoney avy any Japana hiadivana an'i Port Arthur. Natao hiarovana ny morontsirak'i Japana amin'ny fanafihana an-dranomasina ireo tafondro ireo, ary tsy nokasaina hiala amin'ny fototra niorenany. Saingy lasa voatery nampiasa fitaovampiadiana mitovy tanjaka amin’ny an’ny Rosiana izy ireo hiatrehana ny ady rehefa hita fa naka ny tafondro ngeza indrindra avy amin'ireo sambo mpiady tsy niasa tany Port Arthur sy nametraka izany teo amin'ny toerany ny Rosiana. (loharano)

Fakana aina anatinà tobin-tafika Japoney. Fahazoandàlana CC BY 2.0. (loharano)
Mahatalanjona ny fomba fakan’ny Japoney ny fomba Tandrefana ho azy. Manadihady ny zava-drehetra izy ireo, ary raisiny am-pahavononana avokoa izay rehetra eritreretiny fa hanatsara ny fomba fiainany na hanamora ny fomba fiasany. Naka vaomiera mihitsy aza izy ireo hanadihady ny tombontsoa azo avy amin'ny Kristianisma raha oharina amin’ny finoany, saingy nilaza ilay vaomiera fa malefaka sy tso-po kokoa ary manana fitondrantena mendrika kokoa nòho ny firenena Kristiana rehetra ny Japoney, ary tsy ahitàna ireny Kristiana iringiriny sy mpihatsaravelatsihy ireny ao Japana. Mampiseho ireo miaramila tsy miankina Japoney mandihy “quadrille” eo ambanin'ny fitarihanà Amerikana mpifandray an'ady iray ity sarintsika ity. Milalao ny tarika avy ao Osaka ary manao fanazarantena am-pahamatorana tokoa ireo miaramila ireo, toy ny hoe i Japana iray manontolo no mijery azy. Fanatanjahantena feno fahendrena avokoa no fialambolin-dry zareo ary tsy nisy herisetra izany, lalao tahaka ny amboahaolo sy gisa, ary indraindray fihiràna amin'ny feo ambany ny hiran’ny fandresena tsy misy farany noforonin’ny Jeneraly Fukishima, izay niady teo ambanin'ny Maresaly Oyama. (loharano)
Mbola maro ireo sary azo jerena ao amin'ny tahirin’ny Tranombokim-panjakana ao Boston ao amin'ny Flickr, sy ao amin'ny tahirin’ny Anjerimanontolo Monash ary ao amin'ny tahirin’ny Tranomboky Skillman ao amin'ny Anjerimanontolo Lafayette.
Miaraka amin'ny fahazoandàlana CC BY 2.0 ny sary rehetra avy amin'ny kaonty Flickr ofisialin'ny Tranombokim-panjakana ao Boston. Ireo fanazavàna ny sary rehetra kosa avy amin'i T.W. Ingersoll, hita tao amin'ireo Tranombokin'ny Anjerimanontolo Lafayette sy avy aminà loharano hafa, sehatra ho an'ny daholobe (tsy misy fizakàmanana voafaritra).
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...