Kiobà: Maty Tao Amin'ny Fonjan'i Havana Ilay Gadra Politika Nitokona Tsy Nihinan-kanina
(Marihina fa tamin'ny 25 Febroary 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
Sady niteraka fahanginana no niteraka fahatezerana antserasera ny fahafatesan'ilay gadra politika Kiobàna voalohany hatramin'ny taona 1972 maty tamin'ny fitokonana tsy nihinan-kanina.
Ho fanehoan-kevitra momba izany, namoaka andianà sary mainty, nifanesinesy, fa tsy nisy soratra i Orlando Luis Pardo avy ao amin'ny Boring Home Utopics. Nandefa lahatsary iray nataony ho an'ny renin'ilay voafonja niandry teo ivelan'ny hopitaly izay nahafatesan'ny zanany lahy i Yoani Sanchez. Niantso ny fahafatesan'ny zanany ho “famonoana niniana natao i Reina Luisa Tamayo ao anatin'izany”. Nahatsapa toy izany ihany koa ireo hafa. “Niverina amin'ny Famonoan'olona ry Castro Mirahalahy!!!!” hoy ny lohatenin'ny lahatsoratra navoakan'i El Tono De Voz izay voaresaka betsaka tao amin'ny Twitter .
Nanomboka ny faha 86 andron'ny fitokonany tsy nihinan-kanina i Orlando Zapato Tamayo ny 3 Desambra 2009, taorian'ny fidahorhan'ny mpiambina fonja iray azy mafy loatra tany amin'ny faritany atsinanan'i Holguin ka nahatonga ny fandidiana ny lohany noho ny rà niandrona vokatr'izany. Tamin'ny voalohany, nandà ny fanomezana rano azy nandritra ny 18 andro ny lehiben'ny fonja, ka nahatonga ny tsy fiasan'ny voany ara-dalana. Rehefa nafindra toerana indray izy, dia niharan'ny areti-tratra (pneumonia). Tao amin'ny fonjam-piarovana avolenta indrindra tao Havana izay nahafatesany ny famindrana toerana azy farany.
Hoy ny Along the Malecon raha nanoratra: “Nanatevin-daharana ireo mpanohitra izay nanao fitokonana tsy nihinan-kanina izy tamin'ny taona 2003 mba hanerena ny governemanta sosialista hamotsotra ireo gadra. Saingy maro tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana ireo no nogadraina am-ponja taty aoriana.”
Herintaona taorian'izay, voasazy higadra 3 taona an-tranomaizina ho nanao faniratsirana ny fitsarana, ny fanankorontanana saim-bahoaka ary ny tsy fankatoavana i Zapato Tamayo. Rehefa tany am-ponja izy, nohalavaina ho 36 taona ny saziny noho ny “fihetsika tsy fankatoavana.”
Ilay gadra politika teo aloha Jorge Luis García Pérez , araka ny tatitry ny Radio y Television Martí, dia nilaza fa “niteraka hakiviana goavana manerana ny firenena, tsy teo amin'ireo mpanohitra ihany fa teo amin'ny vahoaka iray manontolo ihany koa” ity trangan-javatra ity.
Toa maniry ny hanampy ny faminanian'i García Pérez mba ho tanteraka ireo bilaogera sasany. Araka ny nosoratan'ny Uncommon Sense hoe “tsy fotoanan'ny fanenenana izao fa fotoana hanaovana hetsika, mba hanarahana ny ohatra nasehon'i Zapata ary hanohizana ny tolona manohitra ireo izay namono azy sy ho amin'ny fahafahan'ny Kiobana”. Hoy ny mpaneho hevitra iray tao amin'ny Diario de Cuba raha nanoratra toy izao :
“Atencion estamos convocando una marcha mundial para el 13 de marzo del 2010 en favor de la libertad de todos los presos politicos cubanos, asi como la condena por la muerte de Orlando Zapata Tamayo.”
“Tandremo fa mikarakara diabe maneran-tany izahay amin'ny 13 Martsa 2010 ho an'ny fanafahana ireo gadra politika Kiobana, sy mba hanatanterahana ny fanasaziana ireo tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesan'i Orlando Zapata Tamayo ihany koa .”
Nahitana fanavaozam-baovao momba ity hetsika ity ihany koa tao amin'ny Twitter. Nanolo-kevitra ny hanaovana rojom-bavaka (virtoaly) nandritra ny maraina nandevenana an'i Zapata Tamayo ilay bilaogera Yoani Sanchez .
Etsy ankilany, ny mpiandany amin'ny fitondrana, Cuba Debate (izay manana kaonty Twitter ihany koa ), namoaka indray ny lahatsoratra iray tao amin'ny La Isla Desconocida:
Tienen razón al decir que fue un asesinato, pero los medios esconden al verdadero asesino: los grupúsculos cubanos y sus mentores trasnacionales. Zapata fue asesinado por la contrarrevolución.
Manan-jo izy ireo hilaza fa vonoan'olona izany… saingy manafina ny tena mpamono olona ny fampitam-baovao : ireo vondrona Kiobana kely sy ireo mpanolontsaina iraisam-pirenena. Novonoin'ny mpanohitra ny revolisiona i Zapata .
Hita tao amin'ny aterineto ihany koa ny antokon'ny fitondrana, noho izany.
Araka an'i Daniel Vottio, mpitati-baovao CNN teny espaniola dia nisy ny mpiambina nanodidina ny tranon'i Tamayo nanaovana ny fiandrasam-paty. Nisioka i Sanchez fa nosakanana tsy hiala ny tranony ireo mpanohitra; toa nosakanana tsy hihetsika ny tenany sy ireo hafa.
Nogadraina ary tratran'ny tsy fahasalamana ihany koa ireo gadra Kiobana mpaneho hevitra roa hafa , Ariel Sigler Amaya sy Normando Hernández González . Mbola tsy fantatra izay hitranga amin'izy ireo, sy ho an'ny fiarahamonim-pirenena Kiobana?
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...