(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)
Ry mpankafy vaovao politika, henoy! Bilaogy momba ny fifidianana Amerikana ao amin'ny Global Voices, Voices without Votes miasa tsy an-kiato mba hanome anao tsy tapaka momba ireo fanehoan-kevitra manerana izao tontolo izao.
Androany (nov 2008), androm-pifidianana any Etazonia, nanome firaisankina ho an'i Obama ireo bilaogera Afrikana, bilaogera Venezoeliana nanoratra tononkalo momba ny fahasarotana tanteraka hisian'ny fandresen'ny lehilahy Mainty hoditra iray amin'ny fifidianana, ary manomana fety, fety etsy , fety eroa ireo bilaogera ao Paris.
Hoa Quach ao amin'ny Voices without Votes, nanatsonga ireo bilaogera Aziatika izay nizara ny ahiahiny momba ny vokatra ho avy, alohan'ny hatoriana ao amin'ny hasin'ora manana ora lasa aloha be:
In Indonesia, Mamanwrote that an “anxious feeling” was coming over her. And, despite the polls agreeing with her, she is preparing for a GOP win:
“I am really having a strange feeling about the US Election, it's a strange feeling I can't describe. The poll survey surely go to my favor, OBAMA will win, but I do believe that race will play in the final result. I try to scare myself with the reality IF GOP win this election, it will be a big POUNCH on only to my stomach, but to almost most of the average American.”
Ao Indonezia, nanoratra i Maman fa nisy “fahatsapana fanahiana” nahazo azy. Ary na dia eo aza ny fitsapan-kevitra mifanaraka aminy, miomana amin'ny fandresen'ny GOP izy:
“Tena manana fahatsapana hafahafa mikasika ny fifidianana Amerikana aho, fahatsapana hafahafa tsy haiko faritana. Azoko antoka fa handresy izay hofidiako, handresy i OBAMA, saingy ny vokatra farany no hamaritra izany. Miezaka mampitahotra ny tenako amin'ny zava-misy aho, raha mandresy amin'ity fifidianana ity ny GOP, dia ho VOKATRA lehibe tsy ho ahy ihany izany, fa ho an'ny ankamaroan'ny Amerikanina antonony. “
In South Korea, Expat Jane, writes that she’s also feeling “nerves and anxiety” but is excited to find out the results:
“I've been so very cool during most of this campaign. At least, when it comes to the discussion of Obama winning because I believe he will. By this time tomorrow, we'll know.”
Ao Korea Atsimo, Expat Jane, manoratra fa mahatsiaro ho “sorisorena sy feno tebiteby” ihany koa izy saingy mientanentana miandry ny vokatra:
“Tena nilamina be aho nandritra ny ankamaroan'ny fampielezan-kevitra. Farafaharatsiny, rehefa adihevitra momba ny fandresen'i Obama satria inoako fa handresy izy. Ho fantantsika izany rahampitso. “
Aza adinoina ny mitsidika ny Voices without Votes rahampitso raha hijery ireo fanehoan-kevitra momba ny mpandresy amin'ny fifidianana mampientana indrindra eo amin'ny fahatsiarovana vao haingana …