26 Marsa 2018

Tantara tamin'ny 26 Marsa 2018

Japana: Sary Mamoafady Ve Sa Zavakanto ?

  26 Marsa 2018

Tamin'ny 19 Febroary 2008, namoaka didy ny Fitsarana Tampony Japone fa tsy nandika ny lalàna momba ny fihetsika mamoafady ilay bokin'i Robert Mapplethorpe izay voatàna tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Narita tamin'ny 1999 noho ny fiheverana hoe resaka vetaveta ny votoatiny. "Mapplethorpe" no lohatenin'ilay boky resahana, ahitàna pejy 384 misy sary miresaka lohahevitra samihafa, ny 19 amin'ireo pejy ireo misy sarina filahiana mameno pejy.

Oman: Ny Fitandremana Ara-tsakafo, Ny Rakipeo Momba Ny Fampianarana Ambony

  26 Marsa 2018

Niverina teo amin'ny sehatry ny bilaogy ireo bilaogera tany Oman ary nanomboka ny taona vaovao tamin'ny fanapahan-kevitra sy tetikasa goavana. Nanokatra bilaogy vaovao iray hizarana ny fandaharam-potoanany momba ny fitandremana ara-tsakafo amin'ny faratampony ilay bilaogera ATGM, izay ahitana ny fihinana sakafo kely efatra fotsiny isan'andro, sy ny fisotroana rano betsaka.

Sri Lanka : Ho Fahatsiarovana An'i Arthur C Clarke

  26 Marsa 2018

Nahakasika olona maro ny fahafatesan'i Arthur C. Clarke (1917 - 2008) - misy ireo tena mpankafy tantara foronina momba ny siansa (science fiction), ary ao koa ireo hafa izay nahafantatra azy fahavelony namoaka tanaty blaogy ny fahitàny ilay rangahy. Manomboka amin'ny fomba fijery tsotsotra ka hatramin'ny adihevitra hafahafa, tena tsaroan'ireo blaogera Sri Lanke i Clarke amin'ny fananany fijery lavitra sy fanofisana ny hoavy. Nifindra tao Sri Lanka ny taona 1956 io mpanoratra Britanika io ary nanori-ponenana tao mihitsy.