Japana: Sary Mamoafady Ve Sa Zavakanto ?

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008)

Tamin'ny 19 Febroary 2008, namoaka didy ny Fitsarana Tampony Japone fa tsy nandika ny lalàna momba ny fihetsika mamoafady ilay bokin'i Robert Mapplethorpe izay voatàna tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Narita tamin'ny 1999 noho ny fiheverana hoe resaka vetaveta ny votoatiny.  “Mapplethorpe” no lohatenin'ilay boky resahana, ahitàna pejy 384 misy sary miresaka lohahevitra samihafa, ny 19 amin'ireo pejy ireo misy sarina filahiana mameno pejy. Niverina avy any Etazonia niaraka tamin'ny boky i Asakai Takashi, ilay mpanonta ny “Mapplethorpe” amin'ny teny Japone, tamin'ny 1999, tamin'ny fotoana nangihazan'ny mpiandraikitra ny fadintseranana azy io. Taorian'io zava-nitranga io, naatony ny fivarotana ny dikateny japoney rehefa nahazo fampitandremana avy tamin'ny mpitandro filaminana tany Tokyo izy tamin'ny 2000, ary tato aoriana dia nentiny teo amin'ny fitsarana ny raharaha. Ho an'ny santionan'ny asan'i Mapplethorpe, jereo ny tranonkalan'ny fikambanana Robert Mapplethorpe ( Fanambaràna: sary miboridana miharihary). Japone maro mpitoraka bilaogy no nandray sy niady hevitra momba io vaovao io.

Maneho hevitra i Zmgojdha ao amin'ny “Slightly out of fortune”

こんなことが裁判沙汰になっていたとは初めて知った。

「芸術性と猥褻性の法律論」というのは、言葉として成り立っていないかも知れない。だから可笑しいと言えば可笑しいし、でも仕方が無いと言えば仕方が無い。

今回の判決は、一部を取り沙汰すれば猥褻とも言い得るという点を踏まえた上でのことと思うが、芸術的観点から全体としては猥褻書物に当たらないとした。ほう、という感じではある。ロバート・メイプルソープという、評価が確立している大芸術家であればこその判決だったとも言えそうだ。

Voalohany izao no nandrenesako karazan-javatra toy izany nentina teo amin'ny fitsarana.

Angamba azo foronina ho voambolana ny ” teorian'ny lalàna momba ny kalitao ara-javakanto sy ny fahavetavetàna”. Izany no antony mahatonga azy hampihomehy tahaka izao, nefa tsy azo ihodivirana ihany koa.

Ny antony nahatonga azy ireo hamoaka io didim-pitsaràna io, raha ny hevitro, dia raha ohatra ka ampahany [amin'ilay angona] no raisinao, azo atao ny manohana ny hoe mamoafady izany, fa amin'ny fomba fijery ara-javakanto dia tsy boky mamoafady io.  Mampanontany tena ahy izany. Azonao lazaina fa io didim-pitsaràna [manome rariny] an'i Robert Mapplethorpe io dia vokatry ny lazany amin'ny maha-mpanakanto azy.

karubi, na afa-po tamin'ilay didim-pitsaràna aza, dia tsy mino fa ity fifanolanana miverimberina ity dia zavatra azon'ny fitsaràna vahàna.

最高裁の裁判官は(裁判官でなくともその指示を受けた人が)、東京や大阪や名古屋の街に出て、メイプルソープの写真集を持って道行く人1000人くらいに「この男性器の写っている写真は卑猥に思いますか?」と聞けばいいのである。私は本気でそう思っている。そうすれば多分、800人以上の人は「猥褻ではない。」「奇麗だ。」「面白い。」と答えるだろうと思う。常識というものは、明晰な頭脳を持つ裁判官とか偉い方々が意識して作れるものではなく、世間一般の人たちが世の中の流れを感じながら自然と形成していくものである。

Tokony hivoaka eny an-dalambe miaraka amin'ilay boky Mapplethorpe ireo mpitsara ao amin'ny Fitsaràna Tampony ( na tsy ny mpitsara fa ireo olona izay voakasika [amin'ity raharaha ity]) ka hanontany mpandalo 1000 eo ho eo hoe  ” Hitanao fa mamoafady ve ity sary ahitàna sarina filahiana ity ?”.  Nieritreritra lalina ny momba izany aho. Angamba olona 800 mahery eo ho eo no mety hilaza fa “tsy mamoafady io”, na [izy ireo] [mety hiteny ry zareo fa ] ” tsara”, na “mahaliana”. Tsy zavatra azon'ny mpitsara manana toerana ambony foronina ny fahaizana mandanjalanja, fa endrika voa-janahary ao amin'ny olon-tsotra izay mahatsapa ny fironan'ny fotoana.

Etsy ankilany, nokianin'ny sasany tamin'ireo mpitoraka bilaogy ilay didim-pitsaràna sy ireo asan'ilay mpanakanto.

Milaza i kosodatejityan1 fa sarotra aminy ny manakatra ny asan'i Mapplethrope.

それにしても 私の常識では
如何に芸術性があるのかどうかは分りませんが

そういうものを 一部とはいえ アップの写真集にして
世間に自分の存在を知られたく思う神経が 私には理解出来ません。

山川草木 動物や小鳥 自然の中に 幾らでも題材はあるはずですのにね 〜。

余程 写真芸術家として
表現するものが無かったのでしょう と思ってしまいます。

Na ahoana na ahoana, avy amin'ny fahatsapana iraisan'ny maro, tsy mahalala aho raha misy singa ara-javakanto ao,
saingy tsy azoko ilay psykolojia maka sary mameno pejy amin'ireny zavatra ireny ary manambatra azy ireny ho angona tahirin-tsary — eny fa na ampahany amin'ny [angona] fotsiny aza izy ireny [ireo zavatra mamoafady] — ary manao izay hahalalàna ny tenanao amin'ny alàlan'izany ianao.

Anananao ny tendrombohitra, ny renirano, ny zavamaniry, ny hazo, ny biby sy ny vorona, marobe ny lohahevitra eny amin'ny natiora.

Mihevitra aho hoe tena tsy manana na inona na inona mba hanehoany ny maha-mpanakanto azy izy.

Mpitoraka bilaogy iray hafa tena diso fanantenana tamin'ilay fanapahankevitra

 性器のドアップ写真がわいせつでなく芸術であるという判断は全く納得できない。公序良俗に反するのは間違いない。そもそも、芸術かわいせつかを裁判所が判断できるわけが無い。個人の主観に委ねられ、客観的な判断基準がないからだ。したがって、性器の写真であればわいせつである、と機械的に判断するしかない。

よって、「性器が露骨に配置された写真はわいせつ物に当たる。芸術性があることを理由にわいせつ性を否定するのは許されない」という堀籠幸男裁判官の反対意見は尤もである。

大体、「人間の裸は芸術だ」などという考えは元々日本には無い。中世ヨーロッパの反動ではないのか。わしは、性器の写真はわいせつだと思うし、女性のなら大好きだ(笑)。だが、公然と見るのはどうかと思う。表現の自由も、歴史や伝統、公序良俗に規制されて当然だ。最高裁が歯止めにならなくてどうする。

Tsy azoko tanteraka mihitsy ilay didim-pitsaràna hoe zavakanto ilay sarina fitaovam-pananahana mameno pejy fa tsy sary mamoafady. Tsy isalasalàna fa manohintohina ny filaminambahoaka sy ny fotopisainana izany.  Voalohany, tsy afaka mitsara ny fitsaràna hoe kanto io na sary vetaveta. Izany dia satria manana ny maha-izy azy ny tsirairay, ary noho izany dia tsy misy fenitra tsy mitanila azo anorenana ny didim-pitsaràna. Araka izany, tsy misy ny safidy fa tonga dia tsaraina fa sary mamoafady ireo sarina fitaovam-pananahana.
Noho izany, marina ny nanoheran'ny mpitsara Yukio Horigome ilay tsangan-kevitra hoe: “Sary vetaveta ny sary maneho miharihary tsara ny fitaovam-pananahana. Tsy azo ekena ny fandàvana ny maha-mamoafady azy amin'nay fampiasana ny kalitao ara-javakanto ho fialantsiny.”
Tany Japana, tsy mbola nisy mihitsy ny fiheverana fa “zavakanto ny vatan'olombelona miboridana”. Fanoherana ny fihetsika tamin'ny taonjato ‘médieval’ niainan'i Eoropa izany. Heveriko fa mamoafady ny sarina taovam-pananahana fa tiako ny an'ny vehivavy (lol). Na izany aza, manontany tena aho raha toa ka rariny ny mijery izany an-kalalahana tahaka izao. Tokony fehezina araka ny tantara, ny fomba nentim-paharazana, ny filaminambahoaka ary ny fotopisainana ny fahalalahan'ny fanehoankevitra. Inona no ilàna ny Fitsarana Antampony raha tsy azony atao ny manakana zavatra tahaka izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.