22 Desambra 2017

Tantara tamin'ny 22 Desambra 2017

Topimaso Ao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Syriana

Taorianà volana henjana noho ireo hetsipanentanana manohitra ny herisetra, toa nitony ny tontolon'ny bilaogy Syriana tamin'ity herinandro ity… Nanodidina ny dingana vaovao nataon'i Etazonia hanome 5 tapitrisa dolara ho fampiroboroboana ny fitondrana demôkratika sy ho fanavaozana an'i Syria ireo adihevitra.

22 Desambra 2017

Fankahalàna ny Finoana Silamo – Angano Sa Zavamisy Marina?

Manana endrika roa ny loza mety hateraky ny 'fankahalàna ny finoana Silamo', dia ny fankahalàna manjavozavo sy tsy am-piheverana ireo Silamo tsotra ka mety hiteraka toejavatra adala, ary ny fanasokajian'ireo mpomba ny Pôlitika Silamo ho 'mpankahala ny finoana Silamo' ireo izay rehetra manakiana ny fomba amam-panao Silamo.

22 Desambra 2017

Mpikatroka ‘Mpamerin-keloka’ Nampangain'ny Polisin'i Singapaoro Ho Nikarakara ‘Famoriam-bahoaka Tsy Ara-dalàna’

Ny 29 Novambra, nampangain'ny polisy noho ny "fikarakarana fivoriam-bahoaka tsy misy fahazoan-dàlana araka ny Lalàna momba ny Filaminam-bahoaka, fandikàn-dalànan'ny fandrobàna araka ny Lalànan'ny Fandrobàna, sy noho ny fandàvàna hanasonia ny filazany araka ny Fehezan-dalàna Famaizana" i Jolovan Wham, mpikatroka Singapaoreana.

22 Desambra 2017