Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mozika : Ao Madrida, Fampisehoana Miavaka Notanterahan'Ilay Tarika Mpiangaly Mozika Rodobe Ivondronanà Adolatsento Peroviana Maro

Ireo mpikambana ao amin'ny Symphony for Peru tao Madrida. Sary nahazoana alalàna.

Ny Symphony for Peru dia fikambanana iray natsangan’ ilay Tenoro Peroviana Malaza Juan Diego Flórez mba ho fanovàna amin'ny alalan'ny mozika ny fiainan'ireo tanora Peroviana avy amin'ny fianakaviana sahirana.

Araka ny voalaza ao amin'ny Tranonkalany Aterineto, asehon'ny angondrakitra voaray tamin'ilay fanadihadiana natao tamin'ireo ankizy nandray anjara tamin'ilay fandaharanasa fa nisy fivoarana azo tsapain-tanana tokoa tamin'ny sehatra maro tamin'ny fiainan'izy ireo :

20% MÁS CREATIVOS
30% MÁS SEGUROS DE SÍ MISMOS
29% MENOS AGRESIVOS

20% TIA FAMORONANA
30% MATOKY TENA KOKOA
29% TSY NAHERY SETRA LOATRA INTSONY

Hatreto, ankizy manodidina ny 7.000 eraky ny ivontoeram-panofanana 20 manerana ny firenena no efa nahazo fiofanana tao amin'ny Symphony for Peru. Ny taona 2014, ilay Bango Tokana ijerena ny Fahombiazan'ny Fampandrosoana dia nanambara fa :

The project established four musical centers in four very different areas in Peru: the marginalized, urban ghettos of Trujillo (coastal), Huancayo (mountain), Huánuco (rainforest), and Manchay-Lima (desert). Each center brings music to […] children and adolescents living at or below the poverty level. […] The setting of the program helps children build their self-esteem, encourages them to have goals in life and to achieve those goals, promotes improved school performance, strengthens family ties, and facilitates positive involvement in their community.

Nanangana ivon-toerana efatra samy hafa taminà faritra efatra samy hafa tao Però ilay tetikasa : Ireo toerana iva sy lavitra andriana tao Trujillo (amorontsiraka), tao Huancayo (an-tendrombohitra), tao Huánuco (anaty ala trôpikaly) ary ny tao Manchay-Lima (tany efitra). Samy mitondra mozika ho an'[…] ireo ankizy sy tanora miaina anatin'ny, na ambanin'ny fahantrana ny Ivon-toerana tsirairay.[…] Manampy ireo ankizy ilay fandaharanasa mba hahafahan'izy ireo manorina fahatokisan-tena, hanana fahasahiana hametraka tanjona amin'ny fiainana ka hanao izay hahatràrana izany, hampiakatra ny zavabita any an-tsekoly, hanamafy ny fifandraisana eo amin'ny fianakaviana mba hahamora ny fampidirana saina miabo eo anivon'ny fiarahamonina misy azy ireo.

Tao amin'ny tranonkalan'ilay vondrona, nisy tamin'ireo ankizy nandray anjara tamin'ilay orkestra no nanazava ny lanjan'ilay fandaharanasa ho azy ireo :

La música para mí es algo que se debe tocar con sentimiento, con emoción [pero que necesita también] de disciplina. Cuando toco el violín me siento más feliz, más emocionada. Contenta de poder tener en mis manos un instrumento que me llena de felicidad.

Ho ahy, zavatra iray tokony ho tsapanao ny mozika rehefa iny ianao mitendry azy iny, anaty fo mibitaka [kanefa koa miaraka amin'ny ] fitsipi-pitondrantena. Rehefa mitendry lokanga aho, dia mahatsiaro tena faly kokoa, mientanentana kokoa. Faly manana eny an-tanako zavamaneno iray mahatonga ahy ho tena faly.

Manitatra faravodilanitra

Ny 29 Oktobra 2017, tarika iray avy amin'ny Symphony for Peru sy ilay Filoha mpanangana azy Juan Diego Flórez no nanainga ho any Espaina handray anjara amin'ilay Fankalazàna ny tsingerintaona faha dimy ambiny folon'ny Volunteers Telefónica tao amin'ny  Teatra “Royal” tao Madrida.

 

Ampahany amin'ireo mpikambana ao amin'ny tarika, teo amin'ny Seranam-piaramanidina tao Lima, talohan'ny niaingan'izy ireo ho any Espana. Sary nahazoana alalàna.

Tao amin'ny Pejiny Facebook, nizara tafa fohy niarahana tamin'i Flórez ilay Tarika, lahatsary misy ny famerenana fanaon'izy ireo sy ny findràmana ilay hira malaza Mambo No. 5.

Sinfonía por el Perú en el Teatro Real

#SomosSpp🎶Gran concierto ayer Domingo 29 en el Teatro Real con Sinfonía por el Perú y la Escuela de Música Reina Sofía por el 15 Aniversario de Voluntarios Telefónica ✨🇵🇪👏¡Gracias Telefónica y Fundación Telefónica por la inolvidable experiencia!#CantoTocoCrezco

Geplaatst door Sinfonía por el Perú op maandag 30 oktober 2017

Symphony for Peru at Royal Theater
We are all Symphony for Peru 🎶Great concert yesterday, Sunday 29 at Royal Theater with Symphony for Peru and Queen Sofia Music School to celebrate 15 years of Volunteers Telefónica ✨🇵🇪👏 Thanks, Telefónica and Telefónica Foundation for such an unforgettable experience! #ISingIPlayIGrowUp
Publicado por Symphony for Peru on October 30, 2017.

Symphony for Peru tao amin'ny Teatra “Royal”.
Isika rehetra dia Symphony for Peru avokoa 🎶 Nahafinaritra be ilay fampisehoana omaly, Alahady 29 tao amin'ny Teatra “Royal” niarahana tamin'ny tarika symphony for Peru sy ny Sekoly Fampianarana Mozika an'ny Mpanjakavavy Sofia, ho fankalazàna ny faha-15 taonan'ny Volunteers Telefónica ✨🇵🇪👏 Misaotra, Telefónica sy ny Fikambanana Telefónica nanome hetsika tsy ho hadinoina tahaka izany ! #JeChanteJeJoueJeGrandis(MihiraahoMitendrysyMihalehibe)
Navoaka ho an'ny Symphony for Peru ny 30 Oktobra 2017.

Ho fanararaotana ny fandalovan'izy ireo tao amin'ny renivohitr'i Espana dia niara-nitendry tamin'ireo mpikambana avy ao amin'ilay Sekoly Fampianarana Mozika an'ny Mpanjaka vavy Sofia ny tarika Symphony for Peru.  Fotoana iray nahafahan'ireo Orkestra roa ireo nifampizara sy nifanakalo traikefa tamin'ny alalan'ny mozika.

Famerenana talohan'ilay seho tao amin'ny Teatra “royal”. Sary nahazoana alalana.

Tao amin'ny Twitter, nizara lahatsary sy sary maro ahitàna ilay fitetezana an'i Espaina nataon'izy ireo ihany koa ilay Tarika, ary koa ireo hetsika izay nandraisan'izy ireo anjara :

Fampisehoana nahafinaritra be tao amin'ny Teatra “royal” niarahana tamin'i Juan Diego Flórez sy ny Sekoly Fampianarana Mozika an'ny Mpanjakavavy Sofia, ho fankalazàna ny faha 15 taonan'ny Volunteers Telefónica

Tena reharehantsika tokoa ny zanantsika ! 👏❤️

Fampisehoana notanterahin'ny Symphony for Peru tao amin'ny Teatra”royal”, Madrida.

Miaraka amin'ireo hetsika isan-karazany ireo, nandray làlana iray izay hahafahan'izy ireo “hihira, hitendry, hihalehibe !”marina tokoa ireo tanora mpitendry ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.