Mpikatroka ‘Mpamerin-keloka’ Nampangain'ny Polisin'i Singapaoro Ho Nikarakara ‘Famoriam-bahoaka Tsy Ara-dalàna’

Nanatevin-daharana an'i Jolovan Wham (manao mena ambony) ireo namana nandritra ny hetsika firaisankina. Sary tao amin'ny Facebook-n'i Lynn Lee.

Ny 29 Novambra, nampangain'ny polisy noho ny “fikarakarana fivoriam-bahoaka tsy misy fahazoan-dàlana araka ny Lalàna momba ny Filaminam-bahoaka, fandikàn-dalànan'ny fandrobàna araka ny Lalànan'ny Fandrobàna, sy noho ny fandàvàna hanasonia ny filazany araka ny Fehezan-dalàna Famaizana” i Jolovan Wham, mpikatroka Singapaoreana.

Mpikatroka fanta-daza amin'ny fampielezan-keviny mampiroborobo ny zon'ireo mpiasa mpifindra monina, ny fahalalahana miteny ao Singapaoro, ary ny fanavaozana ny lalàna momba ny fanagadrana sy ny fanamelohana ho faty ao amin'ny firenena i Wham.

Ny fandikan-dalàna miisa fito nataon'i Wham notanisain’ireo polisy dia misy ifandraisany amin'ny hetsi-panoherana maromaro: 1: ny fiareta-tory mandrehitra lambozia tamin'ny 14 Jolay ho firaisankina amin'ny fianakavian'ny olona iray miatrika fanamelohana ho faty. 2: ‘hetsi-panoherana mangina’ tamin'ny 13 Jona tao anaty fiaran-dalamby tamin'ny fisamborana ireo “Marxista mpanao fiokoana” tamin'ny taona 1987 ary ny faha-3: dia forum anaty trano tamin'ny 3 novambra 2016 izay nahitana mpandray fitenenana, an'i Joshua Wong mpikatroka prô-demaokrasia Hong Kong, miresaka amin'ny Skype.

Niampanga an'i Wham ho nikarakara ireo hetsika ireo tsy nahazo fankatoavan'ny manampahefana ny polisy ary nanasokajy an'i Wham ho toy ny ‘mpamerin-keloka':

Wham is recalcitrant and has repeatedly shown blatant disregard for the law, especially with regard to organizing or participating in illegal public assemblies.

Mpamerin-keloka i Wham ary maneho tsy firaharahiana ny lalàna imbetsaka, indrindra mikasika ny fikarakarana na fandraisana anjara amin'ny fivoriam-bahoaka tsy ara-dalàna.

Notazonina vetivety tamin'ny 29 Novambara i Wham ary navotsotra rehefa avy nandoa onitra fivoahana fonja

Nanaitra ireo vondrona mpikatroka izay nampitandrina momba ny fihenanan'ny fahalalahana maneho hevitra ao Singapaoro ny tranga mikasika azy.

Mandrisika ny governemanta mba hanafoana ny fiampangana an'i Wham ny fanangonan-tsonia an-tserasera nosoniavin'ny olona maherin'ny 3 900 (amin'izao fotoana hanoratana izao):

The prosecution of Jolovan Wham has a chilling effect on free speech where the law is used as a tool of intimidation against peaceful and non-violent activists. These charges also violate his constitutional and universal rights to freedom of expression and peaceful assembly.

Misy fiantraikany ratsy amin'ny fahalalaham-pitenenana ampiasana  ny lalàna ho fitaovana hampihorohoroana ireo mpikatroka milamina tsy maherisetra ny fanenjehana an'i Jolovan Wham. Manitsakitsaka ny zony araka ny lalàmpanorenana sy manerantany amin'ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fivoriana am-pilaminana ihany koa ireo fiampangana ireo.

Nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fikatrohan'i Wham ny fanangonan-tsonia antserasera hafa nomena ny praiminisitra ao amin'ny firenena:

He is a constant reminder that we, as a first world country, should strive to attain the standard of human rights enjoyed by other first world countries.

Mampahatsiahy tsy tapaka izy fa tokony hiezaka hanatratra ny fenitry ny zon'olombelona iainan'ireo firenena hafa voalohany manerantany isika amin'ny maha-firenena voalohany manerana izao tontolo izao.

Function 8, fikambanana iray tsy miankina (ONG), nidera an'i Wham ho “feon'ny tsy afa-miteny.”

We do not understand why the State is pursuing the seven charges against Jolovan Wham for events which were all peaceful and non-violent. He works for the good of our country, which we are told, aims to be inclusive and which respects diverse voices.

Tsy azonay ny antony mahatonga ny Fanjakana manohy ireo fiampangana fito an'i Jolovan Wham noho ny hetsika izay feno filaminana sy tsy mahery setra. Miasa ho an'ny mahasoa ny firenentsika izy, izay nolazaina tamintsika, fa mikendry ny fiaraha-mitantana sy manaja ny feo samihafa.

Community Action Network, ONG iray hafa ao an-toerana, niantso ny governemanta mba handinika indray ny politikany mametra ny fahalalaham-pitenenana:

The Singapore government has long used a range of public order offenses to manage public opinion. As a mature, advanced nation which exhibits the key forms of parliamentary democracy, the stifling of free speech has been widely condemned for its chilling effect on human rights.

The Singapore police should not proceed with charges against Wham. The government must reconsider its position on free speech and freedom of assembly. It is time for Singapore to recognize that peaceful protest is not a crime.

Efa nampiasa ireo fandikan-dalàna maro momba ny filaminam-bahoaka hatry ny ela ny governemantan'i Singapaoro mba hitantanana ny hevitry ny vahoaka. Amin'ny maha-firenena matotra sy mandroso mampiseho ny endrika fototry ny demaokrasia parlemantera, nomelohina tanteraka ny fanaratsiana ny fahalalahana miteny noho ny fiantraikany amin'ny zon'olombelona

Tsy tokony hanohy ny fiampangana an'i Wham ny polisin'i Singapaoro. Tokony hamerina handinika ny toerany amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny fahalalahana hivory ny governemanta. Fotoana izao ho an'i Singapaoro mba hankasitraka fa tsy heloka ny fihetsiketsehana milamina.

Aware Singapore, vondrona mpiaro ny zon'olombelona iray, mihevitra ​​fa fotoana izao handinihana ny lalàna manohintohina ny fahalalahana sivilin'ny vahoaka:

Some regulation of public assembly may be necessary to safeguard the public interest in safety and prevent disruption. Yet it may be timely to reconsider how restrictive these regulations should be. Events that do not threaten the safety and well-being of any person, damage any property or cause disruption to ordinary affairs should not be made difficult to organize, and it is doubtful whether society's interests are best served by making them liable to criminal prosecution.

Mety ilaina mba hiarovana ny tombontsoam-bahoaka ireo lalàna sasany momba ny fivoriam-bahoaka mba hilaminana sy hisorohana ny fanakorontanana. Eny, mety ho zava-dehibe ny mandinika indray ny hamafin'ny fameperan'ireo lalàna ireo. Tsy tokony hasarotina ny mandamina ireo hetsika tsy manohintohina ny filaminana sy ny mahasoa ​ny olona, tsy manimba ny fananana na manakorontana ny fiainan'olon-tsotra, ary mampisalasala raha tsara karakara kokoa ny tombontsoan'ny fiarahamonina amin'ny alalan'ny fanenjehana azy ireo amin'ny heloka bevava.

MARUAH, vondrona mpiaro zon'olombelona iray hafa, nanitrikitrika fa tsy tokony horaisin'ny polisy ho fihetsika heloka bevava ny fikatrohan'i Wham.

Mr Wham’s actions are merely public criticisms of the government’s stance on detention without trial, capital punishment and free speech. It is revealing that in the police press release announcing the arrest of Mr Wham, the police make a great deal of Mr Wham’s “recalcitrance” as if he were a child defying parental authority.

Fanakianana ampahibemaso fotsiny ny fijerin'ny governemanta momba ny fanagadrana tsy misy fitsaràna, ny famaizana fara-tampony sy ny fahalalahana miteny ny hetsik'i Wham. Mampiseho izany fa tamin'ny filazana an-gazety nataon'ny polisy, izay manambara ny fisamborana an'i Wham, miady mafy ny polisy milaza fa ny “famerenan-kelok(a)” i Wham dia toy ny an'ny ankizy manohitra ny fahefan'ny ray aman-dreny.

Nikarakara hetsika firaisankina tamin'ny 10 Desambra tamin'ny andro fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'Olombelona ireo mpanohana an'i Wham. Nizara tantara momba ny fomba nanentanan'i Wham olona maro tamin'ny alalan'ny fikatrohany ny sasany tamin'ireo namany.

Nahazo ny fanohanan'ny ONG Maleziana miisa 52 izay nanasonia fanambarana mitaky amin'ny governemantan'i Singapaoro mba hanaisotra ny fiampangana azy ihany koa i Wham.

Mandinika ny fanapahan-kevitr'i Wham sy ireo mpiara-miasa aminy mba hanontany ny maha-ara-dalàna ny filazana hoe ‘mpamerin-keloka’ ity sioka manesoeso ity:

“Mpamerin-keloka i Wham ary imbetsaka nampiseho tsy fanajana miharihary ny lalàna, indrindra mikasika ny fikarakarana sy fandraisana anjara amin'ny fivoriam-bahoaka tsy ara-dalàna,” hoy ny polisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.