Novambra, 2017

Tantara tamin'ny Novambra, 2017

Ny Ao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Tiorka

Noraisina tsara tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Tiorka ny andiana Bilaogy Tiorka tamin'ny herinandro lasa teo, ary nahitana dikanteny Tiorka tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny tranokala Blog Kardesligi mihitsy aza. Tsy ny dikanteny ihany no tao amin'ny Blog Kardesligi fa fanehoan-kevitra momba ny tetikasan'ny Global Voices (amin'ny teny Tiorka) ihany koa.

Ry Blaogera Erantany: Ampio Izahay Hahita Anareo

  23 Novambra 2017

Raha toa ianao tafalatsaka ao anatin'ireo lahatsoratra amin'ny blaogy izay heverinao fa tokony hiditra anaty famintinana isanandro, andefaso imailaka iray misy rohy izahay miampy fehezanteny iray na roa manazava hoe avy aiza ilay blaogera ary inona no resahan'ilay lahatsorany. Hamarininay hatrany io fitantaràna io mialohan'ny hanoratana ny famintinana isanandro.

Bahrain: Nahoana Ny Biraon'i Al Jazeera No Nakatona?

Nambaran'i Bahrain fa vonjimaika no nanakatonana ny biraon'ny Fantsona Al Jazeera Mandeha amin'ny Zanabolana noho ny "fanitsakitsahana ireo fifanarahana arak'asa". Mihetsika amin'ny fampiroboroboana ity lahatsoratra ity ireo mpitoraka bilaogy sy mpibitsika - indrindra fa taorian'ny tsaho niely fa nakatona ny foibe any Katàra noho ny tatitra navoakany momba ny fahantrana ao Bahrain. Mandritra izany fotoana izany, milaza ny Al Jazeera fa tsy mbola nampiasa akory ny birao tao Bahrain fa inona no tena zava-nisy marina?