Novambra, 2017

Tantara tamin'ny Novambra, 2017

Egypta : 89 Isanjaton'ny Tanora No Manohana ny Sivana an'Aterineto

  25 Novambra 2017

Sivy amby valopolo isanjaton'ny tanora Egyptiana, ankizivavy na ankizilahy no milaza fa manohana ny sivana amin'ny aterineto, araka ny fanadihadiana vao haingana. Mizara ireo tarehimarika ireo ny Bloggers Times izay nalaina  tao amin'ny Vavahadin-tseraseran'ny Ivontoerana Egyptiana momba ny Fampahalalam-baovao sy ny Fanampiana amin'ny Fanapahan-kevitry ny Governemanta, sampan-draharaha ofisialin'ny Fanjakana Egyptiana

Mitendry Milina i Torkia….

Fiarahabana ho an'ny taona vaovao! Te-hanitatra ny fiarahabany ho an'ny Taombaovao ihany koa i Yogurtland, Turkish Torque, sy Talk Turkey. Raha mankalaza ny taom-baovao ao Istanbul ianao androany alina, maro ireo bilaogera Tiorka miresaka momba ny fampisehoana nataon'i Woody Allen sy ny Tarikany Jazz New Orleans.

Lahatsoratra Mandona Bebe Kokoa … Any Trinidad Sy Tobago

  24 Novambra 2017

(Fanamarihana: lahatsoratra  nivoaka tamin'ny Jolay 2005) Raha toa ka mampifantoka ny jeriny amin'ny fivoarana rehetra mivoaka avy ao Londra mikasika ny 7/7 ny gazety iraisam-pirenena lehibe, nanao asa tsara dia tsara ny tontolom-bolongana Karaibiàna tamin'ny fandrakofana ilay fipoahana omaly tao amin'ny tanànan'ny  Seranan'i Espana, renivohitr'i Trinidad sy Tobago. Manana podcast sy...

Tongasoa Eto Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Kiorda

Ny resaka momba an'i Kiordistan (na eo amin'ny sehatra ara-politika na foto-kevitra) no tena adihevitra hatrany. Na dia tsy misy antoko politika aza ao Kiordistan, ny lohahevitra amin'ny fametrahana tanindrazana ho an'ny Kiorda (vondrona ara-poko lehibe indrindra manerantany tsy manana firenena azy manokana) no mbola tanjona voalohany ara-politikan'ny ankamaroan'ny Kiorda.