Ry Blaogera Erantany: Ampio Izahay Hahita Anareo

(Fanamarihana: lahatsoratra tamin'ny Jona 2005)

Henonay avy amin'ireo blaogera sasany izay mahatsapa fa tsy ampy zavatra maro ireo Daily Global Blog Roundups (Fifantenana Isanandro ireo Bilaogy Erantany) Misy lalana tsotra hanampiana anay hanatsaràna azy. Azafady, ampio izahay amin'ny fanoratana ireo famintinana isanandro.

Raha toa ianao tafalatsaka ao anatin'ireo lahatsoratra amin'ny blaogy izay heverinao fa tokony hiditra anaty famintinana isanandro, andefaso imailaka iray misy rohy izahay miampy fehezanteny iray na roa manazava hoe avy aiza ilay blaogera ary inona no resahan'ilay lahatsorany. Hamarininay hatrany io fitantaràna io mialohan'ny hanoratana ny famintinana isanandro.

Noho ny firoboroboan'ireo blaogy maneran-tany, tsy mora ny fanaovana asa famintinana isanandro. Ny ankamaroan'ireo rohy dia hita avy any amin'ny aggrégator-nay avokoa, izay manaraka ireo blaogy anjatonjatony amin'ireo tena mavitrika indrindra. Sokafy ny aggregator ary jereo raha toa tafiditra ireo blaogy ankafizinao indrindra avy amin'ny firenenao na faritra misy anao – na ireo toerana mahaliana anao. Raha tsy izay no mitranga azafady, mankanesa any amin'ny Bridgeblog Index ary ampio ao amin'ny taratasin'ny firenena mifanaraka aminy izy ireo.

Ireo famintinana sy fandikàna isam-paritra: Iray amin'ireo fetra voalohany mahazo ny Global Voices ny tsy fahafahany mamaky ireo fiteny rehetra erantany. Mba hanarahana ireo adihevitra ao anatin'ireo andiana tontolon'ny blaogy izay amin'ny fiteny tsy hainay, miantehitra amin'ireo mpiara-miasa toa an'i Ndesanjo Macha izahay, izay mandika ireo lahatsoratra avy amin'i Kiswahili ho amin'ny fiteny anglisy mba hanampy anay hahazo izay mitranga any Afrika Atsinanana. Raha toa ianareo maniry ny hanampy anay mba hahazo kokoa ny ampahany mikasika izao tontolo izao, saino ny hanao ireto manaraka ireto:

- Atombohy amin'ny fandefasana famintinana iray amin'ny blaoginao, amin'ny alalan'ny fandikàna amin'ny fiteny angilisy ireo lahatsoratra

- Avelao izahay hamantatra an'io, mba hahafahany mampiditra an'io ho ao anatin'ny famondronana sy ny tondro , ary, raha mety, hiresaka aminareo izahay momba ny hamerenana manmoaka azy indray eto amin'ny bilaogin'ny Global Voices.

Feno fankasitrahana koa izahay ho an'ny fanampiana entina amin'ny fandikana ireo tahirin-kevitra manandanja tahàka ny Global Voices Manifesto, izay adikan'ireo mpiara-miasa amin'ny fiteny espanola sy kiswahili.

Azafady tsindrio eto mba hahazoana fanampim-baovao momba ny fomba hahafahanao mandray anjara amin'ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.