Fiaraha-misalahy: Sary Maneho Ny Fanarenana An'i Meksika Taorian'ny Fandravaravan'ireo Horohorontany Roa

19-s mexico earthquake SILENCE sign

Tsy hetsiky ny mpandresy ity. Mariky ny fanasan'ireo mpamonjy aina ny manodidina mba hangina sy hihaino ireo fambara mampiseho aina avy amin'ireo sisampaty ny totohondry hatsangana. Sary an'i Santiago Arau.

Nitondra tanjaka sy firaisankina teo amin'ny vahoakan'ny firenena ireo horohorontany mahery nanozongozona ny Afovoany sy Atsimo Andrefan'i Meksika tamin'ny Septambra 2017 (iray tamin'ny 7 Septambra ary iray hafa kosa tamin'ny 19). Hita taratra izany, tsy teo amin'ny hamaroan'ireo mpirotsaka an-tsitrapo fotsiny ihany izay nidina ny lalamben'ny renivohitra mba hanala ireo korontana sy hanome fanampiana, fa ihany koa teo amin'ny fakàn'ireo mpampiasa aterineto sary sy ny nizarany izany avy aminà hetsika iray tena nanaitra ny firenena.

Olona maro no nivondrona tanatinà rakitsary iray ahitàna ny faharavàna sy ny ezaka fanampiana nanaraka izany. Tanatin'io ny mpakasary, Santiago Arau, sy ny mpianika tendrombohitra, Raul Morales.

Nizara sary maro tao amin'ny Instagram i Arau, ary namela sary ho an'ireo te hampiasa izany tao amin'ny vohikala WeTransfer ihany koa. Nizara ireo sary tao amin'ny Google kosa i Raúl Morales.

Eto ambany, mamerina ireo sary sasany nalain'izy roa tena maneho sy manamarika ny zava-nitranga ny Global Voices.

Anatin'ity sary nalaina nandritra ireo ora voalohany nitrangan'ilay loza ity, asehon'i Raúl Morales ireo olontsotra nirotsaka an-tsitrapo miaraka amin'ireo mpikambana avy ao amin'ny Navy Meksikana manomboka ny asa fanavotana aminà tranobe iray nirodana.

 

mexico earthquake condesa

Horohorontany ny 19 Septambra. Sary nozarain'i Raúl Morales, nahazoana alàlana.

Ao amin'ny Twitter, nanambara i Santiago Arau fa hozarainy malalaka ny asany:

Afaka mampiasa ny sariko ny media, ny vahoaka na ireo andrimpanjakana mba hanaparitahana sy hampahafantarana, amin'ny alàlan'ny fampiasàna ireo tahiry tena izy.

Eto, mampiseho ny sasany amin'ireo olompirenena nidina an-dalambe hanala ireo korontana i Arau.

Olona milahatra manala ny korontana. Sary an'i Santiago Arau.

Na andro na alina dia nitohy ny asa fanavotana tany amin'ireo tranobe nirodana, tahaka ny hita anatin'ity sarinà trano ao Atsimon'ny Tanànan'i Meksika ity.

Tranobe nirodana tao atsimon'ny tanànan'i Meksika. Sary an'i Santiago Arau

Sarin'io trano nirodana io ihany avy aminà toerana hafa. Sary an'i Santiago Arau

Mbola tsy voarefy ny fahasimban'ny entana. Tsy ireo trano ihany no voa tamin'izany, fa tao ihany koa ireo fiara an-jatony.

19-s earthquake destroyed cars

Fiara potika taorian'ilay horohorontany tamin'ny 19 Septambra tao amin'ny Tanànan'i Meksika. Sary an'i Santiago Arau.

“Maherifo Tsy Mitonona Anarana”, angamba no fomba tsara indrindra hanoritana ireo olompirenena nandray andraikitra hanomboka ny asa fanavotana taorian'ilay loza.

Mexican heroes earthquake 19-s

Tarehy mifonon'ireo maherifo tsy mitonona anarana izay nidina an-dàlambe tany amin'ny Tanànan'i Meksika. Sary an'i Santiago Arau.

Azontsika sary an-tsaina amin'ny alàlan'ity sary ity ny hamaron'ny vahoaka tonga teny amin'ireo faritra nirodana, ny ankamaroan'izy ireo tonga hanampy, ny hafa kosa hijery fotsiny, saingy samy nizara ny halahelo sy ny hatairana manoloana ireo zavatra hitany.

Mexico City earthquake 19-s

Olona an-jatony nivory teo amin'io faritra nirodana io ihany taorian'ny horohorontany ny 19 Septambra tao amin'ny Tanànan'i Meksika. Sary an'i Raúl Morales, nahazoana alàlana.

Afaka manaraka an'i Santiago Arau sy Raúl Morales ianao ao amin'ny Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.