Tantara tamin'ny Jolay, 2017
Tonizia: Fanehoan-kevitra Manoloana Ny Fitsidihan'i Sarkozy
Tamin'ny herinandro lasa, naneho hevitra momba ny fitsidihana ofisialy nataon'ny filoha Frantsay Nicolas Sarkozy ny tontolon'ny bilaogy Toniziana.
Fitantarana Manokana: Horohorontany Tao Sichuan (Shina)
Tamin'ny 12 May 2008, namely ny faritanin'i Sichuan, ao atsimo-andrefan'i Shina ny horohorontany nahatratra 7.8 amin'ny maridrefy Richter. Tao amin'ny distrikan'i Wenchuan no nisy ny foibeny, saingy heno hatrao Beijing sy Hong Kong ny hovitrovitra. An'aliny ireo niharam-boina. Nametraka fijoroana vavolombelona, lahatsary, sary sy fanehoan-kevitra tamin'ny aterineto ireo olon-tsotra.
Ny Tanàndehibe Shiliana Fahatelo Nahazo WiFi Maimaim-poana
Manana Wi-Fi maimaim-poana ho an'ny olom-pirenena ankehitriny ny kianja afovoany ao Molina. Izany no tanàndehibe fahatelo ao Chili ahitana Wi-Fi maimaim-poana, Salamanca sy Puerto Montt ireo tanandehibe roa hafa araka ny nazavain'ny Plataforma Urbana (ES) tao amin'ny lahatsoratra iray momba ny fiantraikan'ny tambajotra maimaim-poana ao amin'ny kaominina.
Barbados: Ireo Famantaran-dàlana
Namoaka ity sarin'ny famantaran-dàlana eo amin'ny sampanan-dalana any ambanivohitr'i Barbados ity ny bilaogeran-tsary Barbados in Focus (Mifantoka amin'i Barbados). "Tena manerana izao rehetra izao ny famantaran-dàlana." Na izany aza, misy ny karazana famantaran-dàlana mety natao manokana ho an'ny toerana iray toy ny asehon'ny sary eto ambany.
Armenia: Famoriam-bahoaka, Revolisiona & Lalaon'Isa
Sary famoriam-bahoaka ho fanomanana ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 19 Febroary
Hongria: Ny Paprika Ao Szentes
Hitako ity toerana ity omaly. Moa ve ny tompon'ity trano ity tena tia fatratra ny Paprika ? Sa fomba iray hahazoana vola fanampiny? Na inona na inona antony, ny zavatra azo antoka dia ny hoe, hiafara ho "zava-manitra" an-dakozia maro ao Szentes ireo paprika natao girilandy tsara tarehy (paprikafuzer) ireo.
Nouvelle Caledonie: Ny Fetin'ny Omby
Tsapako toy ny niverina tany Etazonia aho, kanefa tsia, fa eto amin'ny tanànakelin'i Paita ihany sy ny Fetin'ny Omby malaza !!
Maldiva: Voampanga Ho Nampijaly Sy Namono Ho Faty Tovolahy Iray Ny Polisy
Miteny ho azy indray ny fampijaliana ao amin'ny fonjan'i Maldiva noho ny fahitàna vatana mangatsiaka tao anaty rano ary feno diana kapoka feno herisetra, tao Malé renivohitra ny marainan'ny 15 Aprily. Nogadrain'ny polisy andro vitsy talohan'ny nahafatesany ity tovolahy antsoina hoe Hussain Solah ity.
India : Ny Fanafihana Tao Jaïpur Tantaraina Ao Amin'ny Bilaogy Indiana
Tamin'ny 13 Mey 2008, namely ny tanànan'i Jaïpur ny andiana daroka baomba. Araka ny tarehimarika ofisialy, 60 no namoy ny ainy ary 150 no naratra. Namoaka lahatsoratra momba an'i Jaïpur ireo bilaogy Indiana.
Milaza Lainga Momba Ny Fifanakalozan-Kevitra Teo Amin'ny Governemanta Sy Ny Orinasa Mpitrandraka Volamena Fahatelo Lehibe Manerantany Ny Haino Aman-jery Tanzaniana
Zavatra iray no nolazain'ny lehiben'ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany Barrick Gold, fa tena zavatra hafa no nambaran'ny gazety.