16 Jona 2017

Tantara tamin'ny 16 Jona 2017

Goyana: Tondra-drano i Georgetown

"Toeran'ny Klioban'ny Demerara Cricket no ao ambadik'ity rindrina ity- dobo midadasika mifefy ahitana herikerika..efa lasa farihy tanteraka izy ankehitriny,", hoy ilay mpisera Flickr Chennette, Trinidadiana monina ao Goyana, tamin'ny fanazavana ny sary etsy ambony :

16 Jona 2017

Tonizia: Ny Gazety Baklava

Maneso ny gazety iray ato amin'ity lahatsoratra amin'ny teny Arabo ity ilay bilaogera Toniziana Boudourou noho ny famoahana dokambarotra izay mandrisika ny mpamaky mba hisoratra anarana ary hahazo fonosana balkava misy an'irony 'amandes' irony.

16 Jona 2017

Myanmar: “Eny, tsara ny zava-drehetra”

Notaterin'ny ny bilaogim-baovao Birmana MoeMaKa Media ity lahatsarin'ny Straits Times ao Singapaoro ity izay miresadresaka amin'ireo olom-pirenena Myanmar sasany sy ny hafa mandeha ao Yangon sy Singapaoro.

16 Jona 2017

Libanona: Ny Zavakanto sy ny Mpanakanto

Tsy ara-politika fotsiny araka ny fantatrao ny tontolon'ny bilaogy Libaney, ary misaotra an'Andriamanitra noho izany. Misy ireo mpanakanto mampiasa bilaogy mba hampiseho ny sary hosodoko, ny mozika sy ny famoronana ara-javakanton'izy ireo. Indro ny santionany. Voalohany dia sary sy hosodoko, ary avy eo mozika sy sarimihetsika. Ankafizo.

16 Jona 2017

Mihetsika Hamonjy Ny Vakoka Ao Iran Ny Bilaogera Iraniana!

Namoaka ny " Loza mitatao ho an'ny Vakoka Iraniana ny tohodrano" ny gazety Guardian tokony ho 8 volana lasa izay. Tao anatin'ity lahatsoratra ity no nahafantaran'ny Iraniana ireo toerana ara-bakoka "maherin'ny 100 izay manandanja indrindra kanefa tsinontsinoavina ao Iran, anisan'izany i Pasargades tanàndehibe naorin'ny Mpanjaka Cyrus, ilay Andrarezina...

16 Jona 2017