Kyrgyzstan: Vanintaonan'ny Fanambadiana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2007 ity adika eto ity)

Ny vanintaona mafana no fotoana tsara indrindra hanambadiana. Tsy miavaka amin'izany ny mpifankatia Kyrgyzstani ka noho izany, mitatitra an-tsary sy an-tsoratra momba ny fampakarambadin'ny naman'izy ireo ny bilaogera.

Nahita i Azamat fa misy ny fironana vaovao teo amin'ireo lehilahy namany:

Last Saturday marked the opening of the wedding season among my male friends (many female friends are already married), most of whom are in mid-20s. They all suddenly realized that it is time to get married.

Nanamarika ny vanim-potoanan'ny fanambadiana teo amin'ireo lehilahy namako ny Asabotsy teo (efa manambady ny ankamaroan'ny vehivavy namana). Eo amin'ny faha-25 taonany ny maro amin'izy ireo. Nahita tampoka izy rehetra fa fotoana hanambadiana izao.

Na izany aza, nanohitra ny faneren'ny namany i Azamat:

I am not getting married anytime soon. 🙂

Mbola tsy hanambady mihitsy aho ao anatin”ny fotoana haingana.

Maro amin'ireo lanonam-panambadiana ao amin'ny firenena be tendrombohitra no mitovy amin'ny Tandrefana tanteraka, anisan'izany ny natrehin'i Tamara vao haingana:

My friends got married yesterday, and the wedding was great. I didn't know that it is possible to organize such a ceremony in Kyrgyz conditions. The wedding took place in Kois Tash resort area, near the river, there were tennis courts and modern cottages.

Young couple had their registration next to the river, and the sound of violins made the whole picture even more romantic…

Nanambady omaly ny namako, ary nahafinaritra ny mariazy. Tsy fantatro fa azo atao kay ny mikarakara lanonana tahaka izao ao anatin'ny toe-piainana Kyrgyz. Notontosaina tao amin'ny toeram-piala-tsasatra Kois Tash, akaikin'ny renirano ny mariazy. Nisy tokontany filalaovana tennis sy zohy fialofana maoderina tao.

Nanatontosa ny voadin'izy ireo teo amoron-drenirano ireo mpifankatia ary nahatonga ny fotoana ho tantaram-pitiavana kokoa ny feon-dokanga…

Ny toetr'andro ihany no tsy azo resena ao Kyrgyzstan, hoy i Tamara:

Everything was great… except… it was raining, and cold.

Nahafinaritra ny zava-drehetra……ankoatra ny…….orana sy ny hatsiaka

Ny daty nosafidian'ny ankamaroan'ireo mpanambady vao dia ny 7 Jolay 2007, heverina fa mitondra vintana sy hafaliana ho an'ny mpifankatia.

Notabene (iray amin'ireo bilaogy Kloop ) nilaza hoe:

Today is 07/07/07. A lot of weddings. The central ZAGS [registration authority] had 63 just married couples, while the usual figure for a Saturday is around 40.

Androany 07/07/07. Betsaka ireo mariazy. Nandrakitra mpanambady vao miisa 63 ny foibe ZAGS [foibe fandraketana mariazy], raha eo amin'ny 40 ny tarehimarika mahazatra rehefa Asabotsy.

Elena Skochilo (LJ user morrire) naka sary mahafinaritra maromaro  tao amin'ny ZAGS mandritra ny andro iray, tahaka ity iray ity:

gv_wedding2.jpg

Hoy i Elena:

Some of them had to wait for three days, and some had to spend the night at the ZAGS to submit their application for the wedding. Some got married at that day easily. A pair of pigeon costs 200 soms, and it was a real mess and huge crowd in the bride-room! Most grooms were in light costumes, while one of the brides was in a red dress, which is unusual.

Tsy maintsy niandry telo andro ny sasany tamin'izy ireo, ary ny hafa tsy maintsy nandany ny alina tao amin'ny ZAGS mba hametrahana ny taratasy fangatahana hanao mariazy. Ny hafa kosa afaka nifanambady tsy nisy olana tamin'io andro io. Mitentina 200 soms ny voromailala roa, ary tena korontana sy vahoaka be dia be no tao amin'ny efitra fanambadiana. Nitafy akanjo ambony ambany maivana ny ankamaroan'ireo mpampakatra, ary ny ampakarina kosa niakanjo mena, izay tsy dia mahazatra.

Nisy ireo fanehoan-kevitra sasany momba ny ZAGS ihany. Ohatra:

le petit tank
What an awful ZAGS!

Morrire:
Our ZAGS is a really awful place to get married. Everything is in Soviet style, and at the entrance the poor couples can see nothing but ongoing construction and prostitutes!

le petit tank (tanky kely)
ZAGS mahatsiravina!

Morrire:
Toerana mahatsiravina hanaovana fanambadiana ny ZAGS ao aminay. Amin'ny endrika Sovietika ny rehetra, ary ao amin'ny fidirana, tsy mahita na inona na inona afa tsy toerana eo am-panamboarana sy mpivaro-tena ireo mpanambady vao mampalahelo!

Araka izany, toerana malaza hivorian'ireo mpivaro-tena ny ZAGS Bishkek?

Tao amin'ny Diesel forum, misy ihany koa ny resaka mariazy nitranga tamin'izany andro izany:

Ainura Chanybaeva, head of the ZAGS says that it is good to see that the number of interethnic marriages has been growing for the past couple years.

Nilaza i Ainura Chanybaeva, filohan'ny ZAGS fa mahafinaritra ny mahita fa nitombo tao anatin'ny roa taona ny isan'ny mariazy eo amin'ny foko samy hafa.

Ravva mamazivazy hoe:

Will it also bring luck if one gets a divorce on the this day?

Hitondra vintana ihany koa ve raha misara-panambadiana amin'izany andro izany?

Misaotra an'i Asel nanampy tamin'ny fandikanteny!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.