Goyana: Tondra-drano i Georgetown

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Aogositra 2007 ity adika amin'ny teny Malagasy eto ity)

georgetown flood

“Toeran'ny Klioban'ny Demerara Cricket no ao ambadik'ity rindrina ity- dobo midadasika mifefy ahitana herikerika..efa lasa farihy tanteraka izy ankehitriny,” hoy ilay mpisera Flickr Chennette, Trinidadiana monina ao Goyana, tamin'ny fanazavana ny sary etsy ambony :

I woke up this morning to find water up to my gate. It's all over town, many people on ground floors have water. It's not that high in some areas, like Queenstown for example, but I am not driving out there when I can't tell where the canals end and the road begins. Not to mention unknowingly stumbling upon feet rather than inches of water…It's not yet the floods of December 2004-January 2005, but I am thinking of that…

Nifoha aho io maraina io mba hijery rano eo amin'ny vavahady. Manerana ny tanàna rehetra izany, tratran'ny rano avokoa ny tranon'ireo olona marobe any ambany rihana. Tsy dia avo be loatra izany any amin'ny faritra sasany, tahaka an'i Queenstown ohatra, saingy tsy hitondra fiara aho handeha ho any satria tsy fantatro izay fiafaran'ny lakandrano sy ny fiandohan'ny arabe. Tsy lazaina intsony ny loza mety ho ateraky ny fandehanana an-tongotra… Tsy mitovy tamin'ny tondra-drano tamin'ny Desambra 2004-Janoary 2005 izany, saingy mieritreritra izany aho …

Io hariva io, nitatitra tamin'ny alalan'ny FlickrMail i Chennette fa “tsy nameno tanteraka ny tanàna ny rano, ary efa nihena izany tamin'ny faritra maro, saingy tsy nisy fiovana mihitsy kosa ny faritra Queenstown. Saingy manahy ny orana amin'ny alina aho. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.