Shina: Tantsaha Voaraoka Amin'ny Tany Voadaroka

Lahatsary nalefan'ny olona tsy nitonona anarana omaly tao amin'ny 56.com, tranonkala lehibe indrindra fizarana lahatsary ao Shina no mitondra ny lohateny hoe:

政府强制整地并殴打群众
群众呼声:开发商强行征地,政府支持,法律何在,天理何在??

Mampiasa Hery ny Governemanta Mba Handravonana Ny Tany sy Hidarohana Vahoaka
Niantsoantso ny vahoaka hoe: mampiasa hery ny mpandraharaha hakana ny tany, manohana azy ireo ny fitondram-panjakana. Aiza ny lalàna? Aiza ny rariny ??

Ahitana nono tsy misy taty miaraka amin'ny mariky ny fanafihana ny fiafaran'ny lahatsary.

Toa nitranga tao an-tanànan'i Zhangsheliangcai, Kaominina Shangdunbo, Tanàna Fuzhou, Faritanin'i Jiangxi sy tamin'ireo mponina tao amin'ny Vondro-Tanàna 2 ny daroka. Tsy ahitana tantara hafa momba ny fanafihana ny fikarohana ao amin'ny Google, saingy ny fikarohana lalina ao amin'ny Google dia ahitana fanambarana taloha tao amin'ny tranonkalan'ny governemanta Fuzhou izay milaza fa ambony noho ny tamin'ny taona 2002 ny isan'ireo tantsaha voaraoka tao amin'ny kaominina Shangdunbo tamin'ny taona 2001 izay nanao fitakiana voalohany tao amin'ny renivohim-paritany ary avy eo tao Beijing. Nanjary iray tamin'ireo “fari-pitantanana lehibe folo voalohany ao amin'ny faritany” ity tanàna kely ity, natao izany ezaka izany mba hamahàna ny “ady” ary noho izany, tsy nisy intsony ny fitakiana avy ao amin'ny Kaominina Shangdunbo.

Toa fifanandrifian-javatra, ny taona 2002 no nahitana olona nandefa lahatsary tao amin'ny 56.com ary nilaza fa tsy misy fiantraikany intsony ny hetsi-panoheran'izy ireo. Ny fanambaran'ny governemanta, izay toa notantanina tamin'izany fotoana izany tao amin'ny gazety Daily Fuzhou, dia mitondra ny datin'ny taona 2003. Ahitana valiny hafa (sy maro kokoa) ny fikarohana lalindalina ao amin'ny Google, izay tahirin-kevitra taloha avy amin'ny governemantan'ny Tanànan'i Fuzhou, Kaominina Shangdunbo, tamin'ny taona 2004, miantso ireo mpampiasa vola liana, satria voalaza fa tsy afaka nindrana na nanangona ny vola ilaina tamin'izany fotoana izany ny governemanta. Nomena niaraka tamin'izany ny anarana sy ny laharam-pifandraisana.

Ity ny ambin'ny lahatsoratra niaraka tamin'ny lahatsary:

简 介: 群众呼声:开发商强行征地,政府支持,法律何在,天理何在??
江西省抚州市临川区上顿渡镇章舍梁曹村第二村民小组。本组地处城郊,共有人口240余人;良田130亩。在2000年临川区行政大楼新建向本村征地80余亩,只付10%征地款,本次征地合同本是从2000年至2002年间有效,然而已经超期5年,合同已无效。其余征地款至今未付,导致本村良田断切水源,无法耕种,全面荒芜、损失惨重,在2007年,区政府又向本村征良田6亩建区间路,每亩征地价格10000元。再次造成本组良田荒芜,无法耕种。遭到本组社员强烈反对。接着,区政府在今年7月20日,早上8点半,带有150余人,在未得到本组法人代表签字的情况下,强行开工。本组找其理论,他们不但不听,抛之脑后,反而出言伤人,殴打百姓。其中有多名百姓受伤、损失惨重,民愤极大。现本组无一寸土地可耕作。造成本组240人生存困难。为了伸张正义,讨回公道,特此呼应各界人士给于大力支持我组民生。望相关政府部门履行职能!

Avy amin'ireo mponina ao amin'ny Vondron-Tanàna faha-2, Tanànan'i Zhangsheliangcai, Kaominin'i Shangdunbo, Tanàna Fuzhou, Faritany Jiangxi. Miorina manodidina ny tanàna ity tanin'ny vondrona ity ary ahitana mponina eo amin'ny 240 mahery fotsiny, miaraka amin'ny tany fambolena 130 mu (8,6 hekitara). Tamin'ny taona 2000, 80 mu  mahery tamin'ity tany ao an-tanàna ity no nalaina hanamboarana Tranobem-panjakana Distrika Linchuan. Ary 10 isanjato monja tamin'ny onitra nakàna ny tany no naloa taminay. Manan-kery manomboka ny taona 2000 hatramin'ny 2002 ny fifanekena tamin'ity fakàna tany ity. Dimy taona izay no nahalany andro azy, tsy manan-kery intsony ny fifanekena. Tsy mbola nalòa ny ambiny tamin'ny fanonerana ny fakàna ny tany hatramin'izao, notapahana ny loharano mamatsy rano ny tany fambolen'ny tantsaha. Tsy afaka mamboly, tsy namokatra intsony ny tany ary goavana mahatsiravina ny fatiantoka nahazo anay. Nanao fanoherana goavana ireo mponina tao an-tanàna. Avy eo, tamin'ny 8 maraina tamin'ny 20 Jolay 2007, nitondra olona 150 mahery ny governemantan'ny distrika, tsy nahazo fankatoavana avy amin'ny solontena ara-dalànan'ny Vondrona akory, nanomboka nanao fanorenana an-keriny tao izy ireo. Niezaka nitady marimaritra iraisana ny Vondrona, saingy tsy vitany hoe tsy nihaino fotsiny izy ireo, fa nanomboka nandrahona tamin-kerisetra olona, ary nidaroka azy ireo. Ka nisy ireo naratra marobe, sy niharan'ny ratra goavana ka nahatonga ny fahatezeran'ny mponina. Ankehitriny, tsy manana tany na dia iray dia aza ny vondrona hambolena. Nanano-sarotra ny fiveloman'ireo olona 240 tao amin'ny vondron'ny tanàna izany. Ao anatin'ny fanantenana hampiroborobo sy hitakiana ny rariny, miantso ireo olona malala-tanana rehetra izahay mba hanohana anay amin'ny fanatsarana ny fari-piainana ao amin'ity vondrona ity. Manantena izahay fa handray ny andraikiny ireo sampam-panjakana tompon'andraikitra!

Misy ihany koa tahadikan'ity lahatsary ity ivelan'ny aterineto raha sendra voafafa ao amin'ny 56.com izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.