Tantara tamin'ny Aogositra, 2016
Miaraka Amin'ny Tetikasa ‘Fitiavana Bebe Kokoa Eo Amin'ny Samy Isika’, Mifanohana Ireo Vevhivavy Ao Brezila
Mpanao gazety teraka tao Bahia, manana fisainana ny handroso no nanokatra tetikasa iray ety anaty tambajotra: toekarena miankina amin'ny fanomezana, ahitana fahasamihafana iray lehibe - Tena natokana ho an'ireo vehivavy irery izany vehivavy.
Na Tsy Nahazo Na Dia Medaly Iray Tamin'ny Lalao Olaimpika Aza, Manana Ireo Antony Mampirehareha Azy Ny Mponina Ao Nepal
"Na dia tsy afaka nanatsara ny zavabitany tany amin'ny fireneny aza izy, mirehareha aho fa nilomano ho voninahitr'i Nepal amin'ny maha-atleta tanora indrindra azy i #GaurikaSingh tao #Rio2016 "
Manakarama Mpamily Taxi Môtô Kodiaran-telo Ireo Peroviana Mpilalao Pokémon Go Mba Handrakotra Toerana Bebe Kokoa
"Any amin'ny lalana ivelan'ny afovoan-tanàna no ahitana ireo Pokémons vitsy indrindra, ka mamily fiara tsy mahazo varimbariana ny mpamily raha misambotra ireo Pokémons kosa ny mpilalao."
Ankalazaina Amin'ny Fampirantiana Kanto Ao Amin'ny Lapa Voalohany Ao Indonezia Ny Ady Ho An'ny Fahaleovantena
"Antenaina hampitombo sy hitazona ny fitiavana ary ny fireharehàna amin'ny nasionalisma ao an-tsain'ireo vahoaka Indoneziana, indrindra ireo tanora ito karazana fampirantiana ito."
Arahabao Ny Lalàmpanorenana Vaovaon'i Thailandy. Ary Arahabao Indray Ny Didy Miaramila Ao Thailandy
Miharihary fa ny lalàmpanorenana vaovao dia mampiroborobo ny fanjakazakan'ny miaramila, mandrahona hampijoro ara-dalàna kokoa ny kolontsain'ny sivana sy ny fanarahamaso ataon'ny fanjakana amin'ny haino aman-jery.
Te Hankalaza Ny Fetin'ny Bilaogy Ve Ianao? Ndao Ary Ho Any Paragoay!
Ny 31 Aogositra no ankalazaina ny fetin'ny bilaogy maneran-tany , ary mankalaza izany amin'ny fomba lehibe i Paragoay . Fantaro ny zavatra efa nomanin'ireo vondron'olona mpankafy bilaogy sy ny kolontsaina nomerika ao Asuncion .
Horohorontany Mahery Vaika Nandrava Tanàna Sy Namela Tsy Manan-kialofana Anjatonjatony Tao Amin'ny Lohasahan'i Colca, Però
Horohorontany iray mahery vaika nandrava tanàna maro tao amin'ny lohasahan'i Colca ao amin'ny faritr'i Arequipa ao Però. Mandraka ankehitriny, efatra no maty, anjatony ireo traboina.
Mitodika Any Amin'ny Governemanta Ireo Tantsaha Mpamokatra Siramamy Ao Filipina Miatrika ‘Taom-Pamokarana Maty’ Iray Hafa Indray
Mety ho henjana ho an'ny tantsaha ny toy izany satria mihoatra ny roa hetsy amin'ny mpiasan'ny famokarana siramamy miisa 385.000 be izao ary fantatra amin'ny anarana hoe "sakada" no nafindra toerana tany amin'ny Nosy Negros fotsiny.
Tsy Mba Nalaza Ny Tranonkalan'ny Fanisam-bahoaka Ao Aostralia Talohan'ny Fanafihana Azy Antserasera
Noesorin'ny Biraon'ny Antontan'iasa Aostraliana ny tranonkalany Census Night (Fanisam-bahoaka Alina) taorian'ny fanafihana antserasera DDos, ka nahatonga ahiahy momba ny fiainana manokana, ny fiarovana ary ny tsy fitononana anarana.
Fitaovana Nomerika Iray Vaovao Manampy Ireo Mpikatroka Ao Rio de Janeiro Manangom-Baovao Amin'ny Fihoaram-Pefy Nandritra Ny Lalao Olaimpika
Fitaovana iray vaovao manome fahafahana ireo mpikatroka sy fikambanana ifotony hiara-miasa hanangonana [votoatim-baovao] manana fifandraisana amin'ny tanjon'izy ireo ny CrowdVoice.by.