Miaraka Amin'ny Tetikasa ‘Fitiavana Bebe Kokoa Eo Amin'ny Samy Isika’, Mifanohana Ireo Vevhivavy Ao Brezila

Mais Amor Entre Nos

Sary avy amin'ny pejy Facebook Mais Amor Entre Nos

Tsy vahiny i Brazila amin'ireo fitaovana tsy ampiasana vola sy azo  raisina ho amin'ny fanampiana, saingy nasehon'ny firenena fa misy hatrany ny toerana ho an'ireo tena finiavana ara-tsosialy miaraka amin'ny fahatongavan'ny bankin'ny fotoana, taona vitsivitsy lasa izay, ary ankehitriny kosa fanentanana iray ifotony navadika ho vovonana Mais Amor Entre Nós.

Ny volana Martsa 2016, natombok'i Sueide Kintê , mpanao gazety teratany Bahia ilay tetikasa, izay midika Fitiavana Bebe Kokoa Eo Amin'ny Samy Isika, ho toy ny tenifototra to amin'ny Facebook ary mifantoka amin'ny fotokevitry ny  toekarena miankina amin'ny fanomezana ahitana fahasamihafana iray lehibe – Tena natokana ho an'ireo vehivavy irery izany.

Natomboka tao amin'ny ivontoerana ara-kolontsaina afro-Breziliana tao Brezila, tanànan'i Salvador, nitombo tao anatin'ny vondrom-piarahamonin'ireo vehivavy breziliana mainty hoditra, ny hevitra fifanampiana amin'ny alàlan'ny fanomezana ora iray amin'ny fotoanan'izy ireo. Manome tolotra isankarazany ireo mpikambana, toy ny fanampiana amin'ny famoahana lahatsary, ny zaitra, ny fikarakarana tokantrano, ny fahandroana sakafo avy amin'ireo zavamaniry, ary ny fifanakalozana hevitra momba ireo lohahevitra toy ny fanomezana lanja ny tena, ny politika, ny foko sy ny miralenta.

Tsy atao fotsiny hanangonana ny vehivavy rehetra akory io, fa ireo izay manerana an'i Brezila  ary ankehitriny maro firenena maro hafa.

Araka ny voalaza tao anaty lahatsoratra iray tamin'ny May 2016, tao anaty gazetiboky Breziliana TPM, mivantana sy tsotra ny fisainany tao ambadik'ilay fanapahankevitra (na dia sarotra aza ny antony izay voatsipika ao):

É só para as mulheres porque somos um sujeito mercantilizado. Se existe um grupo de pessoas dentro da sociedade brasileira que é mais vulnerável, é o de mulheres, principalmente as negras.

Ho an'ireo vehivavy irery ihany io satria izahay dia olona natao ho toy ny entam-barotra. Raha toa misy vondron'olona tena marefo ao anaty fiarahamonina Breziliana, dia ny vehivavy izay, indrindra indrindra vehivavy mainty hoditra.

Ny lahatsoratra Facebook etsy ambany, izay nampidirana ilay tenifototra, dia hafatra tsotra fotsiny fa nalefan'i Sueide tao amin'ny kaontiny manokana ; ampy nanombohana hetsika iray  manontolo io:

Se vc é mulher e precisa de ajuda em alguma das coisas listadas abaixo eu faço de GRAÇA pra vc menina! Estou disponível uma hora por dia. Me procure no zap ou inbox.
Posso ficar de babá do seu filho para vc fazer algo q precise, te ensinar a nadar, a andar de bicicleta, projetar seu site pessoal, fazer um release seu ou do seu trabalho, trançar seu cabelo, fazer seu dreadlock com agulha de croché, meditar com você, praticar hit dance contigo, cozinhar massas com molhos inusitados e deliciosos, escrever projetos culturais para captação de recursos, ajuda-la a tirar uma ideia do papel(sou boa nisso), ou, simplesmente só te ouvir.
Me pede inbox q te passo meu zap
‪#‎maisamorentrenos

Raha vehivavy ianao ary mila fanampiana amin'ny sasantsasany amin'ireo zavatra voalaza eo ambany ireo, ataoko ho anao maimaimpoana izany, ry zazavavy! Malalaka foana aho adiny iray isan'andro. Tadiavo ao anaty WhatsApp aho na [andefaso hafatra ao anaty] boatim-pifandraisako.
Afaka mikarakara ny zanakao aho mba hahafahanao manao zavatra izay tsy maintsy ataonao, afaka mampianatra lomano sy bisikileta anao aho, manokatra tranonkala ho anao manokana, manao filazàna an-gazety mikasika anao na ny asanao, mandrandrana ny volonao, manamboatra ny volonao ho misahondrahondra amin'ny alalan'ny fanjaitra fanaovana akanjobà, mandalina miaraka aminao, manao fampiharana ny dihinao miaraka aminao, mahandro paty misy fangaro matsiro sy tsy ampoizina, manoratra ireo fangatahana fanampiana ho an'ireo tetikasa ara-kolontsainao, manampy anao hametraka anaty taratasy ireo hevitrao (haiko tsara io), na hihaino anao fotsiny, .

Anontanio [ao amin'ny] boaty fandraisana aho dia alefako aminao ny WhatsApp-ko #morelovebetweenus

Araka ny voalazan'ny lahatsoratra, miankina tanteraka amin'ilay vondrom-piarahamonina ny karazana fanomezana hifanakalozana, izay efa tena miasa ao amin'ny Facebook ankehitriny raha mitaha amin'ny tambajotra ofisialin'ilay tetikasa. Ny sasany amin'ireo tolotra isanandro dia ahitana fikarakaràna manokana ho an'ireo vehivavy mitndra ny tsimokaretina Zika, eny fa na dia fanomezana torohevitra hiatrehana imasom-bahoaka ny firehana ara-nofo aza. Fanampin'izany, na ilay tranonkala na ny Facebook-n'ilay vondrom-piarahamonina dia samy manana toerana natao harotana ety anaty tambajotra, izay andrisihana  ireo mpikambana mba tsy hitahiry fotsiny any anaty vata sarihana any ka hanolotra maimaimpoana ireo entana tsy ilaina ho an'ireo mpikambana hafa.

Mais Amor Entre Nos 2

Pikantsary avy amin'ny Mais Amor Entre Nós

Miasa mba hamadihana ilay tambajotra ho fampiharana iray hampitomboana ny fifandraisan'ireo mpikambana sy hanatsaràna ny fanamoràna ny fandraisana anjara anatin'ilay tambajotra ihany, ry Sueide sy ny ekipany – olona 22 500 no nanjohy ny pejy Facebook ofisialy tao anatin'ny dimy volana monja. Miaraka amin'ny hevitra mafy fototra izay mitohy mahazo laka (na dia any ivelany aza), rindrambaiko iray andalam-pivoarana ary vahoaka liana, toa hita ho tototra amin'ny fandraisana anjara amin'ilay asa noforoniny ihany i Sueide, tsy misy valaka amin'ny olona iray manana hevitra tsara sy mampiasa izany. Soa ihany, ho azy, na dia izany aza, manana vehivavy 20.000 vonona sy maniry hanohana azy izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.