Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Horohorontany Mahery Vaika Nandrava Tanàna Sy Namela Tsy Manan-kialofana Anjatonjatony Tao Amin'ny Lohasahan'i Colca, Però

arequipa-sismo

Ireo trano ravan'ny horohorontany tao Arequipa. Sary navoakan'ny masoivohom-baovao ofisialim-panjakana peroviana teo amin'ny Twitter @Agencia_Andina.

Ny alin'ny Aahady 14 Aogositra teo, nampihovitra ny faritry ny tanànan'i Chivay, faritanin'i Caylloma, ao amin'ny faritr'i Arequipa, atsimon'i Però, ny horohorontany nanana maridrefy 5,2. Efatra no fantatra fa maty hatreto araka ireo tatitra voaray. Na izany aza, maro no mety voakasika. Mbola tsy nisy ny tarehimarika tena marina azo noho ny fahasarotana mankany amin'ireo olona mety ho voakasika.

Niharan'ny  hovitrovitra nifanesy efa ho 60 mahery, nanana hery samihafa nandritra ny ora maro taorian'ilay hovitra voalohany i Chivay, tanàna miorina ao  Valle del Colca, fiantsonana malaza ho an'ny fizahantany.

Horohorontany tao #Arequipa: hovitrovitra manana refy 3,4 tao Chivay https://t.co/8IMxKyVssP pic.twitter.com/yy2uniA8Vj

Tena akaiky an'i Maca, ny ivon’ilay horohorontany, tanàna iray izay efa niharan'ireo horohorontany tany aloha, eo anelanelan'ireo fikorisan'ny tany ara-jeolojika sy tany mamotaka no misy azy.

Tao Maca ny ivony, tanànan'ireo mpanao asatànana miorina eo ambonin'ny faritra isian'ny fikisahan'ny tany, izay mbola andalam-pikorisana sy tsy (nahavita) naka toerana nikisahana.

Araka ny voalazan'ireo tambajotra sosialy, tanàna hafa maro manodidina, toa an'i Yanque sy Ichupampa, no niharan'ny faharavàna ireo foto-drafitrasa tao aminy.

Efa hovitrovitra in-telo sahady ary mifandray amin'ny horohorontany tany amin'ny faritry ny lohasahan'i Colca no nisy tamin'ny faritra ivelany. Potika tanteraka i Yanque

Ny distrikan'i Yanque no tena voa mafy indrindra tamin'ny horohorontany tao Caylloma https://t.co/E96M6dtNni pic.twitter.com/8RW0ECCmSC

@VeroLinaresC Fiangonan'i Ichupampa Caylloma Arequipa

pic.twitter.com/VNT45gSdIX

Mila antsika i Ichupampa.
Trano 158 no rava
Maherin'ny 600 ireo traboina
Ambanin'ny 0 ny maripàna amin'ny alina.

Tapaka avokoa ireo làlana satria voabahan'ireo tany nihotsaka sy ireo vato ny ankamaroany.

SUTRAN: notaterin'ireo Inspektera ao amin'ny fivoahan-dàlana ao Arequipa fa nakatoka  ny lalana noho ny Chivay #Horohorontany pic.twitter.com/SirXAcMHRa

[Sary] Avy amin'ny #Arequipa #Chivay, tapaka noho ireo fihotsahan'ny tany taorian'ny #Horohorontany  5.2

Manomboka tonga any amin'ireo tanàna voakitika ireo fanampiana avy amin'ny fanjakana. Bolivia sy OEA ihany koa dia efa nanambara fa hanohana.

Fitaterana fanampiana noho ny maha-olona hanohanana ny @fapperu tratry ny #HorohorontanyChivay #Arequipa

#Horohorontany tao #Arequipa:  nalefa any Caylloma ireo trano azo aroina honenana avy hatrany

#Arequipa: Tafika mitam-piadiana haka ireo telo tena voa mafy tao amin'ny Distrikan'i #Yanque

Miresaka ireo trano rava manakaiky ny 350 ireo tatitra azo farany. Noho ny hamehana, natsahatra aloha ny fianarana tany amin'ny faritr'i Caylloma. Nandritra izany fotoana izany, nanambara ny orinasa misahana ny finday fa hisy ireo antso sy ireo HAFATRA maimaimpoana ho an'ireo mpampiasa monina any amin'ireo distrika voakasika.

Dika avy amin'ny lahatsoratra voalohany navoakan'i Juan Arellano tao amin'ny bilaogy Globalized ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.