Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ankalazaina Amin'ny Fampirantiana Kanto Ao Amin'ny Lapa Voalohany Ao Indonezia Ny Ady Ho An'ny Fahaleovantena

"Guerilla Preparation" (Persiapan Gerilya) by Dullah. Photo by Arpan Rachman

Fikarakaràna ny Ady anaty akata (Persiapan Gerilya) nataon'i Dullah. Sary avy tamin'i Arpan Rachman

Voalohany izao, ho fankalazàna ny faha-71 taonan'ny Andron'ny Fahaleovantenan'ny firenena, nataon'ny lapan'ny filohan'i Indonezia ho azo idiran'ny vahoaka ny ampahan'ny tahiriny goavana  amin'ny kanto.

Zanatanin'i Pays-bas sy Japoney fahiny i Indonezia.

Nanasongadina asa 28 avy tamin'ireo 20 mpanao kanto malaza ao amin'ny firenena, toa an'i Raden Saleh, Affandi, S. Sudjojono, Hendra Gunawan, Basoeki Abdullah, Dullah, Trubus Sudarsono, Sudjono Abdullah, Harijadi Sumaidjaja, Kartono Yudhokusumo, Henk Ngantung, ary Gambiranom, ilay fampirantiana kanto.

Nahazo ny lazany tamin'ny fanaovana an-tsary ireo fisehon'ny ady avy tamin'ny hetsika ho an'ny fahaleovantena ny sasany tamin'ireo mpanao hosodoko ireo.

Nanokatra ny fampirantiana kanto tao amin'ny Galeria Nasionaly ny Filoha Indoneziana Joko ‘Jokowi’ Widodot. Misokatra hatramin'ny faran'ny volana ilay fampirantiana.

Iray amin'ireo hosodoko ao amin'ny fampirantiana ny sarinà vehivavy misitery iray nataon'i Sukarno, filoha mpanorina an'i Indonezia.

Tsy fantatra ho an'ireo maro, hay mpanao hosodoko sy mpanangona kanto ihany koa ilay mpitarika mamintsika.

"Rini" made by President Soekarno-photo by Arpan Rachman

Rini nataon'ny Filoha Sukarno. Sary avy tamin'i Arpan Rachman

Fantatra tamin'ny hatsaran-tarehiny sy ny hafany momba ny ady ilay hosodoko mitondra ny lohateny hoe Fanomanana ny Ady anaty akata nataon'i Dullah (sary voalohany amin'ity lahatsoratra ity).

Tena mpiady anaty akata marina avy tany Gunungkidul, Yogyakarta ireo maodelin'i Dullah ao amin'ilay hosodoko.

"Warriors Headquarters in ex-Warehouse Rice of Tjikampek" (Markas Laskar di Bekas Gudang Beras Tjikampek) by Dullah. Photo by Arpan Rachman

Foiben'ireo Mpiady ao amin'ny Sompitra fitoeram-barin'i Tjikampek (Markas Laskar di Bekas Gudang Beras Tjikampek) nataon'i Dullah. Sary avy tamin'i Arpan Rachman

Hosodoko iray nasongadina tao amin'ny fampirantiana ihany koa ny hosodoko avy tamin'ilay Meksikana mpanao kanto, Diego Rivera.

Azon'i Sukarno avy any Meksika tamin'ny anaran'ny vahoaka Indoneziana ilay hosodoko, Ankizivavy Malay miaraka amin'ny Voninkazo.

"Malay Girl with Flower" (Gadis Melayu dengan Bunga) by Diego Rivera. Photo by Arpan Rachman

Ankizivavay Malay miaraka amin'ny Voninkazo (Gadis Melayu dengan Bunga) nataon'i Diego Rivera. Sary avy tamin'i Arpan Rachman

Tao anatin'ny andro iray monja tamin'ny taona 1947 no natao ilay hosodoko malazan'i S. Sudjojono nampitondraina ny lohateny hoe Kawan-kawan Revolusi (Namana tamin'ny Revolisiona), ho valinkafatra ho an'ny tsikeran'ny kanto izay tsy nino ny fahafahany ara-teknika hanao sary amin'ny endriny toy ny tena izy.

Kawan-kawan Revolusi (Revolution Comrades) was produced by S Sudjojono. Photo by Nurhayat Arif Permana

Maka sary eo anoloan'ilay hosodoko Kawan-kawan Revolusi (Namana tamin'ny Revolisiona) nataon'i S Sudjojono, ny mpanoratra. Sary avy tamin'i Nurhayat Arif Permana

Manantena ny hanindrahindra ny nasionalisma amin'ny alalan'ilay fampirantiana i Curators Mikke Susanto sy Rizki A Zaelani:

Farafaharatsiny, antenaina hampitombo sy hitazona ny fitiavana ary ny fireharehàna amin'ny nasionalisma ao an-tsain'ireo vahoaka Indoneziana, indrindra ireo tanora ito karazana fampirantiana ito.

Nitsidka ny @galerinasional_ #Jakarta, mba hankafy ireo tahirinà hosodoko tsara tarehy an'ny Lapan'ny Filoha. Vintana tsy fahita firy

Filaharana be ao amin'ny Galeria Nasionaly, tonga noho ny zavamisy nampitomboina sy ny pokemon ireto ankizy ireto

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.