Tsy nahazo na medaly iray aza tamin'ireo lalao Olaimpikan'i Rio (hatramin'ny 16 Aogositra nanoratana ny lahatsoratra) ireo atleta avy amin'ny fireneny, saingy mitsiky hatrany ireo vahoaka Nepaley na izany aza, noho ny media nanindrahindra ny hiram-pireneny sy ny zavabitan'ilay ankizivavy kely iray mpilomano na teo aza ny taonany.
Avy ao Népal ny atleta tanora indrindra tamin'ireo lalao Olaimpika tao Rio, Gaurika Singh, .13 taona sy 255 andro izy fony nandray anjara tamin'ny halavirana 100 metatra mitsilany, sokajy vehivavy.
Na dia tsy tafita ho amin'ny fihodinana farany sy nanamontsana ny zavabita tsara indrindra tany amin'ny fireneny aza izy – izay izy ihany no tompony – nandresy ireo mpifaninana roa hafa izy nandritra ny lalao fifanintsanana nandraisany anjara.
That's a good record: Nepal's #GaurikaSingh ‘became the youngest person ever to win a heat in the Olympic pool’ https://t.co/JtfIIX3X17
— Ujjwal Acharya (@UjjwalAcharya) August 8, 2016
Zavabita tsara izany: #GaurikaSingh avy any Nepal ‘no lasa ny tanora indrindra nandresy tamin'ny fifanintsanana tanaty dobo Olaimpika’
Altough, she couldn't improve her nat'l record, I am proud that #GaurikaSingh swam to glory for Nepal as youngest athlete in #Rio2016 🙂
— Ujjwal Acharya (@UjjwalAcharya) August 7, 2016
Na dia tsy afaka nanatsara ny zavabitany tany amin'ny fireneny aza izy, mirehareha aho fa nilomano ho voninahitr'i Nepal amin'ny maha-atleta tanora indrindra azy i #GaurikaSingh tao #Rio2016 🙂
Gaurika singh may have only won the heats; but it feels like she's already won a medal at the Olympics!
— Prasanna KC (@KC_Prasanna) August 7, 2016
Mety ho ireo fifanintsanana fotsiny no ho azon'i Gaurika, saingy tsapa ho toy ny efa nibata medaly iray sahady izy tamin'ireo lalao Olaimpika!
Manampy ny hafalian'ny mponina Nepaley ihany koa ny fanapahankevitry ny BBC hampiditra ny hiram-pireneny ho ao anaty lisitr’ireo hiram-pirenena mahatalanjona indrindra amin'ity lalao Olaimpika ity.
Rosia no lohalaharana ao amin'ny lisitra, arahin'i Myanmar sy Népal.
BBC listed nepal's national anthem in the top 10 most amazing national anthem of world in rio olympic 2016
— Siddhantha Kc (@KcSiddhantha) August 10, 2016
Natsofoky ny BBC ao anatin'ny lisitr'ireo hiram-pirenena 10 sangany mahatalanjona indrindra eran'izao tontolo izao tamin'ny lalao olaimpika 2016 tao rio, ny hiram-pirenen'i nepal.
“[Nepal's national anthem] is so happy it’s somewhat unsettling to learn it was the product of a Maoist revolution.” https://t.co/cwDPXVtawj
— Anup Kaphle (@AnupKaphle) August 10, 2016
“[Mahafaly ny hiram-pirenen'i Nepal fa somary manahirana ny mahafantatra hoe vokatry ny revolisiona Maoista izy io”. https://t.co/cwDPXVtawj
Nosoratan'ny Poeta Pradeep Rai, fantatra ihany koa amin'ny hoe Byakul Maila, ary narafitr'itompokolahy Amber Gurung, nambara ofisialy ho hirampirenen'i Nepal tamin'ny 3 Aogositra 2007 ilay hira.
Raha mbola tsy nahare an'io ianao, ity manaraka ity ilay hira mahafinaritra momba ny fanandratana ny firaisankina sy ny fiandrianan'i Nepal.
Ary inty ilay hirampirenena amin'ny dikanteny Anglisy nataon'i Sushma Joshi.
Hundreds of flower bouquets, we are one garland of Nepalis
Sovereign, spread from Mechi to Mahakali.
Nature’s treasures spread out, uncountable
The blood of heroes have made us independent, immovable.
The land of knowledge, land of peace— Tarai, Pahad, Himal
Indivisible, beloved, our motherland Nepal.
The grandeur of many ethnicity, language, faith, culture
Our progressive nation, long live, long live Nepal.Fehezam-boninkazo anjatony, isika no haingo mamirapiratra ho an'i Nepal,
Fiandrianana, mihanaka hatrany Mechi ka hatrany Mahakali.
Ireo haren'ny natiora miparitaka, tsy hita noanoa
Nahatonga antsika ho nahaleotena ny ràn'ireo mahery, tsy azo hozongozonina.
Ny tanin'ny fahalalàna, tanin'ny fandriampahalemana — Tarai, Pahad, Himal
Tsy azo zaraina, mamy, Népal tanindrazantsika.
Lehibe loatra ny fahambonian'ireo foko marobe, fiteny, finoana, ary kolontsaina
Ny firenentsika liam-pandrosoana, ho ela velona, ho ela velona i Népal.