Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ao Iràna, Ny Fombandrazana Norooz Mandingana Afo Mba Ho Tsara Vintana

By Philippe Giabbanelli. CC BY 3.0

Ny 21 Martsa, mankalaza ny Norooz (fomba Persiana ho an'ny Andro Vaovao/Taona Vaovao) ny olona manerana izao tontolo izao. Tsy andro iray fotsiny ny fetin'ny taombaovao, na izany aza. Roa herinandro io, hidiovana, hikarakaràna sakafo, fianakaviana ary fankalazàna.

Mandritra io fotoana io, maro amin'ireo Iraniana no maka fotoana tsy hiasàna. Handia ireo làlana eny an-tendrombohitra izy ireo ho any amin'ireo trano raitra any avaratry ny firenena. Hilasy any amin'ireo tanàna mafana ao atsimo izy ireo. Ho tratry ny fitohanan'ny fifamoivoizana, hitsidika havan-tiana, ary hihinana sakafo mafilotra. Ary hanomboka miaraka amin'ny fandinganana afo ireo rehetra ireo.

Tsy mitovy amin'ny tetiandro gregoriana, izay manamarika ny taombaovao ny 1 Janoary, ny tetiandro Iraniana fa miantomboka amin'ny fanombohan'ny lohataona any amin'ny ilabolantany avaratra. Ny hariva alohan'ny Alarobia farany amin'ny taona no mitranga ny Norooz, , fantatra amin'ny hoe Chaharshanbe Suri (چهارشنبه سوری) na Alarobia Mena. Mba ho fankalazàna izany, fombandrazan'ny olona ao Iràna ny manamboatra afondasy ary mandingana ny lelafo mazava toy ny afomanga.

Rehefa mandingana ny afo ireo mpifety dia miteny hoe:

زردی من از تو ک سرخي تو از من

Esory ny mavoko, omeo ahy ny menanao.

Mety hazava tsara kokoa hoe “esory amiko ny fahalemeko ary omeo ahy ny herinao”. Maneho faniriana mba hanambe amin'ny taona vaovao io.

Nizara fanambantambarana sarin'ny fankalazàna Chaharshanbe Suri ny mpampiasa Instagram mojtabadorbidi, mialoha ilay fialantsasatra:

Raha toa ny kaonty Instagram Iraniana no ho an'ny VitaeneC, zava-pisotro iray misy Vitamina C, kosa nizara lahatsary iray hafahafa:

Sarimihetsika, hira ary dihy

Tokony ho iray volana mialoha ny taombaovao, mampiantrano ny Fajr Film Festival isantaona i Iràna. Matetika miafara amin'ny fandehfasana sarimihetsika manerana ny firenena ireo sarimihetsika asongadina amin'ilay fetibe. Tehran Bureau, mpampahalala vaovao iray mifantoka amin'i Iràna ary ampiantranoin'ny The Guardian dia namoaka lahatsoratra iray fanolorana ireo sarimihetsika izay holalaovina mandritra ny Norooz. Manoratra ny mpanoratra fa:

Inona no sarimihetsika tena hahomby indrindra ao amin'ny Nowruz manerana ny firenena? Ho lazaiko hoe ny Bodyguard, sy ny Life Without Parole. Hampiseho Iràna roa samihafa mihintsy ny fafàna volafotsy – nefa samy namela marika lalina avokoa.

Ny Bodyguard mandinika ny fiainan'ny lehilahy iray izay miaro mpanao politika avo lenta sy ny fifanandrinany amin'ny fotokevitry ny lafatra (idealisma), raha toa ny Life Without Parole kosa manaraka ny tantara mampitaintainan'ny fianakaviana iray miomana hisaraka amin'ny anabaviny, vokatry ny vady amboarina.

Hitondra ny tantaran'i Heydar Zabihi, ilay Bodyguard ho eny an-tsehatra Iraniana ny   i Ebrahim Hatamikiya amin'ity #Nowruz ity  #Iranfilm

Eny anaty fahitalavitra, maro ireo mizara ny lahatsarin-kira nampiakarina tamin'ny 3 Martsa an'ny mpihira Amerikana LaToya Jackson – anabavin'itompokolahy Michael Jackson – sy Andy, Iraniana iray mpihira malaza izay monina ao Etazonia. Samy mihira amin'ny fiteny Persiana izy ireo mikasika ny alahelony an'i Tehran:

Lahatsary iray hafa nozaraina ny rakitra iray vaovao an'ilay Iraniana mpiangaly mozika, Moslem Rasouli, nitondra ny lohateny hoe “Nowruz 95″ ary navoaka tamin'ny pejy Facebook an'ny vohikala an-kira Radio Gramaphone. Manasongadina sarin'ireo gadon-tongotry ny olona rehefa mandihy manaraka ny feonkirany io, fidoboky ny hira mavesatra. Azo jerena ao amin'ny YouTube ihany koa ny lahatsary:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.