Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Maneso ny Fampirafesan'i Mark Zuckerberg Amin'i Shina Ireo Mpiserasera

Meme of Zuckerberg jogging in Beijing spread on Facebook. Via OpenStudioHK.

Sary manàla azy an'i Zuckerberg mihazakazaka ao Beijing mihanaka any anaty Facebook. Avy amin'ny OpenStudioHK.

Na tsy manampaharoa aza ny fientanentànana sy ny toe-tsaina tsara ananan'i Mark Zuckerberg, mpamorona ny Facebook manoloana an'i Shina, na fandohalihana fotsiny amin'ilay tsena lehibe indrindran'ny aterineto eran'izao tontolo izao, mitombo miha-maro ireo mpisera amin'ny aterineto very faharetana amin'ny toetra asehony miteraka kiana betsaka manoloana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Beijing.

Mitombo hatrany hatrany, maneho ny hatezerany any anaty pejy Facebook-n'i Zuckerberg ireo mpiserasera

Ny 18 Martsa teo, nampiakatra sary iray teo anoloan'ny Tanàna Voaràra ao Beiijing i Zuckerberg sady nilaza hoe:

Mahafinaritra ny miverina eto Beijing! Natomboko tamin'ny hazakazaka mankany an-kianjan'i Tiananmen ny fitsidihako, mandalo ny Tanàna Voaràra ary avy eo, ny Tempolin'ny Lanitra.

Potak'izay, niavosa ireo tsikera maneso.

Iray amin'ireo tsikera tena malaza ny avy amin'i Joshua Wong, ilay mpianatra mpikatroka mafana fo fanta-daza ao Hong Kong, izay nametra-panontaniana hoe:

Ahoana no fomba hampanarahana ny Facebook-nao amin'ny zavamisy ao Shina?

Nosakanana ny Facebook tao Shina nanomboka hatramin'ny taona 2009 ary nandritra ny roa herinandro nanaovana ny fivorian'ny parlemantan'i Beijing, nanomboka ny 5 Martsa hatramin'ny 16 Martsa tamin'ity taona ity, ary voasembantsembana ireo tambajotra manokana virtoaly lehibe izay manampy amin'ny fahazoana vontoaty tsy voasivana ivelan'ilay ‘Rindrina Aroafo-‘ n'i Shina.

Ankoatr'izay, any amin'ireo faritra saropady toa an'i Xinjiang, ireo olona mampiasa whatsApp sy VPNs dia naato ny asa amin'ny findainy raha toa ka naharaisana filazàna tany amin'ny mpitandro filaminana. Araka izany, miavaka ny fahalalahana sitrahan'i Mark Zuckerberg ao Shina.

Wong Yeung-tat, mpitarika ny vondrona politika Civic Passion ao Hong Kong, dia nametraka fanontaniana hafa mba hampatsiahivana an'i Zuckerberg ny famoretana tanaty rà nandriaka ny hetsika demokratikan'ny mpianatra tao an-kianjan'i Tiananmen ny taona 1989:
.

Hitanao ve ilay fiara mifono vy?

Nanampy antsipirihany betsaka mikasika io tranga manan-tantara io i Cao Yuzhou:

Feno ràn'ireo mpianatra niady ho amin'ny demokrasia ny tany nodiavinao. Saingy, ankafizo ny hazakazakao eto Shina, Mark.

Noho ny kianjan'i Tiananmen lasa toerana saropady ara-politika, ireo fihetsiketsehana mahery tampoka na fihetsiketsehana vondrona tsy nahazoana alalana mialoha tamin'ny governemanta dia voarara avokoa.

Nampatsiahy an'io an'i Zuckerberg i Qingye Jiang:

Mark, 6 no fitambaran'ny isan'ny olonanao ao anatin'ny tarika mpihazakazaka. Efa nahazo ny fahazoandalana mihazakazaka teny an-dalambe ve ianao? Raha tsia, tsy ara-dalàna izany eto Shina. Azafady, hajao ny lalàna eo an-toerana rehefa any amin'ny firenena hafa ianao.

Niahiahy mikasika ny fahasalamany ireo olona tsy dia miraika loatra amin'ny politika  sahala satria nahatratra ny fatra mampididoza ny kalitaon'ny rivotra tamin'ny Zoma.

Michael Wester avy amin'ny The Beijinger, bilaogy iray miresaka ny fomba fiaina, naneso ny fitiavan'i Zuckerberg an'i Shina:

Hatraiza no mety halehanao mba hanomezanao fahafaham-po an'i Shina?
Ahoana ny mikasika ny fihazakazahana manerana ny kianjan'i Tiananmen tsy manao saron-tava amin'ilay maraina mampatevina ny rivotra ho toy ny lasopy marihitry nypitipoà iny, amin'ny tondro AQI 337? […] Raha tsy tratran'ny sakana ao Shina amin'io ny Facebook, tsy hisy n'inon'inona ho voasakana.

Niely haingana dia haingana manerana ny faribolan'ny Facebook tao Hong Kong ireo sary manàla azy mitovy amin'i Zuckerberg mihazakazaka, tany amin'ireo vovonana media sosialy tsy voabahana.

Mikasika ny zavona ity iray ity:

Image from Open Studio Hong Kong's Facebook.

Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny  Open Studio Hong kong.

Tsy sambany izao no  noesoesoin'ireo mpiserasera i Zuckerberg.

Rehefa nitsidika biraon'ny Facebook tany  Silicon Valley i Lu Wei Tsar-n'ny Aterineton'i Shina, tamin'ny volana Desambra 2014, azo sary niaraka tamin'ny bokin'ny filoham-pirenena Sinoa Xi Jinping ‘Ny Fitantànana an'i Shina’  teo ambony latabany i Zuckerberg.

Ireo tambajotra sinoa no nitatitra fa nividy dika mitovy maromaro tamin'ilay boky izy ho an'ireo mpiara-miasa aminy mba hahatakaran'izy ireo ny sosialisma amin'ny endriny Shinoa. Taty aoriana, naseho tamin'ny alalan'ireo sary manàla azy mitovy aminy tao anaty aterineto ho sahala amin'ny Red Guard i Zuckerberg – mpiady ara-ideolojika avy amin'ny Revolisiona Ara-kolotsaina nalaza ratsy tao Shina – nitazona ny bokin'i Xi Jimping.

Ary ny volana Oktobra lasa teo, tsy nisy antra mihintsy ny fanalàm-baraka azy tamin'ny fangahatahana an'i Xi Jinping hanome anarana ny zanany vavikely mbola tany am-bohoka, tolotra tonga dia nolavin'i Xi avy hatrany.

@Tibetans Fitiavana re izany e! . Nandà ny hanampy hanome anarana ny zanaka mbola tsy terak'i Mark Zuckerberg i Xi Jinping http://t.co/XGZyXJJMcK pic.twitter.com/o0P1AXLXRu

Handray anjara amin'ny Fivoriana Fampandrosoana an'i Shina i Zuckerberg amin'ity taona ity, izay tsy hisalasalana fa hitohy hisarika ny sain'izao tontolo izao ny fikaotikaotiany fanta-bahoaka an'i Xi.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.