Sary 11 Tsy Hay Adinoina Amin'ny Taombaovao Persiana Ahitana Trondro Volamena sy Labozia Miendrika Gisa

newyearpersian

Saripika: Sophia Shah / Instagram

Tsy mahita tory ve ianao amin'ny alina, mivadibadika sy manontany tena momba ny seho tsara indrindra avy amin'ity Taombaovao persianin'ity taona ity (“Norooz” na “Nowruz”)? Raha eny dia tsara vintana ianao tonga eto amin'ity lahatsoratra ity. Rehefa avy nisikotra tany amin'ny tranonkala isankarazany tany dia atolotry ny Global Voices ho anao ny sary maromaro tsara indrindra momba ny Taombaovao Persiana izay malaza amin'ny Aterineto.

Ireo mpankalaza Norooz  dia manao rantin-javatra maromaro izay antsoina hoe Seho-fito (S fito), manoritsoritra zavatra na lohahevitra fito manana anarana miatomboka amin'ny litera “S”. (Ny fandikana izany lohahevitra izany amin'ny teny malagasy na teny hafa no manamaizina ny heviny)

Ireto avy ireo lohahevitra azo ampidirina amin'ny Seho-fito, araka ny lazain'ny My Persian Kitchen :

1. Somagh (sumac), which symbolizes the color of sunrise
2. Serkeh (vinegar), which symbolizes age and patience
3. Senjed (dried fruit from the lotus tree), which symbolizes love
4. Samanoo (sweet pudding), which symbolizes affluence
5. Sabzeh (sprouts), which symbolizes rebirth
6. Sib (apple), which symbolizes health and beauty
7. Sir (garlic), which symbolizes medicine

Additional items that begin with the letter “s” that are commonly seen on the Sofreh are:

Sekkeh (coin), which symbolizes wealth and prosperity
Sonbol (hyacinth), which a spring spring flower

Other items included are:

Mahi (fish), which symbolizes life
Tokhmeh Morgh (egg), which symbolizes fertility
Sham (candle), which symbolizes enlightenment
Shirini (sweets), which symbolizes spreading the sweetness
A book of poetry or prayer

1. Somagh (siomaka=episy miloko mena), izay maneho ny fiposahan'ny masoandro
2. Serkeh (vinaingitra), izay maneho ny taona sy ny faharetana
3. Senjed (voankazo maina avy amin'ny hazo lota), izay maneho fitiavana
4. Samanoo (karazana mofomamy), izay maneho ny harena
5. Sabzeh (laisoa), izay maneho ny fahaterahana indray
6. Sib (paoma), izay maneho ny fahasalamana sy ny hatsarana
7. Sir (tongologasy), izay maneho ny fitsaboana

Misy teny hafa miatomboka amin'ny litera “s” ihany koa hita ao amin'ny Sofreh toy:

Sekkeh (vola), izay maneho ny harena sy ny vintana
Sonbol (hyakinta), izay voninkazo mamelana lohataona
Ireo lohahevitra hafa tafiditra amin'izany:

Mahi (trondro), izay maneho ny aina
Tokhmeh Morgh (atody), izay maneho ny fahavokaram-piterahana
Sham (labozia), izay maneho ny fahazavana
Shirini (vatomamy), izay maneho ny hamamiana
Boky tononkalo na vavaka

Ilay tranonkala dia manana sary maro tsara tarehy ihany koa. Jereo ato.

Ny Seho-fito 11 nahazo ny tampony indrindra ho anay

Ny tsy fisian'ny Seho-fito sy ny tsy fankalazana ny Norooz dia heno mafy dia mafy tahaka ny fisiany. Ny olona lavitry ny fianakaviany sy ny namany—lavitry ny tanindrazany sy ny fomba amam-panaony—dia mahatsapa fa misy zavatra tsy ampy. Manembona izany rehetra izany izy ireo matetika, mahafantatra fa mihodina eo anoloany izao tontolo izao. Ilay mpaka sary Davood Mousavi, izay mipetraka ivelan'i Iran, no maneho fihetseham-po amin'ilay sariny anoloan'ny Seho-fito foana. Tamin'ity taona ity nandritra ny Norooz, dia nanirery izy niaraka tamin'ny akondro iray sy ny solosaina  ary ny labozia iray.

© Davood Mousavi. Used by permission .

Saripika: Davood Mousavi. Nahazoana alalana.

Nanoratra tao amin'ny Facebook:i Mousavi:

Its not a good feeling to be alone and very far far away from everything and everyone!
‪#‎Norooz‬ in ‪#‎exile‬!

Tsy tsara ny mahatsiaro ho manirery sady lavitry ny zava-drehetra sy ny olon-drehetra! #‎Norooz‬ an-tsesitany!

2. Tsy ireo Iranianina rehetra ampielezana no mankalaza Norooz tsy ampy Seho-fito. Shervin Nekuee, mpanangon-dahatsoratra ao amin'ny Writers Unlimited mpanomana ny Winternachten Festival [Fetiben'ny (literatiora) Alin-dririnina] ao La Haye, no mizara ity sary nalain'i Balout Khazraei, mpakasary ity ao amin'ny horiran-tava LinkedIn. Hita ao amin'izany ny ankizy mihazona ireo zavatry ny nentim-paharazana . Ary tsy eo ny zavatra fahafito.
.

Haft-seen photographed by Balout Khazraei. Used by permission.

Seho-fito nalain'i Balout Khazraei sary. Nahazoana alalana.

3. Raiki-pitia amin'ity Seho-fito avy amin'ny mpanao haibika UX sy ny artista Sara Emami izay mivelatra amin'ny fomba mihaja eo amin'ilay karipetra persiana tsara tarehy izahay. Jereo ireo atody manga vita Delft

💛💛💛🐤🐤🐤🍎🍎🍎🌼🌼🌼

A photo posted by S A R A E M A M I (@saraemamii) on

4. Eto amin'ny sary manaraka, ilay zazavavikely sy ny rainy miala voly kely. Manana labozia miendrika gisa. Miendrika gisa hoy izahay hoe? Eny.

TAVALODET EYDE SHOMA MOBARAK! Nowruz Piruz! Finally Spring arrived and a new year! Have a good one!

A photo posted by Sophia Shah (@shahsophia) on

Sary navoakan'i Sophia Shah (@shahsophia) ny 20 Martsa 2016 tamin'ny 7:34 maraina PDT

5. Hooman Askary, mpanao gazety maneho sary nalainy tamin'ny ranty Seho-fito tamin'ny taona 2008. Ary nopihana teo amin'ny Fasan'i Ferdowsi ao Iran izany.

‌ای همه کسانی که دلم با شماست، هرجای دنیا که هستین سال خیلی خوبی رو براتون آرزو می‌کنم، امیدوارم خیلی زود یک جایی، یک روزی، دیدار‌ها تازه بشه. حسابی مواظب خودتون باشین و بدونین گرچه خیلی هاتون از دیده رفته‌اید اما از دل هرگز نه! #نوروز #سال_نو For those in my heart, wherever you are in this world, I wish you a very good #Persian_New_Year, I hope we shall meet again very soon somewhere. Take very good care of yourselves and remember although you are out of sight, you shall never be out my mind and heart! #Norooz #New_Year #Persian —- این عکس رو نوروز ۱۳۸۷ در آرامگاه فردوسی گرفته بودم

 

Ho anareo rehetra ato ampoko, na aiza na aiza toerana misy anareo, dia mirary anareo hanao taombaovao persiana sambatra aho, manantena aho, mbola hihaona isika tsy ho ela any ho any. Mitandrema tsara ary tadidio fa na dia tsy mifankahita aza isika, dia ato am-poko sy an-tsaiko foana ianareo! Taombaovao Persiana

Sary: Hooman Askary – هومن عسكرى (@hoomanaj) ny 20 martsa 2016 tamin'ny 1:05 atoandro

6. Ny Tehran Bureau, fikambanana iray tsy miankina mpamoaka vaovao, ampiatranoan'ny the Guardian, nahita ity Seho-fito manaraka ity tao Parisy:

Iray amin'ny seho-fito tiako sady hafa indrindra. #paris 2012. #nowruz #Iran

7. Ilay mpampiasa Instagram antsoina hoe Farnaz Galbrun nizara ity sariny kanto avy amin'ny Seho-fitony ity.

8.  Aza anontaniana izahay ny antony hitiavanay ilay sary nalefan'ny mpampiasa Instagram  Ahsan Rasoli. Miharihary io.

9. Milaza tena ho “tia fitaovam-pihinanana taloha tafahoatra” i Atena Firouzi. Namoaka ny sarin'ity Seho-fitony mahagaga ity izy.

10. Mahsa Alimardani, mpanoratra ato amin'ny Global Voices, nizara ny Seho-fitony mametraka ny bokin'i Marjane Satrapi mitondra ny lohateny hoe Persepolis eo amin'ny toeram-boninahitra.

Haft-Seen by Mahsa Alimardani. Used by permission.

Seho-fito an'i Mahsa Alimardani. Nahazoana alalana.

11. Mety ho fotoana tsy hay adinoina ny niaina ny fetin'ny Norooz any Iran. Maro amin'ireo mpianatra maintimolalin'ny Sekoly Amerikana ao Tehran no mitana hatrany ny kolontsaina Iraniana. Marina fa na dia maro amin'izy ireo aza no tsy manana fihaviana Persiana dia mahita lalana hanamarihana ny fetin'ny Norooz ireny mpianatra ireny ary mandray anjara amin'ny fiaraha-monina Persiana any amin'ny toerana misy azy ireo. I Barbara Gilliland Harrison izao dia ohatra iray. Nampiseho manokana ity sary niainany voalohany ny Seho-fito ity izy hahatafiditra azy ato amin'ny Global Voices .

First Haft-Seen. Photo by Tehran-American School alumna Barbara Gilliland Harrison. Used by permission.

Seho-fito voalohany. Sarin'ny maintimolalin'ny sekoly amerikana ao Tehran Barbara Gilliland Harrison. Nahazoana alalana.

Tsy misy antony manokana tokony hamaranana ilay lisitra ho 11 isa. Mbola maro ny sary tsara tarehy any, izay tsara ho hita. Raha manana ny ankafizinao ianao, dia mba ampafantaro anay!

Fiarahabana Norooz

Betsaka no nizara ny horonantsary misy an'ilay Praiminisitra Kanadianina  Justin Trudeau sy i Barack Obama (Nahay nanonona tsara ny litera R izy ireo) tamin'ity taona ity

Toe-javatra mampalahelo kokoa, namoaka ny firariantsoa Norooz ao amin'ny Facebook ilay mpitendry mozika ankafizina Mohammad Reza Shahjarian. Tao izy niresaka ny adiny maharitra amin'ny homamiadana, mitantara ny fiantraikan'ny aretina tamin'ny fiainany. Namarana ny lahatsary tamin'ny hafatra feno fanantenana izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.