Tantara tamin'ny 05 Jolay 2014
Polisy Roa Namoy Ny Ainy Noho Ny Tsy Fandraisana Andraikitry Ny Governemanta
Araka ny filazan'ny mpiserasera, mety ho voasoroka ihany ireo fipoahana tao amin'ny distrikan'i Héliopolis, tanàna ao Kairo renivohitra, raha tena niady tamin'ny fampihorohorona ny polisy fa tsy nifantoka tamin'ny fisamborana sy ny fampidirana mpikatroka am-ponja .
Any Tonizia, Hifidy Sa Tsia No fanontaniana
Satria efa manakaiky ny fifidianana ao Tonizia, adihevitr'ireo mpisera amin'ny aterineto ny hoe mendrika handrotsaka ny vatony ve ry zareo amin'ireo fifidianana solombavambahoaka sy izay ho filoham-pirenena hatao ato ho ato.
Tolona Hisian'ny Fahalalahana Ety Anaty Aterineto Ao Meksika

Manohy ny fanoherany ny lalàna momba ny fifandraisan-davitra midadasika ao amin'ny fireneny ny vahoaka Meksikana, lalàna izay mety manohintohina ny fahalalahana haneho hevitra , fiainana manokana ary ireo zo fototra ety anaty aterineto.
Mifaly I Costa Rica Satria Sambany Tafakatra Ampahaefa-dalana Amin'ny Mondialy Ny Ekipam-pireneny
Nifaly havanja ny firenena Kosta Rikà taorian'ny fandresen'ny ekipam-pirenena ny Gresy tamin'ny penalty 5-3.
Nosamborina i Takrooz, Bilaogera Bahrainita Mpanaraby
Nosamborina ilay Bahrainita bilaogera mpanaraby, Takrooz izay voampanga ho "nitarika fankahalana ny fitondrana." Miaka-peo ny mpiserasera ary milaza fa izy ireo no Takrooz manaraka.
Manampy Ny Olona Hianatra — Na Koa Hiaro—Ny Teny Manerantany Ny Teknolojia

Misy ireo mpisaina lasa aloha miankina amin'ny herin'ny teknolojia mba hanavotra ny teny tsy hanjavona, na hamelona indray, tranga tena vitsy dia vitsy, teny iray efa nanjavona.
GV Face: Fitsapa-kevi-bahoaka Mikasika Ny Zo Hifidy Karakarain'Olo-tsotra Ao Hong Kong

Fantaro ny fizotry ny fitsapa-kevi-bahoaka nokarakarain'ny olom-pirenena tao Hong Kong, miresaka amintsika momba izany amin'ity fandaharana GV Face ity i Oiwan Lam, mpanitsy lahatsoratra ao amin'ny Global Voices Shina.
Leo Ny Fahasahiranana Ara-toekarena Ao Amin'ny Fireneny, Manomboka Ny Hetsika Fibodoany Ry Zareo Ghaneana
Izao no mitranga taorian'ireo onjan-katezerana nanoherana ny governemanta noho ilay fampihenan-danja ny "cedi" sy ny tsy fahampian'ny solika nitarika filaharana be teny amin'ireo tobin-tsolika