
Nifaly tao amoron-dranomasina Tamarindo ireo Kosta Rikàna taorian'ny fandresen'ny ekipam-pireneny an'i Gresy nandritra ny Mondialy FIFA 2014 tao Brezil. Sary avy amin'i Thornton Cohen. Zon'ny mpamorona Demotix (June 29, 2014).
Sambany tafakatra ampahaefa-dalana ny ekipam-pirenen'i Kosta Rikà amin'ny Mondialy FIFA 2014 ao Brezila rehefa nanamontsana ny ekipa Gresy tamin'ny isa 5-3 tamin'ny fanalavam-potoana nandritra ny tifitra penalty taorian'ny lalao ady sahala 1-1.
Teo amin'ny minitra faha-52 tamin'ny lalao Alahady teo, nanamarika isa iray i Kosta Rikà tamin'ny baolina nampidirin'i Bryan Ruiz rehefa nodakan'i Joel Campbell sy Christian Bolaños teny aminy ny baolina . Nivadika nahafinaritra avokoa ny rehetra hoan'ny “ticos”, araka ny anarana mahazatra ahafantarana an'i Kosta Rika, na dia teo aza ny fahadisoan'i Óscar Duarte tamin'i Lazaros Christodoulopoulos teo afovoan'ny kianja izay nahazoany karatra mavo fanindroany, ary nahavoaraoka azy teo ambonin'ny kianja.
Nampiditra baolina hoan'i Gresy kosa i Sokratis Papastathopoulos teo amin'ny minitra faha-91 izay nahatonga ny lalao ho ady sahala, ka voatery nilalao tamin'ny fanalavam-potoana 30 minitra fanampiny ny ekipa roa tonta. Olo-maherin'ny tifitifitra ny mpiandry tsatobin'i Kosta Rika, Keylor Navas, nahazo ny baolina nodakan'i Fanis Gekas ary nahatonga ny ekipany tafiditra tamin'ny dingana manaraka.
Nipoaka manerana an'i Kosta Rikà ny fankalazana, araka ny fanamarihana [es] avy amin'ny habaka El blog de mi fútbol ecuatoriano (Ny bilaogin'ny baolina kitrako Ekoateriana):
En la céntrica Plaza de la Democracia, convertida en la versión local del “fanfest” del Mundial, el estallido de júbilo fue unánime, con saltos de alegría, danzas improvisadas y abrazos al primer desconocido que aparecía por delante.
[…]
Pese a la algarabía, el mandatario descartó declarar asueto entre los empleados públicos el lunes.
Tao amin'ny kianja foiben'ny demaokrasia, izay nanjary toerana hoan'ny Mondialy “fanfest”, mitovy avokoa ny fanehoan-kafaliana, ahitana ireo olona mitsambikimbikina am-pifaliana, dihy sy oroka tampotampoka amin'ny vahiny sendra nandalo.
[…]
Na dia eo aza ny fifaliana, nolavin'ny filoha ny tolo-kevitra hanaovana ny andro Alatsinainy ho andro tsy fiasana hoan'ireo mpiasam-panjakana.
Filohan'i Kosta Rikà, Luis Guillermo nisioka hoe:
¡Esto es historia! #CRC Un pueblo celebra por ustedes muchachos. ¡Grande Sele! #Brasil2014 pic.twitter.com/SswfgMv9Ia
— Luis Guillermo Solís (@luisguillermosr) junio 30, 2014
Tantara ity! #CRC Mankalaza ho anareo ry zalahy ny firenena manontolo. Ekipam-pirenena mahatalanjona!
Niditra Twitter ireo mpankafy Kosta Rika mba hanamarika ity zava-bita manatantara nataon'ny ekipam-pireneny ity, natomboka tamin'ilay mpiandry harato Keylor Navas:
Esta parada es para Dios,mi familia,mis compañeros,para toda Costa Rica. Viva la sele y Costa Rica!!! pic.twitter.com/55IkL4tgQQ
— Keylor Navas (@NavasKeylor) junio 30, 2014
Hoan'Andriamanitra, ny fianakaviako, ny ekipa miaraka amiko, hoan'i Kosta Rikà manontolo iny baolina azon'ny mpiandry tsatoby iny. Ho ela velona ny ekipam-pirenena sy i Kosta Rikà!
@someecardES nanome fampitandremana hoan'i Holandy:
Holanda: la siguiente víctima de Costa Rica.
— Señor Sarcasmo (@someecardES) junio 30, 2014
Holandy: lasibatr'i Kosta Rika manaraka.
Ny sasany kosa nisioka ireo sary nandritra ny fankalazana:
Costa Rica ayer foto por @alvaradofoto #CRC #Mundial2014 pic.twitter.com/NtsBzEY3Sy — Juan Carlos Agüero (@juankaguerom) junio 30, 2014
Kosta Rikà omaly, (Alahady 29 Jiona) sary avy amin'i @alvaradofoto.
#CR vivió una locura sin precedentes tras histórica clasificación a cuartos de final (VIDEOS): http://t.co/JxWBeJohAt pic.twitter.com/CAbrnNAg8B
— Everardo Herrera (@alpiedeldeporte) junio 30, 2014
Niaina hadalana tsy nisy toy izany i #CR taorian'ny fahombiazana manatantara amin'ny ampahaefa-dalana (LAHATSARY).
Ny sasany kosa niarahaba ny ekipa ary matoky azy ireo amin'ny lalao manaraka:
IMPACTANTE imagen de un equipo levantándose para ganar. COSTA RICA deja huellas en la historia http://t.co/FBlXlhXGSa pic.twitter.com/JLsoT7UoO5
— José Ramón Fernández (@joserra_espn) junio 30, 2014
Sary MAHATALANJONA an'ireo ekipa niakatra nandresy. Nametraka tantara i KOSTA RIKA.
Costa Rica no le teme a Holanda: RECIFE, Brasil — Costa Rica ha sido la gran sorpresa del Mundial hasta ahora y sus jugadores quiere…
— Angel Rap™ (@_AnGelRap) junio 30, 2014
Tsy matahotra an'i Holandy i Kosta Rikà. RECIFE, Brezila – Tsy nampoizina tanteraka tamin'ny Mondialy i Kosta Rikà hatramin'izao ary ireo mpilalao dia mitady….
@danudisorder este mundial esta de locos! Costa Rica es un ejemplo de que todo puede pasar
— Maria (@mariaclau94) junio 30, 2014
Tompon-daka Manerantany Manadala! Mampiseho ohatra i Kosta Rika fa mety hitranga avokoa ny zava-drehetra.
Mpisera iray, @Aritz_FCB, nizara ny fanantenany:
Al final va a ser verdad que el Mundial lo gana Costa Rica…
— Aritztóteles (@Aritz_FCB) junio 30, 2014
Farany, mety ho marina fa ho lasa tompon-daka maneran-tany i Kosta Rikà…