Tolona Hisian'ny Fahalalahana Ety Anaty Aterineto Ao Meksika

Spoof image tweeted by Chavo del Toro (@chavodeltoro)

Sary namboarina nalefan'i Chavo del Toro (@chavodeltoro)

Nosoratan'i Alberto R. León sy Jacobo Nájera.

Miady amin'ny lalana momba ny fifandraisan-davitra natolotry ny Filoha Enrique Peña Nieto ny vahoaka Meksikana ary vao tsy ela akory mialohan'ny Antenimiera. Mety hitondra loza mitatao ho an'ny zon'olombelona aty anaty aterineto ity tolo-dalana ity: mandika ny tsy fombàna ny atsy na ny aroa izany, manome alàlana ny sivana sy ny fanakànana votoaty, sy mangataka ireo mpanome tolotra aterineto mba hanangona sy hitahiry ny rakitra manokan'ireo mpampiasa amin'ny ambaratonga midadasika kokoa.

Ny Libre Internet Para Todos (Aterineto Malalaka ho an'ny Rehetra), vondrona iray mpandala ny maha olona  ao Meksiko, dia manambara fa “miato” hatramin'ny volana Jolay ny fandraisana andraikitr'ireo mpanao lalàna. Izany no vokatry ny tsy fahampian'ny fifanarahana teo amin'ireo kaomity miandraikitra ny fandinihana ny lalàna tamin'ny lohataona lasa.

Raha raisina izay hita momba ity tolo-dalana ity sy ny mety hahatafidiran'izany ao amin'ny lalam-panorenana Meksikana, dia nanatanteraka hetsi-panoherana isan-karazany tety anaty aterineto sy teny an-dalambe ireo vahoaka Meksikana. Ny volana Aprily, nisy olona nanao tohivakana (#NoMásPoderAlPoder) nanavatsava nanerana ny tanàn-dehiben'i Meksiko, niainga teo amin'ny tranon'ny Filoham-pirenena izany ka hatrany amin'ny Televisa Chapultec, foibem-pandefasana fahitalavitra lehibe indrindra ao Meksiko.

Tsy ela akory zay, nandray ny toerana i #CascaritaXlaPatria, ary niezaka ny hanohitra ny fanapahan-kevitry ny Antenimiera tamin'ny fandaniana ireo lalàna momba ny fifandraisan-davitra, tao anatin'ny vanim-potoam-pivoriana ivelan'izay voatondro, ary nandritry ny fotoana anankiray izay nifanojo tamin'ny Amboara Erantany 2014 ao Brezila.

Vondrona mafana fo maromaro no nanome tolo-dalana momba ny teknolojia sy taratasy iray misy ny fanohanana iraisam-pirenena — fiaraha-mientana izay nahitàna an'i Vía Libre, EFF, Richard Stallman, Cory Doctorow, Nighat Dad ary Richard Sennett.

Nanome olo-dalanà iray ara-teknika ho fidiana ny ContingenteMX  amin'ny fanoratana ity lalana ity, izay manantitrantitra ny fiarovana ny zon'olombelona, ary nahitàna fa ny zon'olombelona no tena ifantohany ary hiantohana ny tsy fombana ny atsy na ny aroa, ny fiainana manokana ety amin'ny aterineto ary ny tsy fihazonana ny rakitra manokan'ny olona. Ireo rehetra ireo anefa dia fitakiana efa neken'ireo fikambanana iraisam-pirenena toa ny Electronic Frontier Foundation, hatramin'ny fanehoankevitra navoakan'ny Network Defense of Human Digital Rights na ny Tambajotra Miaro ny Zon'olombelona ety amin'ny Aterineto mba hisian'ny fanitsiana ilay lalàna.  

Mbola tsy fantatra mazava no sady mijanona ho tandindonin-dozan'ny “vonjy tavan'andro” hatrany ny andro hametrahana ny lalàna momba ny fifandraisan-davitra ao anatin'ireo ambinà dingana fanaovan-dalàna. Ny olona, ny vahoaka ary ny fikambanana tsy miankina izay mahafantatra sy mitaky fatratra ny hamolavolàna ihany koa ny tolotra napetrak'ireo olom-pirenena ary mba ho isan'ny laharam-pahamehan'ny mpanao lalàna, toy ny Libre Internet Para Todos, izay tohanan'ny vahoaka miisa 127.000. 

Araho ireo adihevitra sy ireo zava-misy maro ao amin'ny  Libre Internet Para Todos, ContingentenMX, Libre Internet MX, DefenderInternet .
.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.