
Teratany Ghaneana mandray anjara amin'ilay hetsika #OccupyFlagStaffHouse. Sary an'i Victoria Okeye. Fampiasàna nahazoana alàlana.
Nifamory teo akaikin'ny birao fiasàn'ny filoha ry zareo Ghaneana, tao anatin'ny fanentanana iray nomeny anarana hoe #OccupyFlagStaffHouse mba hanohitra ny kolikoly sy ny fahantrana ara-toekaren'ny fireneny ary hanery ny governemanta hanao zavatra mikasika izany.
Natao tamin'ny 1 Jolay 2014 ilay diabe am-pilaminana nokarakaraina tao anatin'ny dimy andro latsaka, andro iray fialantsasatra nanamarihana ny faha-54 taona naha-repoblika an'i Ghana taorian'ny fitondran'ny Britanika mpanjanaka azy. Tamin'ny 28 Jona, natomboka tamin'ny OccupyGhana tao amin'ny Facebook ilay hetsika, ary ny 1 Jolay dia mpanjohy efa maherin'ny 3.000 no azony hanohana ilay hetsi-panoherana. Ankehitriny, efa maherin'ny 6.000 ny mpanjohy azy.
Izao no mitranga taorian'ireo andianà fanehoankevitra mahery vaika nanoherana ny governemanta noho ilay fampihenan-danja haingana ny “cedi” ,satria nohamafisiny ny lalàna momba ny vola vahiny ao amin'ny firenena ary nohalefahany tamin'ny volana lasa, ary ny tsy fahampian'ny solika nitarika filaharana be efa ho herinandro teny amin'ireo tobin-tsolika.
Ny teboka nampitsimbadika ny raharaha dia rehefa injay voalaza fa nanome 3 tapitrisa dolara amerikana tolo-botsotra maimaim-poana ny governemanta ho an'ny Black Stars talohan'ny lalao nifanandrinany tamin'i Portiogaly ho fiadiana ny Amboara Erantany, lalao izay nahalavo azy ireo. Nandrahona ny hitokona ireo mpilalao raha toa ka tsy naharay ny volany talohan'ny lalao. Ny fahatsapana ankapobeny taorian'iny tranga iny dia ny hoe tsy noraharahian'ny governemanta ny vahoaka, nampiakatrakatra ny feo tany anaty fampielezampeo tany, ny fahitalavitra sy ireo sehatra media sosialy.
Nandritra ny andro vitsy nialoha ilay hetsi-panoherana, ny vondrona OccupyGhana dia nampakatra hafatra nanazava ny tsy fahafaham-pon-dry zareo amin'ny governemanta sy ny fanjakàna momba ny zavatra rehetra ao amin'ny firenena. Ny 29 Jona, nanoratra tao amin'ny Facebook ilay vondrona hoe :
Nahita fiara tsy mataho-dàlan'ny polisy aho io hariva io namatratra sy naka ny tahirin-tsolika.
Hitako ny endrik'ireo mpamily fiarakaretsaka izay miasa sy mandoa ary mila mamerina trosa nefa miady mafy mba hahazo solika.
Hitako ireo mpiasa very hevitra izay nandao ny tokantrano tamin'ny 5 ora maraina mba handeha hiasa ary mody amin'ny 8 ora alina nefa zara raha nahazo tambiny tamin'ny asany, miandry tsy mahatombin-tsiraka milahatra miaraka amin'ny dàbany.
Avy eo hitako ireo zokiolona arahan-jazakely tany ivelany izay mila solika hitondràna ny rainy mba hoentina hizaha fahasalamana, manontany tena hoe aiza no misy tsy mety,
Ireo mpivarotra mofo, voamaina, “kofi” ilay lehilahy mpivarotra tsy afaka akory haka fiarakaretsaka hitondra ny entany, ireo izay mitolona mafy isa-tsegondra mba ho velona,
Avy eo aho nahita olona toa ahy sy ianao, mpikirakira Facebook, ireo tanora avy amin'ny saranga antonony mahay ny zavatra rehetra, izay manofahofa tànana miarahaba ireo mahantra mpifanolo-bodirindrina aminay isaky ny maraina ary fiarahabana manambony tena hoe “Manao ahoana ianao” ? Miasa saina amin'izao fotoana izao momba izay hahafahanao mividy solika, na mandoa iry anto-bola iry, na itsy findramam-bola nividianana fiara itsy.
@BlitzAmbassador, Ghaneana mpiangaly gadon-kira Rap ary monina any Etazonia, manana mpanjohy maherin'ny 19.000, nibitsika hoe:
Only if I could teleport to Ghana now…..#OccupyFlagStaffHouse. the people are tired of failed leadership……
— Blitz the Ambassador (@BlitzAmbassador) July 1, 2014
Raha mba afaka namindra tena avy aty lavitra ho any Ghana mantsy aho amin'izao fotoana izao ….. # #OccupyFlagStaffHouse. reraky ny tsy fahalavorarian'ny fahaiza-mitarika ny vahoaka.
Nizara sary iray ahitàna ireo mpanao hetsi-panoherana i @AnnyOsabutey, ilay nahazo ny Lokan'ny Mpanao Gazety An'Onjampeo Afrikana nokarakarain'ny CNN:
A nicely prepared clips from the #OccupyFlagStaffHouse pic.twitter.com/7Uf9RwHxC2
— Prampram fisherman (@AnnyOsabutey) July 2, 2014
rakitsary iray tsara voatra avy amin'ny # OccupyFlagStaffHouse
Taorian'ilay hetsi-panoherana, niditra tamin'ny Twitter ny Filoha Ghaneana, John Dramani Mahama, mba hanome toky ny vahoaka fa tsy hanao be marenina amin'ny fitarainan-dry zareo:
I have not forgotten that one of the greatest virtues of leadership is the ability to listen.
— John Dramani Mahama (@JDMahama) July 2, 2014
Tsy adinoko fa iray amin'iireo vokatsoa goavana indrindra avy amin'ny fahaizana mitarika ny fahaizana mihaino
I want to assure you that we will create change. We will build the sort of country that we will be proud to hand down to our children.
— John Dramani Mahama (@JDMahama) July 2, 2014
Tiako ny manome toky anareo fa hanangana fiovàna isika. Hamorona ilay endrika firenena hampirehareha antsika izay havela ho lovain'ny taranaka mandimby.
This is our country, our home, and all Ghanaians deserve to have the ability to live, work and raise our families here with dignity n pride
— John Dramani Mahama (@JDMahama) July 2, 2014
Firenentsika ity, fonenantska, ary isika Ghaneana rehetra dia mendrika ny hanana fahafahana miaina, miasa sy manabe ny taranany eto amin'ny maha-izy azy sy amim-pireharehàna.
Fihetseham-po mahafinaritra, saingy fiovàna tena izy –tsy bitsika — no hidika fa tena mihaino marina tokoa rangahy io.