Tantara tamin'ny Aogositra, 2013
Nandresy Ho Filoha Indray i Robert Mugabe Na Lazaina Ho Nisy Hala-bato Aza
Voalaza fa olona roa tapitrisa efa maty no voasoratra ato amin'ny lisi-pifidianana ao Zimbabwe'. Niantso ny hanaovana fanamarinana mahaleotena i Botswana.
Mitady Ainga Vaovao Amin'ny Alalan'ny Fisafidianana Filoha Amin'ny Roa Farany Tavela i Mali
Nitrangana krizy niainga avy amin'ny fanonganam-panjakana i Mali herintaona sy tapany lasa izay. Efa amin'ny dingan'ny fifidianana kosa ry zareo ankehitriny ary miditra amin'ny fiodinana faharoa. Manao ahoana moa ny hevitr'ireo any Mali sy ny Maliana manoloana ny toe-javatra atrehin-dry zareo amin'izao fotoana izao? Rakotomalala no nandrafitra ny lahatsoratra.
Fanangona-Tsonia Hanitsiana Ny Lalàna Vietnamiana Mametra ny Fahafahan'ny Media
Bilaogera efa mihoatra ny 60 no nanao sonia ilay fanambaràna iraisana [en] handritsihana ny governemanta vietnamiana hanatsara ny lafiny zon'olombelona sy ny famitana ny adidiny raha eo ampametrahana ny firotsahany ao amin'ny Filankevitry ny zon'olombelona eo amin'ny Firenena Mikambana izy: Tokony hijery ny toeran'ny zon'olombelona eo amin'ny fireneny ihany koa...
Hetsi-panoherana Makedoniana Manoloana Ny Fanesorana Hazo Ao Skopje
Nisy fiitarany tahaka izay efa nitranga tao Torkia sy Serbia ny hetsi-panoherana niainga tamin'ny fanapahahana hazo vitsivitsy.
Fanahiana Fisian'ny Hosoka Bevava Tamin'ny Fifidianana Tao Kambodza
Saingy nahazo toerana maromaro kokoa ny mpanohitra sady navitrika tamin'ny fampieleza-kevitra ho amin'ny fiovana ny tanora
Mpikatroka Saodiana Navotsotra Rehefa Nigadra Roa Taona
Voaheloka noho ny fananganana fikambanana tsy nahazo alalana sy fananana boky maro tsy ara-dalàna i Mohamed el-Bjadi izay navoaka ny fonja saodiana androany. Mifaly ny tontolon'ny Twitter Saodiana.
Iran: Bye Bye Filoha Ahmadinejad
Mampiasa ny teny ifankafantarana #AhmadiByeBye ny Iraniana amin'ny fisentoany hoe lasa ihany ilay filoha nampisara-kevitra sy tsy milamina loatra.
Miasa Hanova Ny Lalànan'ny Fitsapa-Kevi-Bahoaka ‘Tsy Ara-dRariny’ Ny Mpanohitra Ny Nokleary
Manome vahana izay vitsy an'isa manao ankivy ny fandrotsaham-bato ny lalàna momba ny referandaoma ao Taiwan, izay mitaky ny fandraisana anjaran'ny 50 isan-jaton'ny mpifidy voasoratra anarana.
Voaheloka Namono An-kerisetra Tovovavy Ilay Ramatoa Mitondra Vohoka Sy Ny Vadiny Tao Shina
Namoy ny ainy i Hu Yixuan, mpianatra mpanampy mpitsabo 17 taona raha iny namonjy ramatoa bevohoka niangavy hampiakatra azy any an-tranony.
Brezila: ‘Ny Tena Lehilahy Tsy Midaroka Vehivavy ‘
Raha mandalina ny isan'ireo herisetra ao an-tokantrano mihatra amin'ny vehivavy ao Brezila ianao,dia hahita fa vehivavy iray amin'ny dimy no hiharan'izany.