Tantara tamin'ny Aogositra, 2013
Ejipta : Samihafa Ny Isan'ny Lasibatra Mivoaka Amin'ny Fanaparitahana Ny Sit-in Ataon'ny Mpanohana An'i Morsi
Manaparitaka ny sit-in ataon'ny Islamista ao Kairo ny mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana izao. Mandeha ny ady isa ao amin'ny Twitter.
‘Alarobia Mena’ Hetsi-panoherana ny Filoha Beninoà: ‘Aza Kitihana Ny Lalàpanorenako!’
Mahazo vahana ao Benin ny Alarobia Mena. Manazava ny anton'izany i Sinatou Saka.
Naato Ao amin'ny Tambajotra Fanaraha-maso ny Fanadiovam-bola i Madagasikara
Lambo T. no mitatitra [fr] ao amin'ny tranonkalan'ny La Gazette de La Grande Ile fa naato ao amin'ny Vondrom-pitsikilovana Egmont misahana ny fitantanam-bola ny Samifin [mg], sampan-draharaha misahana ny fanadiovana ny sehatry ny fitantanana ara-bola sy miady amin'ny fivezivezen'ny vola miampita sisintany tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Ny Egmont dia tambajotra iraisam-pirenena...
Ilay Dia An-tongotra Mandeha Irerin'i Vladimir Putin
Ataon'ny bilaogera mpanohitra firesaka sy famazivazy ny zavatra nataon'ny filoha rosiana sy ny governemantany tao anatin'ny volana vitsivitsy izao. Ahoana no mahatonga izany toe-javatra izany ary inona no ao ambadika?
“Novonoin-dRy Zareo Ny Eid ao Iràka”
Nampalahelo ny fiafaran'ny Ramadany tany Iràka fa fandripahan'olona no nitranga. Nivadika rà mandriaka ny tokony ho fetim-piravoravoana sy fiarahan'ny mpianakavy. Fa moa mba misy miraharaha izany ve ny hafa?
Naato Ny Referandaoma Momba Fananganana Toby Nokleary Fahaefatra ao Taiwan
Fandresena vonjimaika ho an'ireo mpikatroka manohitra ny famokarana nokleary ao Taiwan izay manohitra ny fananganana tobim-pamokarana nokleary fahaefatra ao amin'ny firenena izany toe-javatra izany.
Etiopiana Miozolomana Nosamborina sy Nodarohina Nandritra Ny Fihetsiketsehana Eid El-Fitr
Ao anatin'ny fihetsika mahery vaika atao amin'ireo Miozolomana ao amin'ny firenena, nanao famoretana tamin'ireo Miozolomana Etiopiana nanao fihetsiketsehana milamina nandritra ny fety manamarika ny fiafaran'ny Ramadany ny polisy.
Ny Fanenjehan'ny Fitondrana Shinoa Ireo Tranonkala Mahaleotena “Tsy Ara-dalàna”
Maro ny habaka no nakatona satria tsy nahazo lisansa, na lazaina fa misoloky andrim-panjakana na manampahefana, amin'ny fampiasana voambolana tahaka ny hoe "Shina" na "vahoaka" amin'ny anarany.
Manome Voninahitra An'i Maria Magdalena Amin'ny Talenta Poerto Rikana Ireo Mpanakanto Matihanina
Hampiantrano "fankalazana fampanantenana", fety ara-zavakanto sy mozika ireo mpanakanto Tanya Torres sy Raquel Z Rivera ho fanomezam-boninahitra ny olo-masina Maria Magdalena ao New York.
Shina : Ny Atao Hoe “Hery Avy Any Ivelany” Sy Ny Famaritana Vaovao.
Noforonin'ny Shinoa mpiserasera amin'ny aterineto ny voambolana politika Shinoa hoe 'hery avy any ivelany' hitsikerana ny kolikoly ao an-toerana sy ny fanelanelanana atao any ivelany.