
Fialan'i Ahmadinejad: loharano: https://twitter.com/aatehranii/status/363233879122931712/photo/1
Nandao ny birao fiasany ny Asabotsy 3 aogositra 2013 teo ny filohan'i Iran nampisara-kevitra indrindra hatramin'ny nisian'ny revolisiona 1979. Eo an-dalam-pamafana ny fahasimbana vitan'i Ahmadinejad na tao an-toerana na taty ivelany ankehitriny ny mpandimby azy Hassan Rouhani.
Namoaka sary, lahatsoratra, hafatra ary sioka ho fankalazana ny fandehanany ny mpiserasera. Ny sasany nahatsiahy ny hetsi-panoherana tamin'ny 2009 taorian'ny fifidianana filoham-pirenena nampiady hevitra izay nahalany fanindroany an'i Ahmadinejad indray. #AhmadiByeBye no teny filamatra sy ifankafantarana. Maro ny ny sary sy sariitatra ahitana ny filoha teo aloha ifampizarana ao amin'ny Twitter.
Maro ny Iraniana sy ny tsy Iranians no niteny an'i Mahmoud Ahmadinejad ho nandainga momba ny lohahevitra maro samihafa nandritra ny valo taona.
Manana izany eritreritra izany i Hadi Nili, mpanao gazety Iranian ary efa nandray anjara tato amin'ny Global Voices:
“Tonight #Iran loses one of its bests; the best in lying. #AhmadiByeBye“, writes @rezayekhali
— Hadi Nili (@HadiNili) August 2, 2013
Rahalina, tsy hahita intsony ny iray amin'ny mahery indrindra ao aminy; mahery indrindra amin'ny fandaingàna i Iran. #AhmadiByeBye“, hoy ny soratr'i @rezayekhali
Salar nisioka [fa]:
تو این ۸ سال هیچ سوالی رو مستقیم جواب نداد. همیشه با تمسخر سوال کننده رو پیچوند. #AhmadiByeBye
— Sallar (@sallar) August 2, 2013
Tao anatin'ny valo taona, tsy namaly na dia fanontaniana iray aza izy, nidify ny fanontaniana amin'ny alalan'ny fanaovana tarehy ratsy hatrany izy.
Mbola mihelohelo ao anatin'ireo hafatra nampitaina androany ihany ny avelon'ny fifidianana teo aloha sy ny Hetsika maitso.
Nisioka i Mehdi Saharkhiz :
Today right now he is moving out of where he should have moved out of 4 years ago. But what matters is he is gone #AhmadiByeBye #iranbrief
— Mehdi Saharkhiz (@onlymehdi) August 2, 2013
Anio izy no miala amin'ny toerana tokony nialàny efa-taona lasa izay. Fa efa lasa aloha izy izao
Mehdi Saharkhiz mampahatsiahy antsika ny momba ilay fifidianana filohampirenena mampiahiahy rehefa maro no nitabataba fa nisy nanamboamboatra ny valim-pifidianana:
He is an ex. Just an ex. I can't say president. The real president is still under house arrest. #AhmadiByeBye is what he is #iranbrief
— Mehdi Saharkhiz (@onlymehdi) August 2, 2013
Taloha izy. Taloha fotsiny. Tsy afa-miteny aho hoe filoha. Mbola navaha-trano ambenana manokana tsy mahazo mivoaka ivelan'ny misy azy ny tena filoha. #AhmadiByeBye aloha no vaovao tsipalotra momba an'i Iran
Maro ireo Iraniana no nizara ny hafaliany tamin'ny nialan'i Ahmadinejad.
Nisioka i Tara Aghdashloo
My boyfriend walking around the house singing #AhmadiByeBye — and he's not even Iranian.
— Tara Aghdashloo (@taraaghdashloo) June 18, 2013
Mihirahira mivezivezy ao an-trano ny #AhmadiByeBye ny sakaizako — ary tsy Iraniana akory izy.
Josh Sharyar mizara ny hafaliana mitovy amin'izany ary miteny hoe
Can't be too happy about Ahmadinejad leaving. Too many journos, activists, lawyers, citizens still in jail because of him. #AhmadiByeBye
— Josh Shahryar شهريار (@JShahryar) August 2, 2013
Tsy manana hafaliana toy izany amin'ny fialan'i Ahmadinejad. Maro loatra ny mpanao gazety, mpikatroka, mpisolovava, olompirenena any am-ponja noho izy. #AhmadiByeBye