Fanahiana Fisian'ny Hosoka Bevava Tamin'ny Fifidianana Tao Kambodza

Araka ny efa noheverina dia nambara ho nandresy tamin'ny fifidianana ao amin'ny Antenimieram-Pirenena ny antoko mitondra ao Kambodza saingy nitsipaka ny valim-pifidianana ny antoko mpanohitra ary niampanga ny governemanta ho nanao hosoka izaitsiizy tamin'izany.

Efa teo amin'ny fitondrana tao anatin'izay 28 taona farany izay ny Antokom-Bahoaka Kambojiana (CPP) notarihin'ny praiminisitra Hun Sen. Nahazo toerana 68 izy io raha niezaka ny hahazo toerana 55 kosa ny avy ao amin'ny mpanohitra dia ny Antoko Kambojiana ho Fanavotam-Pirenena (CNRP).

Angamba ny hafatra nalefan'i Andy Brouwer ao amin'ny Twitter no ahatarafana ny fiantraikan'ny fifidianana tamin'ny ankapobeny:

Lasa ny hafanan'ny fifidianana, nivoaka ny voka-pifidianana ary tsy nisy ihany ny fiovana taorian'izany rehetra izany, na dia nahazo betsaka aza ny mpanohitra

Niaiky ny fandraisana anjara mavitriky ny tanora nandritra ny fampielezan-kevitra ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices antsoina hoe Kounila Keo sady bilaogera kambojiana malaza raha nanoratra ho an'ny Bangkok Post:

…it cannot be denied that there has been an active participation of Cambodian young people on the internet and social media. And, they are hungry for change in their lives and that of their next generation.

It does not matter who has won this election. Despite election irregularities, younger voters have overcome fear to make their voices heard through the ballots. And they want change.

As a young voter, I was really moved by young people's willingness to actively participate and show their courage for the first time.

During the 30-day electoral campaigns, hundreds of thousands of youth took to the streets in Phnom Penh and used social media to express their thoughts and convictions without fear. I suddenly felt empowered to discuss political issues in depth freely, knowing I would no longer be alone doing that.

Tsy azo lavina fa nisy ny fandraisana anjara mavitriky ny tanora kambojiana tamin'ny aterineto sy ny tambajotra sosialy. Ary nangetaheta fiovana eo amin'ny fiainany sy ho an'ny taranaka mandimby azy izy ireo.

Tsy maninona izay nandresy tamin'ity fifidianana ity. Na teo aza ny tsy ara-dalàna maro tamin'ny fifidianana, dia noresen'ny tanora ny tahony ka nataony izay handrenesana tamin'ny alalan'ny fandrotsaham-bato ny feony. Fa mitady ny fiovana ry zareo.

Amin'ny maha-tanora mpifidy ahy, dia nihetsi-po tokoa aho tamin'ny fikirizan'ny tanora handray anjara mavitrika sy sambany nampiseho ny herimpony.

Nidina aman'hetsiny an-dalamben'i Phnom Penh sy nampiasa ny tambajotra sosialy nandritra ny 30 andro nanaovana ny fampielezan-kevitra hampiseho tsy misy tahotra ny eritreriny sy ny faharesen-dahatrany ny tanora. Nahazo hery tampoka aho hiresaka politika an-kalalahana tamin'ny fahafantarana fa tsy irery aho manao izany

Nahatsikeritra i Tharum fa lasa loharanom-baovao farany momba ny fifidianana azo inoana kokoa noho ny haino aman-jery mahazatra ny tambajotra sosialy:

Noho ny fahavitsiam-baovao amin'ny fahitalavitra sy ny fampielezam-peo, lasa nanomboka nijery vaovao hita YouTube amin'ny alalan'ny finday avo lenta (smartphone) ny raiko

Saingy nitaraina momba ny fihetsika tsy misy fitsipi-pitondratena ataon'ny mpiserasera aterinto sasantsasany i Tith Chandara:

The engagement of some social media users in Cambodia in supporting their favorite party is on some ways unethical and violent while harsh words, aggressive responses and fake graphic designs are discovered since the campaign started. Users share pictures, graphics without checking for confirmation on sources, though they know sometimes the information is not (yet) official.

Misy tsy manana fitondratena mendrika sy mahery setra ny fomban'ny mpisera tambajotra sosialy sasantsasany eto Kambodza tamin'ny fanohanana ny antokony rehefa mamoaka valinteny manindrona sy sary sandoka ry zareo hatramin'ny nanombohan'ny fampielezan-kevitra. Mizara sary, firan-tsary tsy manamarina ny voalazan'ny loharanom-baovao ny mpisera, na dia fantatr'izy ireo aza indraindray fa (mbola) tsy ofisialy ny vaovao

Nanadihady ny valim-pifidianana i Jinja ary nanamarika fandikan-dalàna vitsivitsy tamin'ny fandrotsaham-bato

Anecdotally speaking: this is the first time I’ve had Khmer friends come to me and note that their name was not on the voter rolls, or that it had been voted by someone else. International monitoring organizations concur… mostly.

Tantara kely : sambany aho nahita namana khmers nanatona ahy ary nanambara fa tsy hita ao amin'ny lisi-pifidianana ny anaran-dry zareo, na efa nisy olona hafa nifidy tamin'ny anarany. Milaza izany ny ankamaroan'ny mpanara-maso Iraisampirenena

Election Day. Photo from Facebook page of CPP Cambodia

Androm-Pifidianana. Saripika avy amin'ny pejy Facebook an'ny CPP Cambodia

Niresadresaka i Casey Nelson tamin'ny fanosora-potaka ny avy amin'ny foko Vietnamiana nandritra ny fampieleza-kevitra:

The Vietnamese are the Khmer’s ethnic Other, the first minority group onto which blame falls during times of political and social tension.

The relationship between Vietnam and Cambodia is complicated, and traditional ethnic antagonism is deeply intertwined with historical and political animosities which are not completely unjustified, but when things turn bad in Cambodia, it is often if not always the poor, powerless ethic Vietnamese that take the violent brunt of it.

Vahiny amin'ny Khmers ny Vietnamiana, vondron'olona voalohany ampangaina rehefa misy ny fifanenjanana politika sy sosialy.

Saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny Vietnam sy Kambodza, ary efa tafapaka lalina ny fifankahalana navelan'ny tantara sy ara-politika eo amin'ny roa tonta izay tsy azo disoina manontolo, saingy rehefa miharatsy ny toe-draharaha ao Kambodza, dia matetika raha tsy lazaina hoe ny avy amin'ny foko Vietnamiana mahantra sy tsy manana hery hatrany no ampizakainy an-kerisetra ny vokany.

Nampahatsiahy ny mpanohitra i Sebastian Strangio raha nanoratra ho an'ny Asia Times Online hahay hampiasa ny vokatra tsara azony tamin'ny latsa-bato ho fanitarana kokoa ny ambaindainy ara-politika:

As the country enters a brave new political world, the opposition, flushed with success, will have to perform a delicate dance if it is to transform electoral returns into real reforms and practical power.

Koa satria nisitra amin'ny tontolo politika vaovao ny firenena, dia mila manatsara ny zava-bitany amin'ny fanaovany fihetsika am-pitandremana fatratra ny mpanohitra, izay nahombiazana, raha te-hanova izany ho fanitsiana tena izy sy fahefana azo tsapai-tanana.

Saingy misalasala i Caroline Hughes, izay nandray anjara tamin'ny lahatsoratra iray ho an'ny Asia Sentinel raha manana solony azony atolotra ny mpanohitra:

…it is hard to gauge from opposition party pronouncements how they might produce a development strategy for Cambodia that would significantly differ from that over which the CPP has presided. In terms of development, Cambodia has simply followed its more advanced South East Asian neighbors in pursuing a strategy of asset stripping the countryside and soaking up the dispossessed rural poor into low-wage manufacturing and services employment in the towns.

Sarotra ny mitsapa lalina avy amin'ny fanambaran'ny antoko mpanohitra ny fomba hamoahany tetika fampandrosoana an'i Kambodza izay tena hita ho hafa tokoa noho izay efa nitarihan'ny CPP azy. Eo amin'ny sehatry ny fampandrosoana, nanara-driandrano fotsiny ireo firenena Aziatika Atsimo Atsinanana mpifanolo-bodirindrina aminy lasa alohaloha kokoa i Kambodza tamin'ny alalan'ny fandrovirovitana ny tontolo ambanivohitra sy ny fandrapahana ny tambanivohitra mahantra ho mpikarama mora any amin'ny orinasa sy ny mpikarakara tolotra

Brad Adams avy ao amin'ny Human Rights Watch nanamarika ny fahamaroan'ny antota-taratasim-pifidianana sandoka izay nanimba ny fifidianana:

Senior ruling party officials appear to have been involved in issuing fake election documents and fraudulently registering voters in multiple provinces. And people from the party seem to have been turning up in places where they clearly don’t live and insisting on voting – not to mention the many other claims of fraud around the country.

The multiple voting scheme suggests the possibility of systematic election fraud by the CPP and raises serious questions about the credibility of the election.

Tahaka ny voasaringotra tamin'ny famoahana antota-taratasim-pifidianana hososka sy nanoratra mpifidy maromaro tamin'ny faritany maro ny mpitarika ambony ao amin'ny antoko mitondra. Ary nisy olona avy amin'ny antoko heverina ho nivezivezy tamin'ny toerana maro izay niharihary fa tsy onenany nefa nisisihany ifidianana ny olona avy ao amin'ny antoko – tsy marihana intsony ny fitarainana hosoka hafa manerana ny firenena.

Ny fomba fampifidianana imbtsaka no mampaminavina ny mety ho hosoka fifidianana fanaon'ny CPP ary mampanontany marina amin'izay maha-azo inoana ny fifidianana

Saingy misy ny mpanara-maso iraisampirenena milazalaza ny fifidianana Kambojiana ho ‘malalaka, marina ary mangarahara’:

…a triumph of popular will and a victory of the Cambodian people in their quest to build a better future based on the supremacy and sanctity of the ballot.

Fandresen'ny safidim-bahoaka sy ny vahoaka kambojiana tamin'ny ezaka nataon-dry zareo hananganana hoavy tsara kokoa mifototra amin'ny fametrahana ho ambony sy masina ny voka-pifidianana

Ho an'i Nikitung91, ilaina ny fiaraha-mientana hanatsarana ny toe-draharaha ao amin'ny firenena:

I still think a coalition would be a good solution…but no parties really agree so…

At the end of the day, I really don’t care who will lead the country, all I want is a healthy and strong improving country. No war within the country will happen if we listen to the population, no need to fraud the elections, to manipulate the media.

Mbola mikiry amin'ny filazana fa vahaolana tsara ny fiaraha-mientana [fivondronan'antoko maromaro]… saingy tsy misy any antoko manaiky izany…

Tamin'ny farany tsy raharahako izay hitondra ny firenena, ny tiako dia ny handrosoan'ny firenena ao anatin'ny fahasalamana sy ny fahatanjahana. Tsy hisy ady hitranga eto amin'ny firnena rehefa mihaino ny vahoaka isika, tsy mila mangala-bato na mamitapitaka ny fampitam-baovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.