Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Janoary, 2012

Tantara tamin'ny Janoary, 2012

29 Janoary 2012

Iran: Mihamafy Ny Sazy, Ary Mitotongana Ny Lanjan'ny Vola Iraniana

Miatrika safodrano ara-toekarena ireo Iraniana satria very lanja isanandro ny vola nasionaly (Rial) noho ny fahamafisan'ireo sazy mihatra amin'ny solika Iraniana sy ny rafitra ara-bola.

Lahatsary: Taona Iray Tontolo Iray Ary Tantara 52 Samy Hafa

Hitsidika firenena irery mandritra ny herintaona ilay mpanao gazety amin'ny alàlan'ny Lahatsary Maggie Padlewska, hitety firenena iray isan-kerinandro ary mitontaly 52 ireo firenena hotsidihany amin'izany. Mandritra ny fitsidihany dia haka ary hamokatra lahatsarin'ny fifandraisany amin'ireo vondrom-piarahamonina, fikambanana ary olona zara raha voaresaky ny mpampita vaovao izy, ary hamoaka izany ao...

28 Janoary 2012

Brezila: Hetsika Mitaky Zo Hahazo Kianja Tsy andoavam-bola Mandritra ny Fetibe

Ny Fetiben'i Salvador [karnavalina], ao Brezila, no iray amin'ny lehibe indrindra manerantany. Leon'ny resaka ara-barotra tafahoatra sy ny fanovana ny kianjam-bahoaka lasa an'olotsotra vonjimaika kosa ny mponina ao an-tanàna. Nidina an-dalambe ry zareo tamin'ny 14 janoary rehefa nifanentana sy nifandamina tamin'ny alalan'ny Facebook sy Twitter mitaky ny hanalana ny fanorenan'ireo...

Sodana Atsimo: Krizy Amin'ny Maha-olona Ao Amin'ilay Firenena Vaovao Indrindra

Herintaona latsaka hatramin'ny nanambarany ny fahaleovantenany tamin’ny Jolay 2011 hanjary ho ny firenena vaovao indrindra eran-tany , dia mbola mitohy miatrika ny krizy amin'ny maha-olona hatrany i Sodana Atsimo, indrindra taorian’ny herisetra ifanandrinan'ny foko samihafa any an-toerana.

Jordania: Avia Avia Fanala ô!

Ela ny ela tonga ao Jordania ihany rehefa ela niandrasana ilay vahiny fotsy, rehefa nandalo indroa ny hatsiaka maina dia tonga izy saingy nitsonika vetivety. Mbola tsy niangona akory dia efa nitondra hafaliana sy haravoana ho an'ireo niandry azy. Vantany vao nirotsaka tany amin'ny faritra be tendrombohitr'i Jordania ny ranomandry...

Yemen: Tsy Azo Samborina i Saleh

Nankatoavin'ny antenimiera ihany omaly ny lalàna manome alalana an'i Ali Abdullah Saleh tsy ho azo samborina sy gadraina famelan-tsazy tanteraka ho an'ny filohan'i Yemen teo aloha Ali Abdullah Saleh rehefa nahemotra in-dimy miantoana ny adihevitra mikasika izany.  Tsimatimanota i Saleh araka izany lalàna izany tamin'ireo heloka vitany nandritra ny fitondrany, tafiditra...

27 Janoary 2012

Polonina: Hanao Sonia ny Fifanekena ACTA Ny Governemanta Na Dia Eo Aza Ny Hetsi-panoherana

“Tsy dia manova firy ny lalàna Poloney na ny zon'ny mpiserasera sy ny fampiasana Aterineto ny fifanekena Acta” – na dia teo aza ny ny hetsika goavana tamin'ny Aterineto sy ny adihevitra mikasika ny fomba fifanarahana mangingina, dia nanamarina ny Minisitry ny Fitantanana sy ny famadihana ho nomerika ny asa, Michal Boni, taorian'ny...

Kolombia: Hira Amin'ny Gadona Salsa Manakiana Ny Rafi-Pitaterana Aotobisy Haingam-pandeha

Hira amin'ny gadona salsa sy lahatsary iray no mitantara ny mafy iaretana izay ahafantaran'ireo mpampiasa azy ny fandehanana lavitra amin'ireo rafi-pitateram-bahoaka Transmilenio ao Bogota.

Gresy: Fanakianana Ireo Mpanao Politika Nandritra Ny Fankalazàna Ny Theophany

Tao Gresy, ny 6 Janoary dia androm-pirenena fankalazàna ny Theophany. Isan-taona, ny governemanta sy ireo mpiasam-bahoaka dia mandray anjara amin'ilay fankalazàna, ka aorian'izany no ananan'izy ireo fotoana hanaovana fanambaràna amin'ny fomba ofisialy. Kanefa, noho ny fahasahirànana ara-toekarena, politika ary sosialy lalovan'i Gresy, ny fankalazàna tamin'ity taona ity dia voamariky ny...

Malezia: Manome Tsiny Ny Google Translate Ny Minisitra Noho Ny Hadisoana Hita Ao Anatin'ny Vohikala

Aza mitafy “akanjo manaitra ny maso” ary tadidio ny fanamiana fitondra amin'ny “adin'ny Mongoose” amin'ireo lanonana ofisialy. Ampahany amin'ireo hadisoana mahatsikaiky amin'ny dikanteny Anglisy tany anatin'ny vohikalan'ny Minisiteran'ny Fiarovana any Malezia ireo voalaza ireo, izay laha lohateny vaventy tamin'ny herinandro lasa teo. Efa noesorina ireo hadisoana ireo nefa tsy talohan'ny...