Ela ny ela tonga ao Jordania ihany rehefa ela niandrasana ilay vahiny fotsy, rehefa nandalo indroa ny hatsiaka maina dia tonga izy saingy nitsonika vetivety. Mbola tsy niangona akory dia efa nitondra hafaliana sy haravoana ho an'ireo niandry azy.
Vantany vao nirotsaka tany amin'ny faritra be tendrombohitr'i Jordania ny ranomandry (arivo metatra ambonin'ny haavon-dranomasina) dia nandriaka tao amin'ny twitter sy facebook ny sary sy ny lahatsary. Manao ny asam-pitanteram-baovao tsara ny ao Jordania rehefa saiky manana finday ahafaha-miserasera aterineto tsy manam-pahataperana avokoa ny rehetra. Tsy miresaka ranomandry sy toetr'andro ihany ny mpiserasera fa manome vaovao farany momba ny toetry ny fifamoivoizana ateraky ny ranomandry mampitandrina ny lalana malama etsy sy eroa.
Hanin Abu-Shamat, @HaninSh, nisiokantsera ity sarim-panala nirotsaka tany amin'ny faritr'i Amman ity:
Elwan Bader, @kharooof nisiokantsera ity sary ity tao amin'ny Araben'ny mpanjakavavy Rania na ny Araben'ny Anjerimanontolo:
@BaselAnabtawi dia monina ao lDubai, Emirà Arabo Mitambatra, ary ni-tweet ity sary ity izay nalefan'ny anabaviny monina any Amman:
Ralehilahy, ny hita hatreo an-tranonay ao Amman! milatsaka ny ranomandry .. Vao nandefa azy ity ny anabaviko! Mashallah, ankafizo #amman
Sary no-tweeten'i Dima Haddadin (@Haddadin) mampiseho zatovolahy mandrindra ny fifamoivoizana rehefa simba ny jiro telo soratra ka mampirehareha ny Jordaniana mpiserasera amin'ny famahan'ny olona ny olana tahaka ny fifamopivoizana. Miresaka momba ny sary ny olona ka mifampizara izay ao amin'ny tambajotra sosialy:
Lahatsary sary momba ny firotsahan'ny ranomandry no ifampizaran'ny mpiserasera manerana an'i Jordania. Indreto ny lahatsary nozaraiko YouTube ahitana firotsahan'ny ranomandry any amin'ny toerana roa ao Amman:
http://www.youtube.com/watch?v=jlX7_mEPf8Y
http://www.youtube.com/watch?v=d4m9D1oD24Y
Izany rehetra izay dia mampiseho fa mitondra hafaliana sy haravoana ho an'ny vahoakan'i Jordania ny ranomandry ary antenainy fa hitondra ranomandry bebe kokoa any amin'ny faritra iva ao Amman ny hatsiaka ho avy, izay mirotsaka ambanin'ny arivo metatra ambonin'ny haavon'ny ranomasina.
1 hevitra