Tantara tamin'ny Janoary, 2012
Vohitr'i Ségou: Fitsidihana Amin'ny Lakana Ny Reniranon'i Niger Ho Fampahafantarana Ny Aterineto
Mandray lalana mahaliana ny tetikasa Ségou Villages Connection any Mali, iarahana aminà tetikasan'ny UNESCO ho fitandroana ny lova [fr]. Boukary Konaté, mpandray anjara iray nahazo fanohanana avy amin'ny Rising Voices 2011, amin'izao fotoana izao dia miampita ny Reniranon'i Niger anatinà lakana Maliana nentin-drazana, mifindrafindra vohitra iray hafa isanandro mba hampianatra ireo ankizy sy ireo mponina ny fomba fampiasa ny Aterineto.
Torolàlana momba ny Crowdsourcing ao Amerika Latina
Crowdsourcing, antsoina ihany koa hoe “fiaraha-miasan'ny besinimaro,” dia tetikasa ahafahan'ireo rehetra afaka miserasera mampita fampahafantarana na vaovao mahasoa ho an'ny rehetra. Ao Amerika Latina, nitsangana ny tetikasa crowdsourcing marobeho fanomezana fahafaham-po ireo filana isan-karazany sy maika atrehin'ny kontinanta, toy ny Heroreports [en], izay mamaritra ny toerana fanaovana asa soa ao Meksika, na...
Manohitra Ireo Volavolan-dalàna Enti-Manohitra Ny Piraty Ny Fikambanambe Eran-tany Ao Amin'ny Aterineto
Ny 18 Janoary dia andro iray goavana eo amin'ny Aterineto. Ireo vohikala mpiara-miasa, manomboka any amin'ny Google ka hatrany amin'ny Twitpic, miaraka amin'ny fiaraha-monina sivily sy ireo olon-tsotra, dia nifanome tanana anatina hevitra iraisana iray: hanohitra ny lalàna Amerikana roa izay mety hisy fiantraikany goavana eo amin'ny fahalalahana miteny ao amin'ny aterineto eran-tany.
Zambia: Guy Scott Filoha Lefitra Fotsy Hoditra Sy Ny Ambaran'ny Lalampanorenana
Manontany ny maha ara-dalàna ny fanendrena ilay Zambiana fotsy hoditra notendrena ho filoha lefitra voalohany hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany,dia ny Dr Guy Scott, ny antoko nitondra teo alohaMMD, ka mandrahona ny hitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana mba hamaritana ny maha-ara-dalàna azy eo anatrehan'ny Lalampanorenanana. Nanambara vao tsy ela akory izay ny filoha nasionalin'ny...
Fifaninanana Lahatsary: Dizitaly Mifamàka amin'ny Andavanandro
Ny Centre for Internet & Society (CIS), India, sy ny HIVOS any Pays-Bas dia mampiantrano ny Fifaninanana Lahatsary Digital AlterNatives 2011 ho ampahany amin'ny tetikasan'ny ‘Digital Natives with a Cause’. Mirona manodidina ny fotokevitra "Dizitaly Mifamàka amin'ny Andavanandro" ary mangataka ireo mpandray anjara mba hizara tantara amin'io izay mahatonga ny fiainany andavanandro ho "dizitaly".
Frantsa: Birao Famoahana Gazety Mpandrabiraby Nodorana Taorian'ny Nanarabiany ny Sharia
Nandritry ny alin'ny 2 Novambra 2011 dia nisy nanafika tamin'ny alalan'ny solika napoaka [en] ny birao foiben'ny orinasa mpamoaka gazety mpandrabiraby mivoaka isan-kerinandro antsoina hoe Charlie Hebdo ao Paris ka may ravan'ny afo. Ny andro namoahan'ilay gazety Frantsay mpiseho isan-kerinandro an'ilay kisarisary maka endrik'ilay mpaminany antsoina hoe Muhammad ho toy ny 'mpamoaka lahatsoratra nantsoina hivahiny' araka ny hita eo amin'ny fonony dia efa saika nikatona avokoa ny mpivaro-boky rehetra, ary tao anatin'ny iray andro avokoa no nitrangan'izany.
Madagasikara: Tsy Navela Hody Ny Filoha Teo Aloha Ravalomanana
Nanambara ny hodiany an-tanindrazana, rehefa nanao sesintany ny tenany efa ho telo taona, tany Afrika Atsimo, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny 21 Janoary 21, nitaintaina ny tao an-drenivohitra miandry ny fiverenany fa an'arivony ny olona no eny an-dalana mankany an-tseranana. Saingy minitra vitsy taoriany ny nidirany ny faritr'habakabaka malagasy dia nilazana mba hivily lalana ny voromby ka higadona any an-tanàna hafa. Mitantara mivantana ity toe-draharaha mafampana ity ny Malagasy.
[Lahatsary] Sary Avy Amin'ny Tetikasa “Andavanandrom-piainan'ireo Vehivavy Ao Minya”
Ity no manohy ireo andian-dahatsary telo amin'ireo lahatsary novokarin'ilay Ejiptiana mpamokatra sarimihetsika Mahmoud Saber izay nijery akaiky ny tsirairay tamin'ireo tetikasa ao anatin'ny fandraisana andraikitry ny Rising Voices any Ejipta. Ity lahatsary ity dia manasongadina ny tetikasa "Andavanandrom-piainan'ireo vehivavy ao Minya".
Sodana : Ilay Mafana Fo Avy Ao Sodana, Alim Boushi, Navoaka Ny Fonja
Raharaha iray izay navoitran'ireo bilaogera avy ao Sodana sy ireo mpandefa bitsika tato ho ato, milaza ny toetoetry ny famoretana misy ao Sodana amin'izao fotoana, ilay fisamborana ny mafana fo politika avy ao Sodana sady Injenira Mohamed Hassan Alim, antsoina hoe Boushi.
Madagasikara: Dia Ahoana Ny Manaraka Rehefa Tsy Tafody Ny Filoha Teo Aloha?
Tamim-pitaintainana no niandrasan'ny Malagasy ity fikasan-dRavalomanana hody ity rehefa sesintany nandritra ny telo taona ny tenany. Mamakafaka ny toe-draharaham-pirenena sy ny mety ho tohiny ny mpamaham-bolongana.