Brezila: Hetsika Mitaky Zo Hahazo Kianja Tsy andoavam-bola Mandritra ny Fetibe
Nisy fihetsiketsehana nentina nanoherana ny fivarotana ho an'olo-tsotra ny tanim-panjakana tamin'ny 14 Janoary ho fiomanana amin'ny Fetiben'i Salvador (Carnaval de Salvador), iray amin'ny fety an-dalambe lehibe indrindra manerantany, izay hanomboka ny 18 Febroary. Hafatra mivandravandra ho an'ny Ben'ny Tanànan'i Cité de Salvador, ao amin'ny fanjakana federalin'i Bahia, João Henrique sy ho an'ny orinasa Premium hampitsahatra ny fanitarana lavarangana (tohatra) ampiasaina mandritra ny Fetibe ny fihetsiketsehana. Ireny foto-drafitrasa izay fantatra amin'ny anarana hoe ‘camarote’ ao amin'ny firenena ireny, dia maka velarana midadasika amin'ny tanim-panjakana eo amin'ny arabe lehibe indrindra ao amin'ny faritr'i Ondina; tao no nanaovana ny fihetsiketseham-panoherana.
Araka ny Blog da Ilha (Bolongan'ny Nosy) [pt], na dia an'ny fitondrana federaly aza ny toerana, Ny Lapan'ny Tanàna no nanome alalana ny orinasa tsy miankina Premium hanangana ‘camarote’ iray, ny ‘Camarote Salvador’. Efa nampandoa vola R$ 374 000 (U$ 210 000) ny Departemanta Federalin'ny Petrabola (SPU amin'ny teny Portiogey) saingy antenaina mbola antenaina hitsangana ihany ny ‘Camarote Salvador’. Nitatitra ihany koa ny Blog da Ilha fa handoa sara R$ 490,00 (U$ 272) ka hatramin'ny R$ 990,00 (U$550) ny tsirairay ahafahana miditra malala mandritra ny tontolo andro ao amin'ny ‘Camarote Salvador’ ary mety ho tafakatra hatramin'ny R$ 4.890,00 (U$ 2.720) ahafahana miditra malalaka mandritra ny Fetibe [Karnavalina] iray manontolo.

Olona te-hifety an-dalambe mandritra ny Karnavalin i Salvador tsy mandoa vola teren'ny camarotes andaniny sy ny "carnival blocos" mandoa vola ankilany. Saripika faritra Ondina, Fetibe 2010, namoaka i Rodrigo Sá hita ao @ Flickr (CC BY 2.0)
Tsy mandeha tsitokatokana hanaovana lohahevitra ny fananganana ny ‘camarote’ manaraka ny lalambato. Maneritery ny zon'ny tsirairay hankafy maimaipoana ny lanonana eny an-dalambe ny fielezan'ny fandraharahana momba ny Carnival ‘blocos’ (“tribunes”) . Manangana tarika hilalao ambonin'ny trio elétricos (kamiao mitondra fanamafisam-peo) sy karazana fanamiana (abadá)ho an'ny olona ny Carnival ‘blocos’ andoavam-bola. Ho fampisarahana ny mpanjifa amin'ny tsy mpanjifa dia mametraka mpiambina mitazona tady manodidina ny trio elétricos sy izay nividy fanamiana ry zareo. Rehefa milalao manerana ny arabe ny tarika dia teren'ny ‘camarotes’ sy ny ‘blocos’ an'olo-tsotra izay tsy mandoa vola.
Fetibe ho an'ny rehetra

"Fitondrana tsy mahay, Fiarahamonina mitsontsorika. Mihetseha. Miaraha aminay." Saripika Clarissa Pacheco hita ao @ Flickr (CC BY 2.0)
Nanomboka taty amin'ny aterineto ny hetsika. Nisy vondrona nitsangana tao amin'ny Twitter (@OcupaSalvador) sy ny Facebook (Ocupa Salvador) mikendry ny hitaky kianja malalaka ho an'ny olona hifety malalaka (tsy mandoa vola) mandritra ny Fetibe, mampiseho fa nahazo ny taratra avy amin'ny Hetsika Bodoy manerantany ry zareo.
Na dia namoaka didy fandrarana vonjimaika ny hetsika eny an-toerana aza ny mpitsara ao amin'ny Efitra fahafiton'ny Fitsarana ara-Tahirimbola, Lisbete Maria, dia nidina an-dalambe ihany ny olona tamin'ny 14 janoary. Nampiasaina ny tambajotra sosialy hamelombelona ny hetsika mba ahafahan'ny olona avy ao Salvador mitaky ny zony mba tsy ho ny tombombarotra no asandratra fa hifantoka kokoa amin'ny olona.
Namoaka andian-tsary sy hafatra [pt] tao amin'ny Twitter, izay manome endrika ny antsoina hoe ‘hetsika ho fanoherana ny fanidiana ny kianjan'i Ondina izay nampanofaina ho ana kitohatra (gradins) tsy miankina’ ny Sojabe teo aloha tao amin'ny Anjerimanontolon'i Bahia Naomar Almeida Filho (@naomar_almeida):
DESOCUPA foi um flash-mob convocado por redes sociais. Levou 1000 pessoas numa tarde chuvosa a Ondina. A imprensa noticiou timidamente

"Kianja an i vahoaka / ny lanitra an i condor (voromahery) / Eto ny fijerena ny fahafahana/ mamorona voromahery ao an-kibony" Castro Alves. Saripika @naomar_almeida hita ao @ Twitpic.
André Lemos (@andrelemos), mpampianatra miara-miasa ao amin'ny Anjerimanontolo federaly ao Bahia sady manampahaizana manokana momba ny kolontsaina an-tserasera, no ni-tweet [pt]:
Carro, desocupa a calçada; camarote, desocupa a praia; som alto, desocupa o ambiente; violência, desocupa os espíritos – #desocupa salvador.
Ao amin'ny Youtube no misy lahatsary ahitana olona avy amin'ny sokajin-taona rehetra miteny ny heviny amin'ny fandraisam-peon'ny kominina ary mitabataba ny voambolana “Desocupa” (Miala):
Fitsofohana na eo aza ny fahasamihafana
Taloha, somary mihoatra noho ny antoko demokraty ahitana ny hafa kokoa ny Fetiben'i Salvador, fotoana ifangaroan'ny olona avy amin'ny saranga sy kolontsaina samihafa eo amin'ny kianjam-bahoaka iraisana. Saingy tao anatin'ny taompolo roa farany dia niova ny toe-draharaha tamin'ny fisin'ny ‘camarotes’ sy ny Fetiben'ny “isaky ny arabe” andoavam-bola.
Ankilan'ny tombombarotra, dia ampiasaina ho fandresen-dahatra mafonja koa indraindray ny antony iray hanaovana ny Fetiben'i Salvador hokarakarain'olo-tsotra: filaminana [fiarovana].
Araka ny antontan'isa navoakan'ny Fivondronam-pirenen'ny monisipalite (CNN, amin'ny teny Portiogey), ny tanànan'i Salvador no manana ny taha ambony indrindra amin'ny fahafatesana vokatry ny tifi-basy tany Brezila tanelanelan'ny taona 1998 sy ny taona 2008, notaterin'ny vohikalan'ny Rádio Metrópole [pt].
Mandritra ny Fetibe dia mampihena ny kianja malalaka tsy andoavam-bola ny firoboroboan'ny ‘camarotes’ manaraka ny lalana, izay mampisy elanelany bebe kokoa eo amin'ny manankarena sy ny mahantra, ary mety hiteraka adin-tsaranga aza. Tsy misy famirapiratana velively ny momba azy ity ao amin'ny Wikitravel ao amin'ny fizarana hoe Stay Safe : “Noho ny elanelan-tsaranga midangana, malaza noho ny heloka an-dalambe i Salvador”.

"Miala tsiny noho ny fanelingelenana, Miasa izay hahatsara kokoa an'izao tontolo izao!" Saripika Clarissa Pacheco hita ao @ Flickr (CC BY 2.0)
Ao amin'ny Facebook ny mpisera Ernesto Diniz no mijery fa nampifamatotra ny fiaraha-monina ny Fetibe [Karnavalina] [pt]:
Com a cara-de-pau de um turismo excludente e industrializado, a cidade, ano a ano, é loteada e paralisada para que o Carnaval possa passar. A festa foi descaracterizada há muito e pouco sobrou do Carnaval que celebra a suspensão de todas as diferenças.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...