Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray momba an'i Eraopa anaty Fahasahirànana.
Tao Gresy, ny 6 Janoary dia androm-pirenena fankalazàna ny Theophany, fantatra hatry ny ela amin'ny hoe Phota (“hazavàna”). Ireo fomba amam-panao ireo dia mihodina manodidina ny Fitahiana Lehibe Avy Amin'ny Rano : atsipy any anaty rano ny hazofijaliana iray ary miezaka ny hàka azy io ny olona mba handraisana vintana tsara sy fitahiana. Isan-taona, ny governemanta sy ireo mpiasam-bahoaka dia mandray anjara amin'ilay fankalazàna, ka aorian'izany no ananan'izy ireo fotoana hanaovana fanambaràna amin'ny fomba ofisialy momba ny maha-zava-dehibe ara-pinoana an'io andro io, laroina fanehoan-kevitra ara-politika sy ara-tsosialy.
Kanefa, noho ny fahasahirànana ara-toekarena, politika ary sosialy lalovan'i Gresy, ny fankalazàna tamin'ity taona ity dia voamariky ny fanehoan-kevitra mivaivay avy amin'ny vahoaka amin'ny tsy hafaliany sy ny fanakianany an'ireo mpanao politika. Tsy dia nahagaga loatra ny nisian'izany, satria tahaka izay efa niseho rahateo tany aloha nandritra ny androm-pirenena fankalazàna ny “Ochi” tamin'ny 28 Oktobra, rehefa voatery niàla ny Filoha Karolos Papoulias taorian'ny nilazan'ireo mpanao hetsi-panoherana azy ho mpamadika.
Chalkida, Evia
Nitranga indray izany tamin'ity indray mandeha ity, rehefa niseho tao Chalkida ny Filoha Papoulias, raha tokony ho tany Piraeus, seranana lehibe ao amin'ny firenena, no nalehany araka ny fomba fanao. Nohorakorahan'ny vahoaka izy, niantso azy ho mpamadika sy niventy teny faneva manohitra ny fanenjanana ny fitantànana, araka izay asehon'ity lahatsary [el] manaraka ity :
Nisy vondron'olona kely niezaka ny ho tonga teny amin'ny lampihazo nisy ireo olo-manankaja, saingy voasakan'ny mpitandro filaminana. Nandao ny toerana tsy nanao fanambaràna ofisialy ny filoha.
Ny mpitandro filaminana tao Chalkida dia nisambotra olona enina, telo lahy sy telo vavy, ary dia nisokatra ny antontan-taratsy iray miampanga azy ireo ho “nanevateva ny voninahitry ny Filohan'ny Repoblika”. Namoaka didy famotsorana azy ireo ny mpampanoa lalàna tao amin'ilay tanàna.
Samy nanehoan'ireo mponin'ny aterineto hevitra avokoa na ny momba ny horakoraka nahazo an'i Papoulias, na ny fisamborana ireo mpanao fihetsiketsehana, ka ny maro indrindra tamin'izany dia nomba ireo voasambotra sy nanohitra ny fitondrantenan'ny manampahefana ary ny tsy fandraisana andraikitra manoloana ny fahasahiranana misy amin'izao fotoana :
Makis: ΣΙΓΑ ΤΟ ΠΡΟΣΩΠΟ.ΚΑΛΑ ΤΟΥ ΕΚΑΝΑΝ.
@stefivos: Ο Κάρολος Παπούλιας πρέπει να ‘χει κάνει ασφαλιστικά μέτρα εναντίον όλων των πολιτών. Αν παραβιάσεις την ακτίνα 50μ. συλλαμβάνεσαι.
Sonia Andrianou: Από πότε διώκεται ρε παιδιά η ελευθερία του λόγου και της έκφρασης; Γιατί το άρθρο δε λέει να τον αποδοκίμασαν με τπτ αντικείμενα ή να τον πείραξαν σωματικά! Θα τρελλαθούμε εντελώς…
Vitsivitsy no nanohana fomba fijery iray hafa mihitsy :
miri: Μα τι έφταιξε ο Πρόεδρος της Δημοκρατίας;
user Under: Οχι οτι εχω καμια διαθεση να υπερασπιστω τον Παπουλια τον οποιο τον θεωρουσα προδοτη πολυ πριν το ξεσπασμα της κρισης αλλα απο την αλλη παραγινεται γραφικο να δινεται εμφαση σε καποια περιστατικα αποδοκιμασιων. Μαζευονται 5 γραφικοι “αγανακτισμενοι” και αποδοκιμαζουν και αυτο γινεται θεμα.[…] Λιγη σοβαροτητα δεν βλαπτει.
Kitsos dia manindry fa tsy misy na iza na iza afaka hanery ny hafa hanaja azy :
Kitsos (07/01, 10:36): Τον σεβασμό τον εμπνέεις ! Άμα χάσεις τον σεβασμό του κόσμου δεν τον επιβάλεις ούτε με χίλιους στρατούς. Κάτι ήξεραν οι παλιοί ηγέτες που έλεγαν “ισχύς μου η αγάπη του λαού μου”.
Dimitris Vlachos dia manontany tena ny amin'ny antony nitateran'ny vaovao tahaka ny hoe isan-jaton'olona faran'izay bitika no naneho ampahibemaso ny tsy fanjàny ny Filoha :
Dimitris Vlachos: Apo merida kosmou? Oloi ton giouxaran!
Ny andro nialoha io, tamin'ny fanehoan-kevitra taminà lahatsoratra iray izay nanambàra ny fisehoan'i Papoulias tao Chalkida raha tokony ho tany Piraeus, Dimitris N. dia “naminavina” hoe:
Dimitris N. (05/01, 15:41): Καλά έχει να ακούσει τα σχολιανά του, αν και έχω την αίσθηση ότι δεν θα πάει ούτε εκεί αλλά θα κάτσει στο προεδρικό μέγαρο….όπου και να πάει ο λαός θα καταστρέψει την παράτα…
Faharoan'izay, nokianin'ny vahoaka ihany koa ny hoe ny Praiministry ny governemantan'ny marimaritra iraisana, Loukas Papadimos, dia tsy nanam-potoana nanatrehana fotoam-pankalazàna na iray aza, noho ny fandaharam-potoanany feno be. Lahatsoratra iray ao amin'ny apospasma.gr no miteny hoe :
[…]δεν τόλμησε να πάει στην τελετή αγιασμού των υδάτων στον Πειραιά επειδή θα άκουγε τα εξ΄αμάξης.
Athens, Attica
Vao haingana, tao Athens, ny Minisitry ny ny Fanabeazana, Anna Diamantopoulou, dia nohorakorana nandritra ny fankalazana tao Dexameni any Kolonaki. Ao anatin’ity lahatsary ity [el], re ireo olona mihiaka hoe “Mahalevona tsara!” ( matetika ampiasain'ny Grika aorian'ny teny hoe “Mazotoa homana”) ary hoe “Ento miverina ny volan'ireo Orinasa afak'haba”:
Ny tsy hafaliana faobe manoloana ireo mpanao politika, indrindra indrindra fa ireo olom-boafidy avy amin'ireo antoko roa lehibe (PASOK sy ND), dia niteraka indray mandeha indray adihevitra lavabe momba ny andraikitry ny tsirairay sy ny fanohanan'ireo mpanao politika amin'izao fotoana:
Nikos Prassas: Καλά είναι τα μασκαριλίκια, οι αποδοκιμασίες και οι αντιπολιτευτικές διαμαρτυρίες, το μόνο εύκολο! Κάποτε όμως καταντούν και κουραστικές, όταν δεν υπάρχουν προτεινόμενες λύσεις!
Maria Kapurani: ολοι εσείς που βρίζετε τους πολιτικους(και καλα κανετε) την Ευρώπη και ολα, αναρωτηθειτε μια φορά, 30 χρονια στη μεταπολίτευση τι έκανα ”ΕΓΩ” για την πατρίδα μου για να μην φτάσει εδω? Νομίζω οτι φωνάζετε επειδή ξεβολευτήκατε. Μια αγανακτισμένη… με ολους
Mandritra izany anefa, ny vaovao noresahana betsaka any anaty media sosialy dia hoe i Apostolos Gkletsos, mpisehatra malaza iray sady ben'ny tanàna ankehitriny ao Stylida, dia nahavita nitsoraka tany anaty rano mba hifaninana haka ilay hazofijaliana masina – tsara marihana satria izy dia olona manana aretin'ny fo. Ny “lanja” nomena izay tranga izay dia narahana fanehoan-kevitra mahatsikaiky tao amin'ny on Twitter:
@iokastita: Ο γκλέτσος ετοιμάζεται να βουτήξει στη Στυλίδα για να πιάσει το σταυρό.Το καλύτερο νέο μετά τη μεταπολίτευση.
@Conn_x: Ο Γκλέτσος σήμερα δεν θα βουτήξει. Θα περπατήσει πάνω στο νερό.
Ny fankalazàna ny Theophany koa dia nitondra zava-manorisory sy henjankenjana, ohatra ireo avy amin'ny Teacherdude sy Yns_x:
@teacherdude: ή Εορτή των Φώτων ακυρώθηκε φέτος – δεν πληρώσουμε το χαρτάτσι της ΔΕΗ
@yns_x: Στον Έβρο γιορτάζουν κάθε μέρα τα Θεοφάνεια -εκατοντάδες μετανάστες βουτούν στα νερά του προσπαθώντας να αγγίξουν το (όποιο) θαύμα.
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray momba an'i Eraopa anaty Fahasahirànana.