Tantara tamin'ny 26 Septambra 2011
Alzeria : Lalao Baolina Kitra, Toerana Vaovao Hanehoana Tsy Fitovian-kevitra
Nahita fomba vaovao hanaovana izay hihainoana ny feon'izy ireo ny Alzeriana. Ireo mpijery baolina kitra dia nanararaotra ny fotoana mba hilazana ny fahitan'izy ireo ny politika, ao amin'ny firenena izay niaro fatratra ny tenany tamin'ilay revolisiona antsoina hoe Lohataona Arabo
Bolivia: Nosakan'ny Polisy Ny Diaben'ny Zanatany manohitra ny Lalambe migodàna
Mitohy ny diabem-panoherana ataon'ny Zanatany mba hampitsaharana ny fanorenana ny lalambe migodàna mamakivaky ny TIPNIS, ilay Valam-pirenena Isiboro Sécure Faritanin'ny Zanatany, araka ny efa notaterin'ny Global Voices. Ao amin'ny bolongana Bolivia...
Arabia Saodita : Nahazo Alàlana Hiditra Ho Ao Amin'ny Filankevitry Ny Shura Ny Vehivavy
Ny Vehivavy Saodiana, izay tsy afaka ny hamily fiara any amin'ny firenena misy azy, dia hahazo aàlana ny hiditra ho mpikambana ao amin'ny filan-kevim-pirenen-dry zareo misy mpikambana 150 na ny Filan-kevitray ny Shura, rantsana mpanolotsaina izay misy fetrany ihany ny fahefany ao amin'ny governemanta sy ny fanaovan-dalàna. Noraisin'ny mponina an-kafaliana ilay fanapahan-kevitra.
Syria: Nosomparan'ny Anonymous ny vohikalam-panjakana
Voasovoka ny vohikalam-panjakana any amin'ny tanàndehibe Syriana rehetra noho ny asam-panafihana ataon'ny mpisovoka Anonymous amin'i Syria. Mifampizara pikantsarin'efijery amin'ny alalan'ny tenifototra #OpSyria ny mpisera
Zambia: Lasa Alohan'ny Fampahalalam-baovao Mahazatra ny Mpiserasera Amin'ny Famoahana Vaovao Momba Ny Fifidianana
Nifidy filoham-pirenena, mpikambana ao amin'ny antenimiera ary solotenan'ny governemantam-paritra ny Zambiana tamin'ny 20 Septambra 2011 lasa teo, fantatra fa nanomboka tamin'ny 6 ora maraina ny fandatsaham-bato, maresaka tanteraka ny Twitter,...
Tonizia: Noafahana i Samir Feriani mpitoroka
Noafahan'ny fitsarana ady miaramila ao Tonizia vonjimaika i Samir Feraini, mpiampanga, tamin'ny 22 Septambra, notazonina nanomboka tamin'ny 29 Mey 2011 izy, noho ny fanakianana nataony tamin'ny Minisitry ny Atitany Toniziana. Andro...
Okraina: Lahatsary Fohy Vokarin'ny Tanora Ho An'ny Fitovian'ny Lahy sy ny Vavy
Nandray anjara taminà fifaninanana mamokatra lahatsary fohy miady amin'ny fitsaràna an-tendrony ny vehivavy sy ho amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, ireo tanora Okrainiana. Ireny lahatsary ireny dia niresaka olana izay azon'ny olona maro takarina amin'ny tenim-pirenena maro.