· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Febroary, 2011

Zimbaboe: Fihaonana tamin'ny mpitoraka bilaogy sy poety Zimbaboeana, Mcgini Nyoni

  12 Febroary 2011

Mamela ny dindony eo amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ireo fitaovana media sosialy hafa ny Zimbaboeana. Ilay Zimbaboeana mpitoraka bilaogy, poety, mpanoratra tantara an-tsehatra sady mpampianatra , Mcgini Nyoni, dia tsy mivoana amin'izany. Mcgini dia Filoha Mpamorona ny tetikasa Poezy Bulawayo. Ity misy fanadihadiana avy amin'ny mailaka nifanaovako taminy.

Sodana: “Revolisiona Facebook” miaraka amin'ny Fanampian'ny Twitter avy eo an-damosiny

  01 Febroary 2011

Firehana vaovao no atrehintsika androany eto Sodana. Nitombo niaraka tamin'ny niomerika ny tanora Sodane, ary tsapan'izy ireo tsara ny fivoaran'ny tontolo manodidina azy ireo. Mampiasa ny fitaovana tambajotra sosialy mba hanaovana izay handrenesana ny feony sy hiantsiana ny fitondrana ireo tanora Sodane. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, hojerentsika ny fomba ampiasàna ny fitaovana media sosialy ho fanampiana handrindràna, handraketana ary hitaterana ny hetsi-panoherana tamin'ny 30 Janoary.