Sodana: “Revolisiona Facebook” miaraka amin'ny Fanampian'ny Twitter avy eo an-damosiny

Nifidy ny 30 Janoary 2011 ny mpianatra Sodane mba ho fanombohan'ny hetsika am-pilaminana manohitra ny Filoha Omar al-Bashir. Ny tena antso fototra dia ny fanaikàna ny vahoaka hirotsaka an-dalambe tao Khartoum nalefa tao amin'ny Facebook. Ity ve no voalohany amin'ny “Revolisiona Facebook” eto Sodana miaraka amin'ny fanampian'ny twitter avy eo an-damosiny?

Ireo fitaovana fampitàm-baovao sosialy toy ny bilaogy, Twitter, Facebook sy YouTube dia nitàna toerana lehibe tamin'ny fandrindràna  sy fanarahana ny fihetsiketsehana am-pilaminana ny 30 Janoary tao Sodana. Ao anatin'ity lahatsoratra ity dia hiezaka aho ny hanasongadina sasantsasany amin'ireo fitaovana media sosialy nampiasaina handrindràna, hitaterana ary hitondrana fanehoan-kevitra mikasika ilay fanoherana.

Nitàna toerana lehibe toy ny hoe foiben'ny fanangonam-baovao sy toeram-pandrindràna ny Facebook raha tao amin'ny Twitter indray dia nitatitra mikasika ny fihetsiketsehana amin'ny fotoana tena itrangany ireo mpampiasa azy. Jan30Sudan nampiasa ny valan-tserasera  Ushahidi ho fametrahana tahirin-kevitra anaty sarintany.

Izy ity dia toa sahala amin'ny niantomboka tamina Vondrona Facebook iray nitàna  ny toeran'ny mpitarika nanasa ny vahoaka hanotrona ny hetsi-panoherana. Ilay vondrona dia nantsoina hoe “>شبــاب لأجـل الـتـغيـــر·.»شـــرار ة  izay midika hoe Tanora Ho an'ny Fanovàna “ny Pitik'Afo”. Ilay vondrona,  izay manana namana maherin'ny  8,000, ary heverina ho nanampy tamin'ny fanatontosana ny hetsi-panoherana. Vondrona Facebook iray hafa ny “>رصد الاعتقالات و التجاوزات القانونية في مسيرة 30 يناير السلمية بالخرطوم izay midika hoe “Fandraketana na Fanavaozana mikasika ireo fisamborana sy fihetsika tsy araka ny lalàna na herisetra tamin'ny Hetsika Fanoherana am-Pilaminan ny 30 Janoary tao Khartoum.”

Ireo mpanohitra tao Khartoum, Sodana. Sary natolotr'i Ehsasi Gdeed.

Amin'ny lafiny iray, misy bilaogy toy ny hurriyatsudan, izay manaraka ny vaovao sy manome fanavaozana. Ilay bilaogy dia namoaka ny anaran'ireo olona voasambotra. Ny vohikala Jan30Sudan dia nanampy ny olona hamantatra ny toerana misy ny hetsika sy ny zava-mitranga toy ny fisamborana na  ny fifandonana amin'ny polisy.

Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo zava-nitranga  voarakitra ao anaty sarintany:

* Mampiasa baomba mandatsa-dranomaso amin'ireo mpianatra ho mpitsabo ny polisy
* Famoriam-bahoaka sy hetsika am-pilaminana
* ny mpitandro filaminana Sodane mila vaniny amin'ireo mpanao gazety vahiny
* Sarin'ireo polisy midaroka mpanao fihetsiketsehana teo amin'ny  Palace Street
* Lahatsarin'ny hetsika tao Khartoum

Ny sasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana dia nampakatra lahatsary tao amin'ilay vohikala fifampizaràna lahatsary, Youtube.

Ireo fanavaozam-baovao ao amin'ny Twitter ampiasàna ny tenifototra  #SudanJan30 dia nanomboka hatrany ampiandohan'ny hetsi-panoherana avy amin'ireo mpanotrona ny hetsika toa an'i  simsimt sy ny hafa izay nanaraka ny hetsika tamin'ny alalan'ny aterineto.

simsint: tsy mahavita mi-tweet ety am-pandehanana. Raha atambatra dia 100 eo ho eo. Momba ny sondro-bidy ny ankamaroan'ny sora-baventy #Sudanjan30.

OBsilence : Polisy eto #sudan mifanandrina amin'ny mpanao hetsika. Ireo mpihetsiketsika manohitra ny governemanta dia miatrika ny polisy ao anatin'ireny fihetsiketsehana ireny #Sudanjan30.

simsimt: notafihan'ny polisy mpandrava korontana izahay. Manomboka mitombo isa ny vahoaka. Mizarazara ireo mpanao fihetsiketsehana ho vondrona kelikely kokoa any amin'ireo lalana manodidina .

krmaher RT @bechamilton Ao amin'ny http://bit.ly/gEM6VO ankehitriny ny anaran'ireo fantatra fa voasambotra #Sudanjan30

SudanJan30 Nefa ny vahoaka dia miresaka pitik'afo, ary ny eritreritra dia ny hitazona ny lelafo sy ny hetsika #Sudanjan30

Simsimt: An'arivony ? RT @ykhogaly An'arivony ireo mpanao fihetsiketsehana no ao afovoan'i Khartoum, mivondrona taorian'ireo fisamborana am-polony, baomba mandatsa-dranomaso ary daroka

Ary farany, sahala amin'ny mitohy ihany ny pitik'afo satria mbola manomana hetsika misimisy kokoa ireo mafàna fo :

oddread: #Sudan Miantso andro faharoa izao ho an'ny hetsika rahampitso ny tanora #Sudanjan30 #Jan30

Izao hitantsika izao dia tsy mbola fahita mihitsy teto Sodana. Nitombo niaraka tamin'ny niomerika ny tanora Sodane, ary tsapan'izy ireo tsara ny fivoaran'ny tontolo manodidina azy ireo. Arakaraky ny iparitahan'ny resaka dizitaly, indrindra indrindra fa miaraka amin'ny fametrahana ny fibre optique ambany ranomasina, no koa vao mainka mandrisika ny tanora Sodane handray an-tanana ny aminy amin'ny alàlan'ny fitaovana tambajotra sosialy mba hanaovana izay handrenesana ny feony sy hilazàny ny olany momba ny hoaviny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.