Tanzania: Veloma Farany Ho An'ilay Kalazan'ny Sarimihetsika

Nanao veloma farany ho an'ilay mpilalao sarimihetsika malaza indrindra,  Steven Kanumba, 28 taona, i Tanzania, nampihetsim-po tanteraka ny fandevenana azy tamin'ny 11 Aprily 2012. Namoy ny ainy izy ny Asabotsy maraimbe, rehefa avy nifamaly tamin’ ny sakaizany Elizabeth ‘Lulu’ Michael.

Olona maherin'ny 30,000 no tonga nanome voninahitra azy farany tao an-drenivohitra, anisan'izany ny filoha-lefitra Tanzaniana Mohamed Gharib Bilal, ny vadin'ny filoham-pirenena Mama Salma Kikwete, mpiasa-panjakana ambony ao amin'ny governemanta, mpanankato sy ny olona avy amin'ny vazantany efatra, manaporofo izany fa malaza dia malaza tokoa i Kanumba izay mbola tena tanora, teo koa ny anjara biriky nentiny teo amin'ny sehatry ny sarimihetsika tao Tanzania (sarimihetsika fanta-daza Bongo).

More than 30,000 people gathered to pay their last respects. Photo courtesy of @BongoCelebrity.

Mihoatra ny 30000 ny olona nanome voninahitra farany. Saripika hatsarampo @BongoCelebrity.

Naka sary ny sasany tamin'ireo mpandevina ary nisioka izany mivantana fa malahelo mafy ny olona, torana ary nangataka mihitsy mba hibata ny tranovorona misy ny nofo mangatsiakan'ilay mpilalao sarimihetsika kalaza mamin'izy ireo hatreny amin'ny fasana.

@BongoCelebrity nisioka hoe:

@BongoCelebrity: Wananchi wanaimba kwa nguvu wakisema wanataka wamshushe kwenye gari wambebe wenyewe!

@BongoCelebrity: Miventso am-pitiavana ny olona ary nilaza fa te-haka azy ao anaty fiara ka izy ireo ihany no hibata azy!

Nalaza tanteraka tao amin'ny fampitam-baovao sosialy ny vaovao momba ny fahafatesan'i Kanumba tamin'ny Asabotsy maraina. Mpamahana bolongana Pretty Sintah nanoratra hoe:

Dear Wadauzz
nasikitika kutangaza kifo cha Steven kanumba ambaye amefariki leo saa saba ya usiku,maiti ipo Muhimbili hospital.
chanzo cha kifo,inasemekana Lulu na Kanumba were dating secretly,na walikuwa pamoja wakati wa kifo chake,Lulu alimsukuma Kanumba wakiwa katika ugomvi na kanumba akadondoka na kutoa damu na ndipo mauti ilimshika
kwa sasa Lulu yupo Osterbay police.
nitawaletea more updates
ila tusimlaumu Lulu kwani ugomvi katika mapenzi unatokea.
Angalizo
uki comment naomba ujue nilikuwepo eneo la tukio kuanzia Home kupeleka maiti hosp na kurudi kwake Sinza,kwa ujumla sijalala,Ma
ni hilo tuu

Ry vahoaka namana,
Malahelo aho mampandre anareo ny fahalasan'i Steven Kanumba izay namoy ny ainy tamin'ny iray maraina, ao amin'ny hopitaly Muhimbili ny nofo mangatsiakany.
Ny anton'ny nahafaty azy, voalaza fa niaraka mangingina i Lulu [sakaizany] sy i Kanumba, ary niaraka izy ireo tamin'ny andro nahafatesany, rehefa nifamaly izy ireo dia natosik'i Lulu i Kanumba  ka nianjera, nijinika ny rà arak'izany ka nitarika ny fahafatesany avy eo.
Voatàna ao amin'ny biraon'ny polisy ao Oysterbay i Lulu amin'izao fotoana izao.
Ampitaiko aminareo eny ihany ny vaovao farany
Saingy aza manome tsiny i Lulu satria mbetika misy ny adiady ao anatin'ny fiarahana
NB:
Rehefa hanoratra fanehoan-kevitra ianareo, fantaro fa nanatrika ny zava-nitranga tany an-tranony aho, ary raha naka ny nofo mangatsiakany tany amin'ny hopitaly izahay ka nody tao amin'ny trano fonenany ao Sinza. Tsy natory mihitsy aho.
Izay ihany

http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=YnZb8hY6Ad8

Marobe ny zavatra naely mikasika ny fahafatesan'i Steven Kanumba sy ny amin'ny fihetsika nataon'ny sakaizany Lulu, saingy fanehoan-kevitra iray tao amin'ny bilaogin'i Pretty Sintah kosa namehy ny tsaho niely momba ity voina ity tao amin'ny valantserasera :

Mafy tokoa izany nilaozanao  izany ry mahery fo anay, Steven Kanumba ‘ny mahery’ tokana eto an-tany. Banga anao tanteraka  ny Tanzaniana ry namana akaiky indrindra. Mirary fiononana ho an'ny reninao, ny rahalahinao, ny fianakaviana manontolo, ny namantsika ao amin'ny sarimihetsika bongo sy ny fiarahamonina TZ rehetra aho.
Tsy mety ny mitsara na iza na iza ao anatin'izao raharaha izao, Andriamanitra irery no afaka mitsara ny olombelona, Eritrereto raha iharan'ny fitsaran'ny olon-drehetra ianao manokana tahaka izao mahazo an'i lulu ankehitriny izao!! Inoako fa tsy nanam-pikasan-dratsy hamono an'i Kanumbma toy izao i Lulu, ary mino koa aho fa tsy voarohirohy amin'izao raharaha izao izy, angamba mety misy ifandraisany amin'ny toe-pahasalaman'i Kanumba ny fahafatesany, kanefa aleo samy miandry ny valin'ny fanadihadiana avy amin'ny dokotera sy ny mpisolo vava.
Mandriam-piadanana ny malalanay Kanumba. Fotoan-dehibe ho an'ny namantsika tahaka an'i Vincent Kigosi sy ny hafa izao hanohizana izay efa natombok'i Kanumba; mbola manana mpilalao sarimehitsika vehivavy sy lehilahy mahay isika hilalao indray ny andian'ny sarimihetsika manaraka. Matoky tanteraka anao aho Ray.

Nahitana fanehoan-kevitra feno fampiononana avy amin'ny valantserara tao amin'i Wavuti,  anisan'izany ny sioka farany navoakan'i  Kanumba, sy ny sioka nalefan'ny mpankafy azy taorian'ny fahafatesany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.