
Ireo mpikarakara ny Diabe Aurat nanentana ny vahoaka tamin'ny Andro iraisampirenena ho an'ny vehivavy tao ivelan'ny National Press Club, Islamabad. Sary avy amin'i Ramna Saeed. Nahazoana alalana.
Nandritra ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy, 8 Martsa, nidina an-dalambe fanimpitony taona nisesy ny vehivavy ao an-tanàndehibe manerana an'i Pakistan, anisan'izany Islamabad, Lahore, Karachi ary Multan, mba hiaro ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, ny rariny ary ny fiarovana manoloana ny fenitra fanjakazakan-dray.
Vondrona feminista izay mivondrona mba hanohitra ny fanavakavahana sy ny hantsana manelanelana ny Diabe Aurat. Nanatrika ny diabe ireo vehivavy, tovovavy, mpanova fananahana, ary ny lehilahy mpiara-dia an-jatony manerana an'i Pakistan.
Ny lohahevitry ny Diabe Aurat dia ny fanafahana sy ny fanohanana an'i Palestina, ary manolotra fanehoan-kevitra momba ny lohahevitra mifandraika amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ny toko tsirairay.
Hamaky bebe kokoa: Diabe Aurat mandrava ny sakana amin'ny patriarika ao Pakistan
Fikorontanana tamin'ny Diaben'Islamabad
Nolanjain'ireo vehivavy mpanao diabe Aurat ao Islamabad ny sora-baventy misy hafatra firaisankina amin'ireo vondrom-piarahamonina ampahoriana, toy ny fanavakavaham-bolonkoditra mitranga ao Gaza sy ny fampanjavonana an-terisetra sy ny famonoana tsy ara-pitsarana tao Balochistan, Pakistan.
Nasongadin’ny sora-baventy ihany koa ny fanirian’ny vehivavy handeha hody tsy manahy ny hotohintohinina. Olana iraisan'ny vehivavy ao Pakistan io, satria matetika izy ireo no iharan'ny fanorisorenana ara-nofo sy herisetra eny ankalamanjana.
Nandritra ny diabe, nihiaka teny filamatra momba an'i Gaza ireo vehivavy, naneho ny fanohanany an'i Gaza, izay nahitana vehivavy sy ankizy maherin'ny 25.000 namoy ny ainy tamin'ny adin'i Israely tamin'i Gaza nanomboka 7 Oktobra 2023. Feno fihetseham-po sy fahavononana ny rivo-piainana satria nampiaka-peo ho an'ny rariny sy ny fitovian-jo ny vehivavy.
Na izany aza, niatrika fanamby avy amin'ny polisy sy ny manampahefana ny diabe.
This is how Islamabad police stopped the Marchers of Aurat March from Press Club to D Chowk in Islamabad. #AuratMarch2024
Long live resistance ✊ pic.twitter.com/A7lubHZFHi— Ramna Saeed (@Ramnasaeed) March 8, 2024
Toy izao no nanakanan'ny polisin'i Islamabad ireo mpanao Diaben'ny Aurat avy ao amin'ny Press Club nankany D Chowk ao Islamabad.
Ho ela velona ny fifaharana
Vitsy kokoa noho ny tamin'ny taona teo aloha ny isan'ny vehivavy niangona tamin'ny fihetsiketsehana, ary nilaza ny tatitra fa nanakorontana ny toe-draharaha ny polisy tamin'ny alalan'ny fametrahana sakana ara-batana sy ny fametrahana fiara fitondrana gadra. Nilaza ny mpikarakara diabe Aurat fa niatrika fanoherana mafy avy amin'ny manampahefana izy ireo tato anatin'ny taona vitsivitsy, izay mety hisy fiantraikany amin'ny isan'ny mpanatrika. Bariya Shah, mpikarakara ny Diabe Aurat, nilaza tamin'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny WhatsApp hoe:
Last year there was even more violence done by the police, then at the next following year the ratio of people tends to decrease due to the fear of being beaten by the police or getting arrested.
Vao mainka nitombo ny herisetra nataon'ny polisy tamin'ny herintaona, ary ny taona manaraka, mihena ny isan'ny olona noho ny tahotra hodarohan'ny polisy na hosamborina.
Nilaza ny mpikarakara ny Aurat March fa nanao herisetra ny polisy:
All chapters of Aurat March are dismayed by the treatment of Marchers in Islamabad at the hands of the Islamabad police curtailing their right to protest on flimsy grounds.#AuratMarch2024 pic.twitter.com/2KnHCr3XX0
— Aurat March Lahore (@AuratMarch) March 9, 2024
Sanganehana amin'ny fitondran'ny polisy ireo mpanao diabe ao Islamabad ny toko rehetra amin'ny diabe Aurat, manakona ny zon'izy ireo hanao fihetsiketsehana noho ny antony manjavozavo.
Nilaza tamin'ny Global Voices nandritra ny Diabe Aurat tao Islamabad i Iman Hazir Mazari, mpikatroka mpisolovava sady mpiaro ny zon'olombelona hoe: “Arovan'ny fanjakana hatrany izay mahery setra sy mahery fihetsika manohitra ireo manao fihetsiketsehana am-pilaminana” (manondro ireo mpanao fihetsiketsehana milamina amin'ny Diabe Aurat) .
‘Politika, Fanoherana, Fanafahana ary Fahalalahana’
Tamin'ity taona ity, nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety feminista ny Diabe Aurat mba hahatonga ny diabe ho toerana iraisana sy azo antoka ho an'ny vehivavy sy ny mpanao gazety transgenre hifanerasera amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Tsy toy ny tamin'ny enintaona lasa izay, tsy maintsy niatrika tontolo mikorontana tanteraka teo amin'ny lehilahy mpanao gazety ao amin'ny Lahore Press Club ny Diabe Aurat.
Mehreen Burney, mpanao gazety avy ao amin'ny The Current, fanombohana vaovao nomerika nilaza hoe:
Today, @AuratMarch organized a Feminist Press Conference – an inclusive space for women and transgender media persons where they could engage meaningfully with Aurat March members as they explained this year's demands and manifesto. https://t.co/byS28lymmw
— mehreen (@mehreenburney) March 6, 2024
Nikarakara fihaonambe ho an'ny mpanao gazety feminista – sehatra iray ho an'ny vehivavy sy ny olon'ny media mpanova fananahana, izay ahafahan'izy ireo mifandray tsara amin'ireo mpikambana ao amin'ny Diabe Aurat androany ny @AuratMarch, raha nanazava ny fitakiana sy ny manifesto tamin'ity taona ity izy ireo.
Miresaka momba ny fiovaovan'ny toetr'andro, ny mangarahara amin'ny voka-pifidianana, ny fampitomboana ny fisoloantenan'ny vehivavy ao amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny politika, ny fampitsaharana ny fampanjavonana an-terisetra, ary ny fanamelohana ny fanapahan-kevitry ny governemanta vonjimaika amin'ny fandroahana ireo Afghana mpitsoa-ponenana ny teny ierana (manifesto) voatonona ao amin'ny siokany.
Nahasarika mpanatrika avy amin'ny fiaviana samihafa ny diabe tao Lahore, anisan'izany ireo mpianatra, olona nanova ny taovam-pananahany, vehivavy mpiasa amin'ny orinasa, ary vehivavy zokiolona mpikatroka izay nandray anjara tamin'ny fampandrosoana ny zon'ny vehivavy tao Pakistan. Nozaraina tamin’ireo mpandray anjara ny manifesto, ary nisy ny fampisehoana samihafa nentina nampita hafatra.
Fametrahana zava-kanto maromaro mitrandraka momba ny politika sy ny fanoherana no natsangana hanoherana ny tsy rariny eo an-toerana sy iraisampirenena. Iray amin'izany ny tonelina fanorisorenana an-dalambe, izay aseho amin'ity sioka manaraka ity:
ہمارے قدموں میں چل کے تو دیکھ
Aurat March Lahore displayed a “street harassment tunnel”, with snippets of catcalling experienced by gender minorities. Ask any woman or khawajasira person what they feel when they are out and each one of us will have a story. 1/2 pic.twitter.com/X1npmFFyxa
— Aurat March Lahore (@AuratMarch) March 9, 2024
Nampiseho ny “tionelin'ny fanorisorenana eny an-dalambe”, ahitana sombintsombim-pandrabirabiana niainan'ireo vehivavy vitsy an'isa ny diabe Aurat Lahore. Anontanio an'izay vehivavy na olona khawajasira ny tsapany rehefa any ivelany izy ireo ary samy hanana tantara izahay tsirairay avy.
Na dia teo aza ny fikasana am-pilaminan'ny mpikarakara, nisy ireo YouTubers mahaleotena sasany niezaka nanakorontana ny diabe tamin'ny fanorisorenana ireo mpandray anjara tamin'ny alalan'ny fanontaniana mahasosotra sy famoronana lahatsary feno fikasan-dratsy mba hanaparitahana toe-tsaina mahery fihetsika.
Nandritra ny diabe, nanontaniana ny mpandray anjara iray na lehilahy izy na vehivavy, saingy tsy nety namaly ireo. Nisisika ilay YouTuber avy eo: “Manomeza andrana hanaporofoana ny maha-lahy na maha-vavy anao.”
youtubers harassing a male supporter of aurat march, just imagine what these bullies do to female participants of aurat march 🤯 pic.twitter.com/fXdNEZq6O4
— I b r a h e e m (@Ibraheeeeem92) March 9, 2024
YouTubers manorisory lehilahy mpanohana ny diabe aurat, alaivo sary an-tsaina fotsiny ny ataon'ireo mpampijaly ireo amin'ireo vehivavy mpandray anjara amin'ny diabe aurat pic.twitter.com/fXdNEZq6O4
Diabe Aurat tany Karachi
Nahitana zava-baovao tokoa sy nisy fiantraikany ny diabe Aurat tao Karachi ; manasongadina fivoriana telo samihafa natao tany amin'ny faritra samihafa an'ny Frere Hall Gardens, samy miresaka lohahevitra manan-danja: Zon'ny vitsy an'isa, fiovam-pinoana an-tery, fanomezan-danja ara-toekarena ny vehivavy, ary zon'ny mpanova taovam-pananahana. Nampientanentana sy maro loko ny diabe, nahasarika mpandray anjara avy amin'ny fiarahamonim-pirenena, mpahay lalàna, mpikatroka ary mpianatra. Nanasongadina ny fijalian'ireo fianakaviana manana hava-tiana nanjavona na nalaina an-keriny ireo lahateny ary naneho firaisankina tamin'ny fahoriana, ny famoizana ary ny ranomason'ny vahoaka Palestiniana.
Vakio bebe kokoa: Adin'Israely amin'i Gaza
Nilaza tamin'ny Global Voices tao amin'ny WhatsApp i Michelle Chaudary, Filohan'ny Cecil & Iris Chaudhry Foundation (CICF) sady mpanohana ny Diabe Aurat hoe: “Nandritra ny taona maro, niharan'ny fiovam-pinoana an-terisetra ireo vehivavy sy tovovavy avy amin'ny vondrom-piarahamonina Haindoa sy Kristiana, ary mankasitraka izahay fa niresaka io olana io tamin'ny ambaratonga lehibe toy izany ny Diabe Aurat. “
Tsy ho tanteraka ny diabe raha tsy misy ny fametrahana, ary anisan'izany ny diaben'i Karachi. Natsangana ny sarivongana maneho ny fanjakazakan-dray ary nodorana taty aoriana mba hanehoana ny hatezerana sy ny fahasorenan'ny vehivavy.
Burning a symbolic ‘putla of the pidarshaahi’ was an emotional, rage filled, & cathartic moment for us. The symbol of a system that perpetuates rape, physical and sexual abuse against our bodies, burning in front of us, in the midst of our chants of ‘Azaadi’, before the most… pic.twitter.com/9D8d3tjGL5
— Aurat March – عورت مارچ (@AuratMarchKHI) March 10, 2024
Fotoana mampihetsi-po, feno hatezerana, ary mahatsikaiky ho anay ny fandoroana ‘putla mariky ny pidarshaahi’. Mariky ny rafitra iray izay mampaharitra ny fanolanana, ny fanararaotana ara-batana sy ara-nofo amin'ny vatanay, mirehitra eo anoloanay, eo afovoan'ny hiranay ‘Azaadi’, alohan'ny ankamaroan'ny…
Anisan'ny fametrahana hafa ny fasan'ny patriarika, maneho ny fomba namonoana ny vehivavy, ny ankizy ary ny olona nanova fananahana:
We built the pidarshahi ka qabrustan, with stories of cis women, trans women, khwajasira community and non binary persons everyday. As we built this, so many of us, felt the immense pain, patriarchal violence that so many of us had to go through to just lead our lives.… pic.twitter.com/XmH91MwDHV
— Aurat March – عورت مارچ (@AuratMarchKHI) March 10, 2024
Nanangana ny pidarshahi ka qabrustan izahay, ahitana vehivavy cis, vehivavy mpanova taovam-pananahana, vondrom-piarahamonina khwajasira ary olona tsy binaire (sady tsy lahy no vavy) isan'andro. Rehefa nanangana izany izahay, dia maro taminay no nahatsapa ny fahoriana mafy, ny herisetran'ny patriarika izay tsy maintsy nolalovan'ny maro taminay.
Mandrava ny rojo fanandevozana ara-toekarena
Nisafidy ny lohahevitry ny fandravana ny rojon'ny fanandevozana ara-toekarena ny diabe Aurat any Multan ary nametraka fitakiana fanabeazana ho an'ny rehetra, ny zo hanana ny mari-panondroany, ny fanomezana vahana ny mpianatra, ny karama ara-drariny, ny zon'ny mpiasa, ny fiarovana ny ankizy, sy ny maro hafa. Tahaka ny niatrehan'ireo tao Lahore ny fanorisorenana, lehilahy mpanao gazety iray tao Multan no voalaza fa niherisetra tamin'ireo mpandray anjara, nanao fanevatevana ara-nofo, ary nampiasa teny maningana. Nisy ny fanambarana navoaka mitaky fialan-tsiny avy amin'ny mpanao gazetin'ny Associated Press.

Vehivavy nivory teo ivelan'ny Press Club Islamabad, nitazona sora-baventy ary nankalaza ny Andro iraisampirenena ho an'ny vehivavy. Sary avy amin'i Ramna Saeed.
Tsy natao ho fanairana fotsiny mikasika ny olan'ny vehivavy ny diabe Aurat fa natao ho sehatra fampisehoana zavakanto sy ny fifaharana ara-kolontsaina ihany koa. Na dia miatrika sakana sy fanamby isan-karazany aza, tapa-kevitra ny hanohy ny tolona ataony amin'ny tanjaka sy ny faharetana ireo vehivavy ao Pakistan mandra-pahazoany ny fitovian'ny lahy sy ny vavy sy ny fahazoana antoka ny zony.